Zoma 09 jona 2034

Zoma Fahasivy tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 24, 16. 18

Mba todiho aho, ry Tompo, iantrao fa honjohonjoko izaho irery mahantra. Andriamanitra ô, zahao ny fahoriako sy ny fijaliako, avelao ny otako rehetra.

Fangatahana

Andriamanitra ô, milamina aoka izany ny fitantananao ny zavatra rehetra, ka mitalaho aminao re izahay: mba halaviro izay mety hanimba, omeo kosa izay mety hahasoa.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany 2 Tim. 3, 10-17

Taratasy faharoa nosoratan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'i Timôte

« Izay rehetra te-ho velona ao amin'i Kristy dia hoenjehina. »

Ry malala, ianao efa nanaraka tsara ny fampianarako ny fitondran-tenako, ny kendreko, ny finoako, ny fandeferako, ny fitiavako, ny faharetako, ny fanenjehana sy ny fahoriana nanjò ahy, toy ny tany Antiôkia sy tany Ikôniôma ary tany Listra; niaritra fanenjehana tokoa aho, fa nanafaka ahy hatrany hatrany ny Tompo. Dia hita fa izay rehetra te-ho velona araka an'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesoa dia hoenjehina, fa ny ratsy fanahy sy ny mpisandoka kosa dia handroso miharatsy ihany, sady mpamitaka no fitahina. Ary ianao kosa dia mahareta amin'izay zavatra nianaranao sy azonao antoka fa fantatrao ilay nampianatra anao, sady hatra ny fony mbola zaza ianao no efa nahalala ny Sorona Masina, izay nampahendry anao ho amin'ny famonjena noho ny finoana an'i Kristy Jesoa. Satria ny Soratra rehetra avy amin'ny fanilovan'Andriamanitra dia mahasoa ho fampianarana ho fandresen-dahatra, ho fananarana, ho fanabeazana amin'ny fahamarinana, mba hahalavorary ny olon'Andriamanitra sy hahavonona azy ho amin'ny asa soa rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 118, 157 sy 160. 161 sy 165. 166 sy 168
Fiv.: Fiadanam-be ny an'izay tia ny Lalànao.

Maro ny mpanenjika sy mpandrafy ahy; izaho kosa tsy miala amin'ny fanambarànao. Ny tampon'ny Teninao: fahamarinana; mandrakizay sy marina avokoa ny fitsaranao!
Enjehina mpifehy tsy amin'antony aho; ny Teninao no ihorohoroan'ny foko! Fiadanam-be ny an'izay tia ny Lalànao, ary tsy mba misy mahatafintohina azy.
Ny famonjenao, ry Tompo, no antenaiko; ny baikonao no tanterahiko! Voatandriko ny lahatrao sy ny fanambarànao; eo anoloanao avokoa ny lalako rehetra!

Aleloia. Aleloia.
Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava manilo ny maso.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka

Mk. 12, 35-37
« Ahoana no ilazany fa i Kristy dia zanak'i Davida? »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa raha mbola nampianatra tao an-tempoly dia niteny nanao hoe: “Ahoana no ilazan'ny mpanora-dalàna fa i Kristy dia zanak'i Davida? Nefa i Davida ihany no nampilazain'ny Fanahy Masina hoe: 'Ny Tompo nilaza tamin'ny Tompoko hoe: mipetraha eo ankavanako Ianao mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.' Koa raha antsoin'i Davida ho Tompony Izy, ahoana no maha-zanany Azy?” Ary nihaino Azy an-kafaliana ny vahoaka be.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Tompo ô, matoky ny fitiavanao izahay miara-midodododo mitondra fanatitra eto amin'ny ôtelinao: ka handio anay anie ny fahasoavanao sy ny fanatitra entinay manompo Anao.

Kômonio Sal. 16, 6

Miantsa Anao aho, satria mihaino ahy Ianao, ry Andriamanitra; anongilano sofina aho, ka henoy teny.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Enga anie, ry Tompo, hotarihin'ny Fanahinao Masina izahay, fa efa nofahananao tamin'ny Vatana aman-dRan'ny Zanakao, ka hidera Anao tsy am-bava fotsiny fa amin'ny asa sy ny toetra, ary ho mendrika hiditra any amin'ny fanjakan'ny lanitra.