Alahady 25 jona 2034
Fanombohana ny Sorona Masina
I KRISTY NO MAMPIRAY ANTSIKA
Ny Tompo no herin'ny vahoakany, mpiaro sy mpamonjy ny nohosorany. Tompo ô, vonjeo ny vahoakanao, tsofy rano fa lovanao, ary ento an-trotroana mandrakizay.
Tompo ô, mba velomy lalandava ao am-ponay ny fanajana sy ny fitiavana ny Anaranao masina; satria tsy afoinao na oviana na oviana izay nataonao mafy orina amin'ny fitiavana Anao.
Amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka. .. Amen.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Zakaria Mpaminany
Izao no lazain'ny Tompo: «Haidiko amin'ny taranak'i Davida sy amin'ny mponina ao Jerosalema ny fanahin'ny fahasoavana amam-pifonana; ka hatodiny ny masony hijery Ahy izay nolefoniny. Ary hanao fisaonana Zanaka lahy tokana, hitomany mafy Azy izy ireo, toy ny fitomany Zanaka lahy matoa. Amin'izany andro izany, ao Jerosalema, hisy fisaonana lehibe toy ny fisaonana tao Adadremôna, amin'ny lohasahan'i Magedô».
Andriamanitra ô, Ianao no Andriamanitro! Vao maraina aho maniry Anao; mangetaheta Anao ny fanahiko; matimaty Anao ny nofoko: toy ny tany maina sy mangentana, toy ny tany haraka, mila rano!
Tao an-toerana masina no nahitako Anao; tao aho nibanjina ny herinao sy ny voninahitrao: ka ny molotro nidera Anao, fa ny fitiavanao: tsara noho ny aina!
Eny, hisaotra aho raha mbola velona; ny Anaranao hanandratako tanana: ka ny fanahy ho heni-tsoa, ny molotro hihoby, ny vava hidera.
Fa notsenainao ny vonjinao aho ka mibitaka alofan'ny elatrao; ny fanahiko mifikitra aminao, ny tananao mihazona ahy.
Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Galasia
Ry kristianina havana, ianareo efa zanak'Andriamanitra amin'ny finoana ao amin'i Jesoa Kristy. Satria ianareo rehetra efa natao Batemy ho an'i Kristy, dia mitafy an'i Kristy avokoa. Ka tsy misy Jody na Jentily intsony; tsy misy mpanompo na tsy mpanompo, tsy misy lahy na vavy intsony, fa tena iray ihany ianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesoa. Ary raha an'i Kristy ianareo, dia taranak'i Abrahama tahaka Azy, ka mpandova araka ny fampanantenana.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 9, 18-24Tamin'izany andro izany, raha nivavaka tany amin'ny toerana mangingina i Jesoa ka teo aminy koa ny mpianany, dia nanontany azy ireo Izy nanao hoe: “Ataon'ny vahoaka ho iza moa Aho?” Ary namaly ireo ka nanao hoe: “Ny sasany manao hoe i Joany Batista, ny sasany milaza hoe i Elia, ary ny sasany manao hoe: ny anankiray amin'ny Mpaminany taloha no nitsangan-ko velona”. Fa hoy Izy: “Ianareo kosa, mba manao Ahy ho iza?” Dia namaly i Piera ka nanao hoe: “I Kristin'Andriamanitra”. Nefa noraràny mafy izy ireo mba tsy hilazalaza izany aman'olona, sady nampiany hoe: “Tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak'Olona, ka harian'ny loholona sy ny lehiben'ny mpisorona mbamin'ny mpanora-dalàna ary hovonoiny; fa hitsangan-ko velona amin'ny andro fahatelo”. Ary hoy koa Izy tamin'ny olona rehetra: “Raha misy te hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany isan'andro, ka hanaraka Ahy. Izay te hamonjy ny ainy dia hahavery azy, fa izay hahafoy ny ainy noho ny amiko no hahavonjy azy”.
Ry kristianina havana, eto anatrehan'i Kristy namonjy an'izao tontolo izao tamin'ny Hazofijaliany sy manohy ny Fanavotana eto amin'ny Sorona Masina, dia atambaro ny vavaka ataontsika ho famonjena ny olombelona rehetra.
Tompo ô, ampianaro izahay hiaiky sy hino fa tena Zanak'Andriamanitra Ianao, ary ampianaro koa handà tena sy hitondra ny hazofijalianay hanarahanay Anao.
Fankalazana ny Eokaristia
Mba raiso, ry Tompo, ity sorom-pifonana sy fiderana ity: ary enga anie hanadio anay ny fahasoavana avy aminy, ka ho sitrakao ny fitiavana atolotry ny fonay.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Any aminao avokoa ny mason'ny velona rehetra manantena Anao, ary Ianao manome ny sakafony ara-potoana.
Tompo ô, nahazo aim-baovao izahay nandray ny Vatana sy ny Ra masin'i Kristy; koa mihanta aminao mora fo: enga anie izao fanompoam-pivavahana feno fitiavana fanaonay izao, ho antoky ny fanavotana anay.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.