Talata 20 jona 2034
Fanombohana ny Sorona Masina
Henoy, ry Tompo, ny feoko miantso Anao. Tongava hamonjy ahy, aza manary ahy, aza mahafoy ahy, ry Andriamanitra Mpamonjiko.
Ry Andriamanitra be fiantra ô, Ianao no andry iankinan'izay manantena Anao; ka atreho ny vavaka ataonay: ary raha tsy Ianao, tsy mahefa na inona na inona izahay fa nofo sy ra ka ombao fahasoavana mandrakariva hitandrina ny didinao mba hifanaraka amin'ny sitraponao na ny hevitray na ny asanay.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky voalohan'ny Mpanjaka
Taorian'ny nahafatesan'i Nabôta, dia tonga tamin'i Elia Tesbita ny tenin'ny Tompo nanao hoe: “Mitsangàna ianao, ka midìna hihaona amin'i Akaba mpanjakan'i Israely, manjaka ao Samaria. Ao an-tanim-boalobok'i Nabôta ao izy izao, fa nidina nankany haka izany ho azy. Ka mitenena aminy hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Moa tsy namono va ianao sy naka lovan'olona koa? Dia hiteny aminy ianao hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Eo amin'ny toerana nilelafan'ny alika ny ran'i Nabôta ihany no hilelafan'ny alika ny ran'ny tenanao koa.” Ary hoy i Akaba tamin'i Elia: “Azonao va aho, ry ilay fahavaloko?” Ka hoy ny navaliny: “Azoko ianao, satria nivaro-tena hanao izay ratsy eo imason'ny Tompo ianao. Indro aho hahatonga loza aminao: hataoko mafafa ianao, haringako ny lehilahy rehetra an'i Akaba na ny mpanompo, na ny olona afaka, amin'i Israely, ka dia hampanahafiko ny tranon'i Jerôbôama zanak'i Nebata sy ny tranon'i Ahiasa, ny tranonao, satria nihaika ahy hitezitra ianao, sady nampanota an'i Israely. I Jezabela koa, nasian'ny Tompo teny hoe: Hohanin'ny alika eny akaikin'ny hadin'i Jezrahela i Jezabela. Izay an'ny tranon'i Akaba ka maty an-tanàna, dia hohanin'ny alika, ary ny maty an-tsaha kosa, hohanin'ny voro-manidina.”
Iantrao aho, ry Tompo Andriamanitra, fa Ianao manko lalim-pitiavana. Mba koseho re ny heloka vitako, dia diovy aho hiala amin'ny otako.
Efa niaiky hadisoana ny tenako, eo imasoko hatrany ny otako. Taminao aho no diso, Andriamanitro; fantatrao avokoa ny kilemako.
Mba esory eo imaso ny otako, dia koseho tsy ho hita ny heloko. Mba fafao amin'izay ny tomaniko, hilazako fa Ianao no hany marina.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 5, 43-48Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny mpianany nanao hoe: “Efa renareo fa voalaza hoe: Ho tia ny namanao ianao ary hankahala ny fahavalonao. Fa Izaho kosa milaza aminareo: Tiavo ny fahavalonareo manaova soa amin'izay mankahala anareo, ary mivavaha ho an'izay manenjika sy manendrikendrika anareo; mba ho zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo, dia Ilay mampiposaka ny masoandrony amin'ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy, ary mandatsaka ranonorana amin'ny marina sy ny tsy marina. Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valisoa ho azonareo? Moa va na dia ny poblikanina aza tsy manao izany koa? Ary raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo, inona no mihoatra amin'ny ataonareo? Moa na dia ny jentily aza tsy mba manao izany ihany koa? Koa aoka ho lavorary ianareo tahaka ny fahalavorarian'ny Rainareo izay any an-danitra.”
Fankalazana ny Eokaristia
Andriamanitra ô, ireto fanatitra ireto no amelomanao sy anavaozanao ny olombelona; koa mihanta aminao izahay: enga anie tsy ho diso anjara amin'ny soa ateraky ny Sakramenta ny fanahy amam-batanay.
Ny zava-tokana angatahiko amin'ny Tompo ary katsahiko indrindra, dia ny honina ao an-tranon'ny Tompo amin'ny andro rehetra hiainako.
Manambara ny firaisan'ny mpino ao aminao, ry Tompo, ny Kômonio masina nomenao, ka enga anie ho tonga lafatra ny firaisanay ao amin'ny Eglizinao.