Alahady 21 mey 2034
Fanombohana ny Sorona Masina
TOKONY HANGETAHETA NY MANDRAKIZAY ISIKA
Henoy, ry Tompo, ny feoko miantso Anao. Hoy ny foko taminao: «Mitady ny Endrikao aho; ny Endrikao, ry Tompo, no tadiaviko, aza afenina ahy ny salovan-Tavanao». Aleloia!
Tompo ô, mba atreho ny vavakay: mino izahay fa ny Mpanavotra ny taranak'olombelona dia efa miombom-boninahitra aminao any an-danitra; kanefa kosa, enga anie mba ho tsapanay fa, araka ny nampanantenainy, dia eo aminay mandrakariva Izy, mandra-pahatapitr'izao tontolo izao.
Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin'ny Fanahy Masina amin'ny taona rehetra mandrakizay. Amen.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky mitantara ny Asan'ny Apôstôly
Tamin'izany andro izany, feno ny Fanahy Masina i Etienina, ary nibanjina ny lanitra izy ka nahita ny voninahitr'Andriamanitra sy i Jesoa nitsangana teo ankavanan'Andriamanitra, ary nanao hoe: “Indro hitako ny lanitra misokatra, mbamin'ny Zanak'olona mitsangana eo ankavanan'Andriamanitra”. Fa indray nihoraka izy rehetra, sady nanentsin-tadîny no niara-niantoraka taminy. Dia notaritiny tany ivelan'ny tanàna izy, ka notorahany vato, ary ny vavolombelona dia nametraka ny fitafiany teo an-tongotry ny zatovo anankiray atao hoe Saoly. Raha mbola nitora-bato azy izy ireo, i Etienina kosa nivavaka nanao hoe: “Jesoa Tompo ô! raiso ny fanahiko!” Dia nandohalika izy, ka niantso tamin'ny feo mahery hoe: “Tompo ô, aza tanana izao hadisoany izao”. Nony nilaza izany izy, dia nody mandry teo amin'ny Tompo.
Manjaka ny Tompo: miravoa ny tany; ianareo nosy maro, mifalia. Ny manodidina Azy: rahona sy zavona ny ijoroan'ny fiketrahany dia ny rariny sy ny hitsiny.
Ny lanitra manambara ny fahamarinany, ireo vahoaka mahita ny voninahiny. Ny andriamanitra rehetra miankohoka aminy avokoa.
Fa Ianao tokoa no avo indrindra Ianao ambonin'ny tany tontolo, avo lavitra noho ireo andriamanitra.
Boky Fanambaràna nosoratan'i Md. Joany Apôstôly
Izaho, Joany, dia nandre feo nilaza tamiko hoe: “Indro, avy faingana Aho; efa eo am-pelatanako ny valy hamaliako ny olona rehetra araka ny asany avy. Izaho no Alfà sy Omegà, ny voalohany sy ny farany, ary ny fiandohana sy ny fiafarana. Sambatra izay manasa ny akanjony amin'ny Ran'ny Zanak'ondry, mba hananany fahefana amin'ny hazon'aina, sy hidirany amin'ny vavahady ao an-tanàna. Izaho Jesoa no haniraka ny Anjeliko hanambara ireo zavatra ireo aminareo ho an'ny Eglizy. Dia Izaho ilay solofo sy taranak'i Davida ary kintana mamirapiratra fitarika andro”. Ary hoy ny Fanahy sy ny ampakarina: “Avia”. Aoka izay mandre koa hanao hoe: “Avia”. Ary aoka ho avy izay mangetaheta, mbamin'izay maniry izany, ka hisotro maimaim-poana amin'ny ranon'aina! Izao no lazain'Ilay manambara ireo zavatra ireo: “Eny, avy faingana Aho!” Amen! Avia, ry Jesoa Tompo!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Joany
Jo. 17, 20-26Tamin'izany andro izany, i Jesoa niandrandra ny lanitra ary nivavaka hoe: “Ray masina ô, tsy ho azy ireto ihany no angatahako, fa ho an'izay hino Ahy noho ny teniny koa: mba ho iray izy rehetra, tahaka Anao, Ray ato amiko, ary Izaho ao aminao, ary mba ho iray ao amintsika koa izy, ka hinoan'ny olona fa Ianao no naniraka Ahy, Efa nomeko azy ny voninahitra nomenao Ahy, mba ho iray izy, tahaka ny maha-iray Antsika: Izaho moa ao aminy, Ianao kosa ato amiko, mba ho tena iray tokoa izy ireo, ka ho fantatr'izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy, ary Ianao tia azy ireo tahaka ny nitiavanao Ahy.
Ray ô, tiako hiaraka amiko, any amin'izay itoerako, ireo nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitra nomenao Ahy, satria efa tia Ahy talohan'ny nahariana izao tontolo izao Ianao. Ray marina ô, tsy nahalala Anao izao tontolo izao, fa Izaho no nahalala Anao, ary ireto koa no nahalala fa Ianao no naniraka Ahy. Efa nampahafantariko ny Anaranao izy, sady mbola hampahafantariko koa, mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy, ary mba ho ao aminy koa Aho”.
Ry kristianina havana, nangatahin'i Kristy mba ho iray isika rehetra; koa ampiraiso ny fontsika amin'izao vavaka izao, hangataka izay ilain'ny olombelona.
Tompo ô, enga anie ho hita taratra eo aminay ny fahasoavanao, tahaka ny tamin'i Masindahy Etienina, ka hahitan'ny olona Anao rehefa miresaka Anao izahay, ary mba ataovy manam-pitiavana hoatra azy izahay hahazaka ny zavatra rehetra tsy misy lolom-po, tsy misy fankahalana, mba ho santatry ny lanitra ny fiainanay ety an-tany.
Fankalazana ny Eokaristia
Mba raiso, ry Tompo, ny vavaka aman-tolotra ataonay mpino, ka izao fanompoam-pivavahana feno fitiavana izao anie hahatongavanay any amin'ny voninahitra any an-danitra.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Ray ô, mangataka Aho mba ho iray izy ireo tahaka ny maha-iray Antsika. Aleloia!
Mba henoy vavaka izahay, ry Andriamanitra Mpamonjy anay: enga anie izao Sorona masina izao, hahazoanay toky fa ho tanteraka ao amin'ny Eglizy rantsam-batan'i Kristy izay efa tontosa rahateo ao amin'Izy Filohanay.
Fa Izy velona sy manjaka amin'ny taona mandrakizay. Amen.