Asabotsy 22 jolay 2034
Fanombohana ny Sorona Masina
SABOTSY
Hohamarinina aho ka hiseho eo anatrehanao; hiala liana mibanjina ny voninahitrao.
Andriamanitra ô, Ianao mampiposaka ny hazavan'ny fahamarinanao hampody lalana ireo naniasia: koa tahio ireo manaraka ny finoana kristianina mba hitsipaka izay mifanohitra amin'ny anarana entiny sy hifikitra amin'izay tena maha-kristianina azy.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Mikea Mpaminany
Loza ho an'izay mieritreritra ny hanao ratsy sy misaintsaina eo am-pandriany ny loza hafitsony! Raha vao maraina koa tanterahiny izany, raha tahiny mbola mety hoefain'ny tanany ihany. Tsiriritiny ny saha, ka alainy; ny trano koa, ka lasany; anaovany ankeriny avokoa ny olona mbamin'ny tranony, ny tompo mbamin'ny lovany. Ka izao no lazain'ny Tompo: “Indro fa misy loza saintsainiko hamelezana itý taranaka itý, ka tsy ho azonareo hanafahana ny vozonareo; ka tsy handeha miandranandrana intsony ianareo, fa ho andro ratsy izany.” Amin'izany andro izany, dia hanononan'ny olona ohabolana ianareo sy hihirany hira fitomaniana, hataony hoe: “Tanteraka tokoa izao, dia fongana mihitsy isika; amidiny ho anjaran'ny vahoakako! Ahoana no angalany izany amiko? Zarainy ho an'ny mpiodina ny sahantsika?” Koa tsy hahita olona hanenjana ny famolaina hahazoanao anjara lova eo amin'ny fiangonan'ny Tompo.
Ahoana ny Tompo no mijanona eny lavitra? no miafina amin'ny andro fahoriana? Ny olon-dratsy mirehaka; ny ory forehitra sy voagejan'ny tetika voakaly.
Ny olon-dratsy mirehareha amin'ny fanirian'ny fony; ny mpierina misahato, manazimba ny Tompo. Ny olon-dratsy milanja orona, tsy manana ahiahy: ny ambentin-keviny: «Tsy misy Andriamanitra!»
Ny vava feno ozona, fanaovana an-kery sy fitaka; ambany lela, fampahoriana sy hasomparana. Manotrika akaikin-tanàna, mamitsaka: dia vonoina an-takona ny madio.
Ianao anefa mahita ny fahoriana sy ny alahelo, izay karohinao mba hatao an-tanana. Ianao Tokin'ny malahelo. Ianao Mpitahy ny kamboty.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 12, 14-21Tamin'izany andro izany, i Jesoa nanasitrana lehilahy iray tamin'ny andro sabata. Ka lasa nivoaka ny Farisianina ary niara-nioko ny amin'izay hahafaty Azy. Fa nahalala izany i Jesoa ka dia niala teo. Maro ny vahoaka nanaraka Azy, ka nositraniny izay rehetra narary tamin'ireny; nefa noraràny izy ireo tsy hanao izay hahafantarana Azy, mba ho tanteraka ny tenin'i Izaia mpaminany hoe: Indro ny Mpanompoko izay nofidîko, dia ilay malalako izay ankasitrahan'ny foko indrindra; hapetrako ao aminy ny Fanahiko, ary hanambara ny marina amin'ny Jentily izy. Tsy hifanditra izy, na hiantso mafy, ary tsy hisy handre ny feony eny an-dalana; tsy hanapaka ny volotara vaky izy, na hamono ny lahin-jiro manetona, ambarapamoakany ny rariny ho mpandresy; ary ny Jentily hitoky amin'ny anarany.
Fankalazana ny Eokaristia
Topazo maso miantra, ry Tompo, ireto fanatitry ny Eglizy mitalaho aminao, ary mba omeo ny mpino rehetra ny vatsy natao hampitombo fahamasinana azy.
Ny fody mahita trano, ny sidintsidina mahita akany ho an-janany ao amin'ny tempolinao, ry Tompon'ny hery rehetra, ry Mpanjakako sy Andriamanitro. Ka sambatra izay monina ao an-tranonao, fa hidera Anao mndrakizay izy ireo.
Tompo ô, nandray ny fanomezanao masina izahay, ka enga anie ny fandraisanay Kômonio matetika hampitombo ny vokatry ny famonjena anay.