Asabotsy 08 jolay 2034

Asabotsy Fahatelo ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

SABOTSY

Tononkira fidirana Sal. 46, 2

Mitehafa tanana, ry vahoaka rehetra, miderà an'Andriamanitra amin'ny hobim-pifaliana.

Fangatahana

Andriamanitra ô, ny fahasoavanao no nanangananao anay ho zanaky ny fahazavana, koa mihanta aminao izahay aza avela ho rakotry ny haizin'ny hevi-diso fa ataovy mamiratra lalandava amin'ny fahazavan'ny fahamarinana.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Amôsy 9, 11-15

Bokin'i Amôsy Mpaminany

« Hampodiko indray ny babo amin'ny vahoakako; ary hamboleko eo amin'ny taniny izy. »

Izao no lazain'ny Tompo: Amin'izany andro izany, ny tranobongon'i Davida efa nianjera hatsangako indray, ny banga hotampenako, ny rava hamboariko; ka haoriko indray ho tahaka ny tamin'ny andro taloha; mba hananan'izy ireo izay sisa amin'i Edôma, mbamin'ny firenena rehetra niantsoana ny Anarako, — teny marin'ny Tompo — izay nanao izany zavatra izany. Indro avy ny andro, — teny marin'ny Tompo —, ka ny mpiasa tany hahatratra ny mpijinja; ary ny mpanosihosy voaloboka, hahatratra ny mpanely voa famafy ; hitete avy amin'ny tendrombohitra ny divay vaovao, ary ny havoana rehetra hitsonika. Hampodiko indray ny babo amin'i Israely vahoakako; ka ny tanàna rava, haoriny sy honenany indray; ny voaloboka hamboleny hisotroany ny divay avy aminy; hanao tanimboly izy ireo, hihinanany ny vokany. Hamboleko eo amin'ny taniny izy, ka tsy hongotako intsony hiala amin'ny tany, izay efa nomeko azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 84, 9. 11-12. 13-14
Fiv.: Ny Tompo miteny fiadanana amin'ny olony.

Hihaino izay lazain'ny Tompo aho: moa Izy tsy hiteny fiadanana ho an'ny olony, ho an'ny mpivavaka aminy, ho an'ireo mampitodika ny fo aminy?
Tafahaona ny hatsaram-po sy ny fahamarinana, mifanoroka ny rariny sy ny fiadanana: mitrebona an-tany ny fahamarinana, mitranga avy eny an-danitra ny rariny.
Ny Tompo manome orana amim-peo avo, ka ny tanintsika manome ny vokany. Ny rariny mizotra eo anoloany; ny fiadanana, eo amin'ny soritry ny diany!

Aleloia. Aleloia.
Niteraka antsika an-tsitra-po tamin'ny tenin'ny fahamarinana Izy, mba ho santatry ny zava-boaariny isika.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 9, 14-17
« Moa mahazo misaona va ny olona raha mbola eo ny mpampakatra? »

Tamin'izany andro izany, nankao amin'i Jesoa ny mpianatr'i Joany ka nanao hoe: “Nahoana izahay sy ny Farisianina no mifady hanina matetika, fa ny mpianatrao kosa no tsy mba mifady?” Ary hoy i Jesoa taminy: “Moa mahazo misaona va ny zanaky ny mpampakatra raha mbola eo aminy ny mpampakatra? Fa mbola ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra hiala aminy, ka amin'izay vao hifady hanina izy. Ary tsy misy olona manampina akanjo tonta amin'ny tapa-damba vaovao, fa handrovitra ny tonta ny vao ka hitatra ny rovitra. Ary ny barîka hoditra tonta tsy mba fasiana divay vaovao; fa raha izany, dia ho vaky ny barîka, ka ny divay raraka, ary ny barîka simba; fa ny barîka hoditra vaovao no fasiana divay vaovao, dia samy maharitra izy roroa.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Andriamanitra ô, Ianao no mampisy hasina ny Sorona atolotray, ka enga anie ny fanompoanay Anao hifanaraka amin'ireto fanatitra masina ireto.

Kômonio Sal. 102, 1

Isaory ny Tompo, ry fanahiko, isaory ny Anarany masina, ry hery ao anatiko rehetra!

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie hankahery anay bebe kokoa ny Sorona masina natolotray sy nandraisanay anjara izao, ary enga anie izahay ho tia Anao sy hiray aminao hatrany ka hitondra vokatra maharitra mandrakizay.