Zoma 16 jona 2034
Fanombohana ny Sorona Masina
NY FON'I JESOA NO ILAY FO FATRA-PITIA NY OLOMBELONA
Izay ampoizin'ny Tompo hatao, maharitra mandrakizay, ny fikasan'ny Fony amin'ny taranaka mifandimby, ka hanafaka ny fanahiny amin'ny fahafatesana Izy, sy hamelona azy amin'ny andro mosarena.
Ry Andriamanitra Andriananahary ô, mihanta aminao izahay faly mankalaza ny Fon'ny Zanakao malalanao ary mahatsiaro ny tombontsoa sarobidy nanehoany ny fitiavany anay, ka enga anie ho mendrika handray ny fahasoavana mitosaka avy amin'ny Fony loharanon'ny fanomezanao.
Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin'ny Fanahy Masina, amin'ny taona rehetra mandrakizay. Amen.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Ezekiela Mpaminany
Izao no lazain'ny Tompo Andriamanitra: “Indro Izaho dia Izaho ihany no hiahy ny ondriko, sy handinidinika azy. Toy ny fandinidiniky ny mpiandry ny ondriny, amin'ny andro hitsanganany eo amin'ireo ondriny mihahaka no handinidinihako ny ondriko; ary hoesoriko izy ireo, hiala any amin'ny tany rehetra efa nielezany tamin'ny andro mandrahona sy manjombona. Hoentiko mivoaka avy any amin'ny hafa firenena izy, ary hangoniko avy any amin'ny tany samihafa, hampodiako eo amin'ny tena taniny izy, dia handrasako eny amin'ny tendrombohitr'i Israely, eny an-dohasaha aman-toerana rehetra onenana amin'ny tany. Amin'ny tany tsara ho fiandrasana no hiandrasako azy; ary any an-tendrombohitra avon'i Israely no ho valany; ary izy no handry amin'ny valan'ondry tsara, sy hihinana amin'ny tany be vilona, eny an-tendrombohitr'i Israely. Izaho no hiandry ny ondriko. Izaho no hampandry azy — teny marin'ny Tompo Andriamanitra. — Ny very, hotadiaviko; ny nania, haveriko; ny naratra, hotsaboiko; fa ny matavy sy ny matanjaka kosa, haringako; handrasako ara-drariny izy ireo."
Ny Tompo miandry ahy: tsy orin'inoninona aho; izaho ampiraotiny amin'ny vilo-maitso, entiny amin'ny rano manala sasatra, velombelominy fanahy.
Izaho tarihiny amin'ny lala-marina noho ny Anarany! Na mamaky lohasaha maizina aza aho, tsy matahotra izay loza: satria Ianao miaraka amiko; ny kibay aman-tehinao mampatoky ahy!
Rosoanao sakafo eo imason'ny rafiko aho: ka ny loha mitavona ilo, ny kapoaka safomorona! Eny, hatsaram-po sy hasambarana no manjohy amin'ny fiainana tontolo; ny tranon'ny Tompo no fonenana taona maro mifandimby!
Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Rôma
Ry kristianina havana, efa voarotsaka ao am-pontsika tamin'ny Fanahy Masina nomena antsika, ny fitiavan'Andriamanitra. Fa fony mbola tsy nanan-kery isika, dia maty tamin'ny fotoana voatendry i Kristy mba hamonjy ny ratsy fanahy. Saika tsy misy manaiky ho faty hamonjy ny olo-marina; ary angamba hisy ihany sahy maty hamonjy ny manao soa. Fa izao kosa no nanehoan'Andriamanitra ny fitiavany antsika: fony mbola mpanota isika no maty hamonjy antsika i Kristy; koa mainka fa izao efa nohamarinina tamin'ny Rany izao, dia tsy maintsy afany amin'ny fahatezerana mihitsy. Satria, raha fony mbola fahavalo aza isika, nampihavanina tamin'Andriamanitra noho ny nahafatesan'ny Zanany, mainka fa rehefa nampihavanina, dia tsy maintsy voavonjy noho ny fahavelomany tokoa. Tsy izany ihany koa, fa isika dia mifaly amin'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Tompontsika, izay nahazoantsika ny fihavanana ankehitriny.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 15, 37Tamin'izany andro izany, i Jesoa nanao ity fanoharana ity tamin'ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna nanao hoe: “Iza moa aminareo no manana ondry zato ka very ny anankiray no tsy handao ny sivy amby sivifolo any an'efitra, ka handeha hitady ilay very mandra-pahitany azy? Ary rehefa hitany dia ataony eo an-tsorony an-kafaliana, ka nony tonga any an-tranony izy, dia mamory ny sakaizany sy ny olo-mifanakaiky aminy ary manao amin'ireo hoe: 'Miaraha mifaly amiko, fa efa hitako ny ondriko very'. Lazaiko aminareo, fa toy izany koa, hisy hafaliana lehibe kokoa any an-danitra amin'ny mpanota iray mibebaka, noho ny amin'ny olo-marina sivy amby sivifolo tsy mila fibebahana”.
Ry kristianina havana, ny Fon'i Jesoa Tompo no itodihantsika anio, ka matoky isika fa hohenoiny; koa hararaoty izany fitokiana izany hivavahantsika ho an'ny olombelona rehetra, izay nahafoizany ny ainy noho ny fitiavany tsy taka-polopolorina.
Ry Jesoa Tompo ô, ny Fo nofo tao aminao dia endrika ahitanay ny fitiavanao tsy misy fetra, amelanao ny helokay sy itiavanao ny olombelona tsy an-kanavaka, koa mba ovao ny fonay hahay miantra sy mitia tahaka ny Fonao, Ilay velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.
Fankalazana ny Eokaristia
Todiho maso, ry Tompo, ny fitiavana tsy hay lazaina avy amin'ny Fon'ny Zanakao malalanao; koa mihanta aminao izahay: enga anie izao tontolo izao mba ho fanatitra hankasitrahinao, no sady ho fanonerana ny otanay.
Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay, amin'ny alalan'i Kristy Tomponay.
Ilay nentanim-pitiavana ka nasandratra teo amin'ny Hazofijaliana mba hanolo-Tena ho anay, ary nandrotsaka rano sy Ra avy amin'ny Fony ho loharanon'ny Sakramentan'ny Eglizy, mba hahatarika ny olona rehetra hankeo amin'ny Fon'Izy Mpamonjy nolefonina, sy ho sambatra hiala hetaheta tsy an-kijanona eo amin'ny loharanom-pamonjena.
Izany no iarahanay amin'ny Olomasina sy ny Anjely rehetra mankalaza Anao tsy an-kijanona manao hoe: Masina, Masina, Masina. . .
Hoy ny Tompo hoe: «Raha misy mangetaheta, tongava aty amiko hisotro. Izay mino Ahy, hiboiboika rano velona ao aminy».
Enga anie, ry Tompo, izao Sakramenta tsangam-baton'ny fitiavana izao hampiredareda ny fitiavana masina ao am-ponay, hany ka rehefa voasintona mandrakariva hanatona ny Zanakao izahay, dia hiezaka hahita Azy koa ao amin'ny namanay.
Fa Izy velona sy manjaka amin'ny taona mandrakizay. Amen.