Alakamisy 13 jolay 2034
Fanombohana ny Sorona Masina
Andriamanitra ô, mivetso ny hatsaram-ponao eto amin'ny tempolinao izahay. Manerana ny vazan-tany ny Anaranao, ry Tompo, ka deraina hatraiza hatraiza. Ny fahamarinana dia eo an-tananao.
Andriamanitra ô, ny Zanakao nietry tena no nanarenanao ny olombelona lavon'ny fahotana, koa ataovy heni-kafaliana masina izahay mino Anao, ary enga anie izahay nafahanao tamin'ny fanandevozan'ny fahotana mba hataonao finaritra migoka ny haravoana tsy manam-pahataperana.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Osea Mpaminany
Hoy ny Tompo: Tia an'i Israely Aho fony mbola zaza izy; ka hatrany Ejipta nisy fiantsoana nataoko ny zanako. Ary Izaho nampiana-mandeha an'i Efraima, sy nitantana azy tamin'ny sandriny, nefa tsy fantany fa nanolikoly azy Aho. Nentiko tamin'ny kofehy fitondrana olona izy ireo, dia tamin'ny fatoran'ny fitiavana; mova Aho tsy ilay nanainga ny jioga ho azy, eo ambonin'ny valanoranony, ary niondrika taminy sy nampihinana azy, nefa tsy misy miandrandra maso akory izy ireo.
Ry Mpiandry an'i Israely, mandrenesa izay mitondra an'i Jôsefa toy ny ondry. Dia fohazy ny herinao hamonjy anay.
Miverena, ry Andriamanitry ny tafika; mitsinjova avy eny an-danitra zahao! Ilay foto-boaloboka tazano, mba ahio ny nambolen'ny tananao.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 10, 7-15Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny Apôstôly nanao hoe: “Raha mandeha ianareo, dia mitoria hoe: Efa akaiky ny Fanjakan'ny lanitra. Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, roahy ny demony: nahazo maimaim-poana ianareo, ka manomeza maimaim-poana. Aza mitondra volamena na volafotsy na varahina ao amin'ny fehin-kibonareo, na kitapom-batsy eny an-dalana, na akanjo roa, na kiraro, na tehina, fa ny mpiasa dia mendrika homen-kanina. Ary amin'izay tanàna na vohitra hidiranareo, dia anontanio izay mendrika, hidiranareo ao, ka mitoera ao aminy ambara-pialanareo. Ary raha vao miditra ao amin'ny trano ianareo, dia miarahabà hoe: “Ho amin'itý trano itý anie ny fiadanana”; ka raha mendrika tokoa ny ao an-trano, dia ho tonga ao aminy ny fiadanana nantsoinareo; fa raha tsy mendrika kosa izy, dia hiverina aminareo ny fiadanana nantsoinareo. Ary raha misy tsy mampiantrano anareo na tsy mihaino ny teninareo, dia mialà amin'izany trano izany, na amin'izany tanàna izany, ka ahintsano ny vovoka amin'ny tongotrareo. Lazaiko marina aminareo fa ho moramora kokoa ny hatao amin'i Sôdôma sy i Gômôra amin'ny andro fitsarana noho ny hatao amin'izany tanàna izany.”
Fankalazana ny Eokaristia
Tompo ô, handio anay anie ny fanatitra atolotray hanajana ny Anaranao masina, ary hitantana anay isan'andro hanao asa mendrika ny lanitra.
Andramo ary zahao fa tsara ny Tompo; sambatra ny olona mitoky aminy.
Tototry ny soa sarobidy avy aminao izahay, ry Tompo, ka mihanta aminao: mba ataovy mahazo ny fanomezana mahavonjy ary tsy hitsahatra midera Anao.