Alahady 11 jona 2034
Fanombohana ny Sorona Masina
SOROM-PIHAVANANA SY SAKAFO MAMPIRAY NY EOKARISTIA
Nofahanany vary matsiro izy, ary novokisany tantely remby.
Ry Jesoa Kristy Tompo ô, namelanao ny fahatsiarovana ny fijalianao izahay amin'izao Sakramenta mahagaga izao, koa enga anie ho fatra-panaja izany mistery misy ny Vatanao sy ny Ranao izany izahay, mba handrenesanay lalandava ny vokatry ny fanavotanao.
Fa Ianao Andriamanitra velona sy manjaka miaraka amin'Andriamanitra Ray ao amin'ny Fanahy Masina, amin'ny taona rehetra mandrakizay. Amen.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky Jenezy
Tamin'izany andro izany, i Melkisedeka mpanjakan'i Salema dia nitondra mofo sy divay: Mpisoron'Andriamanitra avo indrindra izy. Dia nitsodrano an'i Abrahama izy nanao hoe: “Hanisy soa an'i Abrahama anie Andriamanitra avo indrindra Izay nahary ny lanitra sy ny tany. Ary hisaorana anie Andriamanitra avo indrindra izay nanolotra ny fahavalonao ho eo an-tananao”. Ary i Abrahama kosa dia nanome azy ny ampahafolon'ny zavatra rehetra.
Tenin'ny Tompo amin'ny Tompoko: «Mipetraha an-kavanako; izaho hanao ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao!»
Fa anao ny fiandrianana raha vao teraka ianao! Izaho no niteraka anao teto am-bohitra masina toy ny maraina miteraka ny ando!
Ny Tompo nanao fianianana izay tsy hanenenany; «Ianao mpisorona mandrakizay toa an'i Melkisedeka!»
Ny Tompo eo an-kavananao mandripaka mpanjaka amin-kavinirana.
Ilay Mpanjaka eo an-driaka eny an-dalana mitraka fa avy nisotro.
Taratasy voalohan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôrinty
Ry kristianina havana, izao no noraisiko tamin'ny Tompo sy nafindrako taminareo kosa: tamin'ny alina namadihana Azy iny i Jesoa, dia nandray mofo, ka nony efa nisaotra Izy, dia namaky azy sy nanao hoe: “Raiso ary hano, fa Vatako ity ho anareo, manaova izao ho fahatsiarovana Ahy”. Toy izany koa, nony efa nihinana, noraisiny ny kalisy, dia hoy Izy: “Ity kalisy ity no fanekena vaovao amin'ny Rako; manaova izao ho fahatsiarovana Ahy, isaky ny misotro ianareo. Fa isaky ny mihinana ity Mofo ity sy misotro amin'ity kalisy ity ianareo, dia manambara ny fahafatesan'ny Tompo mandra-piaviny”.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 9, 11b-17Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny vahoaka ny amin'ny Fanjakan'Andriamanitra sady nanasitrana ny marary. Efa ho hariva ny andro ka nanatona Azy ny roa ambin'ny folo lahy nanao taminy hoe: “Ravao ny vahoaka handeha hitady fandriana sy hanina any amin'ny vohitra sy ny saha manodidina, fa aty an'efitra isika izao”. Fa hoy Izy taminy: “Omeonareo hanina izy”. Dia namaly ireo nanao hoe: “Tsy manana afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa izahay, raha tsy hoe handeha hividy angaha izahay, mba hisy hohanin'ireo vahoaka be ireo”. Fa tokony ho dimy arivo lahy izy ireo. Dia hoy Izy tamin'ny mpianany: “Asaovy mipetraka mitsitokotoko dimampolo avy ny olona”. Dia nataony izany, ka nasainy nipetraka daholo izy ireo. Tamin'izay, noraisin'i Jesoa ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nitso-drano azy, ary novakiny sy nozarainy tamin'ny mpianany, mba harosony eo anoloan'ny vahoaka. Dia nihinana izy rehetra ka voky. Dia nentina ny sombintsombiny sisa tsy lany ka nahafeno sobika roa ambin'ny folo.
Fankalazana ny Eokaristia
Mitalaho aminao izahay, ry Tompo, mba ataovy miray fo sy miadana ny Eglizinao fa izany no ambaran'ireto fanatitra atolotray ireto.
Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako, hoy ny Tompo, dia mitoetra ao amiko ary Izaho ao aminy.
Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mba ataovy faly mahita Anao Andriamanitra mandrakizay, fa izany no santarinay rehefa mandray ny Vatanao sy ny Ranao masina ety an-tany.
Fa Ianao velona sy manjaka... Amen.