Talata 06 jona 2034
Fanombohana ny Sorona Masina
Mba todiho aho, ry Tompo, iantrao fa honjohonjoko izaho irery mahantra. Andriamanitra ô, zahao ny fahoriako sy ny fijaliako, avelao ny otako rehetra.
Andriamanitra ô, milamina aoka izany ny fitantananao ny zavatra rehetra, ka mitalaho aminao re izahay: mba halaviro izay mety hanimba, omeo kosa izay mety hahasoa.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasy faharoan'i Md. Piera Apôstôly
Ry kristianina havana, eo am-piandrasana izaitsizy ny hiavian'ny Tompo ianareo, ny Tompo izay hahamay sy hahalevona ny lanitra, ary handoro sy hampiempo ny tenan'ny zavatra rehetra. Eny, araka ny fampanantenany, dia manantena ny lanitra vaovao sy tany vaovao isika, izay hanjakan'ny fahamarinana.
Mbola haizina ny tany, irony vohitra tsy àry. Ny tontolo zavozavo mbola tsy naterakao... Efa teo Ianao, ry Tompo, hany tokana mahefa,'Lay tsy nanam-piandohana ka ho velona doria.
Nampodianao ho vovoka ny arin-tananao: «Miverena, hoy Ianao, ry taranaka voafetra.» Toy ny aloka miserana aminao ny arivo taona, tsidik'andro kely fohy, pitik'alina mimaona.
Fitopolo taona monja no anjara fiainanay; valopolo izay matanjaka: io no tanjona ho anay. Fahoriana sy toloko anefa ny isan'izy ireny, fa miriotra poatoizay ka manjavona izahay.
Vao maraina dia hetsaho ny fitiavanao izahay, ka ho revon-kafaliana sy hiantsa isan'andro. Aoka re ny asanao ho hitanay mpanomponao, ka hamiratra am'ireo taranakay ny herinao.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka
Mk. 12, 13-17Tamin'izany andro izany, naniraka ny sasany tamin'ny Farisianina sy Herôdianina ireo mpanohitra an'i Jesoa mba hamandrika Azy amin'ny teniny, ka nony tonga ireo dia nanao taminy hoe: “Ry Mpampianatra ô, fantatray fa marina Ianao ka tsy mampaninona Anao ny olona, satria tsy mba mizaha tavan'olona Ianao, fa mampianatra ny lalan'Andriamanitra araka ny marina. Moa mety va sa tsia ny mandoa hetra ho an'i Sezara: handoa izahay sa tsy handoa?” Fa fantatr'i Jesoa ny fihatsarambelatsihiny, ka hoy Izy taminy: “Nahoana ianareo no maka fanahy Ahy? Itondray denie iray Aho hozahako.” Dia nitondrany iray Izy ka hoy Izy taminy: “Sarin'iza, sy anaran'iza io?” — Hoy iretsy hoe: “An'i Sezara.” Dia hoy i Jesoa taminy: “Aloavy ho an'i Sezara àry izay an'i Sezara, ary ho an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra.” Dia nigagan'izy ireo Izy.
Fankalazana ny Eokaristia
Tompo ô, matoky ny fitiavanao izahay miara-midodododo mitondra fanatitra eto amin'ny ôtelinao: ka handio anay anie ny fahasoavanao sy ny fanatitra entinay manompo Anao.
Miantsa Anao aho, satria mihaino ahy Ianao, ry Andriamanitra; anongilano sofina aho, ka henoy teny.
Enga anie, ry Tompo, hotarihin'ny Fanahinao Masina izahay, fa efa nofahananao tamin'ny Vatana aman-dRan'ny Zanakao, ka hidera Anao tsy am-bava fotsiny fa amin'ny asa sy ny toetra, ary ho mendrika hiditra any amin'ny fanjakan'ny lanitra.