Talata 27 jona 2034
Fanombohana ny Sorona Masina
Ny Tompo no herin'ny vahoakany, mpiaro sy mpamonjy ny nohosorany. Tompo ô, vonjeo ny vahoakanao, tsofy rano fa lovanao, ary ento an-trotroana mandrakizay.
Tompo ô, mba velomy lalandava ao am-ponay ny fanajana sy ny fitiavana ny Anaranao masina; satria tsy afoinao na oviana na oviana izay nataonao mafy orina amin'ny fitiavana Anao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky faharoan'ny Mpanjaka
Tamin'izany andro izany, nandefa iraka ho any amin'i Ezekiasa ny mpanjakan'i Asiria, i Senakeriba, nanao hoe: “Izao no lazaonareo amin'i Ezekiasa mpanjakan'i Jodà: Aza mety harebirebin'ny Andriamanitrao izay itokianao ianao, saingy ilazany hoe: Tsy hatolotra eo an-tanan'ny mpanjakan'i Asiria i Jerosalema. Indro efa renao ihany ny nataon'ireo mpanjakan'i Asiria tamin'ny tany rehetra, tamin'ny nanaovany anatema azy ka ianao indray ve no ho voavonjy?”
Ny Tompo lehibe sy mendri-dera indrindra ao amin'ny tanànan'Andriamanitsika! Ny vohiny masina: tsara fideza, fifalian'ny tany tontolo!
Ny vohitra Siôna: any am-parany avaratra, tanànan'ny Mpanjaka lehibe! Andriamanitra amin'ireo tilikambony mitomban-ko fiarovana avo.
Izahay, ry Andriamanitra, mametso ny hatsaram-ponao ao anivon'ny Tempolinao. Ny voninahitrao dia toy ny Lanitrao: mitatao ny tany tontolo! Ny tananao feno fahamarinana.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 7, 6. 12-14Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny mpianany nanao hoe: “Aza omena ny alika ny zava-masina, ary aza atsipy amin'ny kisoa ny voahanginareo, sao hitsahiny ireny, dia hifotitra hamiravira anareo izy. Koa amin'izany, izay rehetra tianareo hataon'ny olona aminareo, dia mba ataovy amin'ny olona koa toraka izany, fa izany no Lalàna sy Mpaminany. Midira amin'ny vavahady etý, fa lehibe ny vavahady ary malalaka ny lalana mankany amin'ny fahaverezana, ka maro no mahazo any; fa tery kosa ny vavahady, ary etý ny lalana mankany amin'ny fiainana, ka vitsy no mahita azy.”
Fankalazana ny Eokaristia
Mba raiso, ry Tompo, itý sorom-pifonana sy fiderana itý ary enga anie hanadio anay ny fahasoavana avy aminy ka ho sitrakao ny fitiavana atolotry ny fonay.
Any aminao avokoa ny mason'ny velona rehetra manantena Anao, ary Ianao manome ny sakafony ara-potoana.
Tompo ô, nahazo aim-baovao izahay nandray ny Vatana sy Ra masin'i Kristy koa mihanta aminao mora fo: enga anie izao fanompoam-pivavahana feno fitiavana fanaonay izao ho antoky ny fanavotana anay.