Zoma 17 febroary 2034
Fanombohana ny Sorona Masina
Aoka Ianao ho Andriamanitra mpiaro ahy sy ho tany fialofana hamonjenao ahy; fa Ianao no vatolampy sy tany mimandako; ary ho voninahitry ny Anaranao, dia tariho lalana aho sy fahano.
Tompo ô, nambaranao mazava fa mitoetra ao amin'ny olo-marina sy mahitsy fo Ianao; koa ataovy marina sy mahitsy fo izahay ho mendrika honenanao.
Amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin'ny Fanahy Masina amin'ny taona rehetra mandrakizay. Amen.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasy nosoratan'i Md. Jakôba Apôstôly
Ry kristianina havana, raha misy olona milaza ho manam-pinoana, nefa tsy manana asa, inona no soa ho azony? Moa hahavonjy azy va izany finoana izany? Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sy tsy manan-kohanina isan'andro, ka ilazan'ny iray aminareo hoe: “Mandehana amim-piadanana, mamindroa sy mivokisa”, nefa tsy omeny izay ilain'ny vatany, inona no soa azony amin'izany? Mba toy izany ihany koa ny finoana, raha tsy omban'asa izy, dia tena maty mihitsy. Hamaly koa ny olona hanao hoe: “Ianao manam-pinoana, hono, ary izaho manana asa koa. Asehoy ahy hoe ny finoanao tsy misy asa; ary izaho kosa haneho aminao ny finoako amin'ny asako.” Ianao mino fa misy Andriamanitra iray; tsara ny ataonao; ny demony koa anefa mino izany, ka mangovitra. Fa moa te-hiaiky va ianao, ry olom-poana, fa tsy vanona ny finoana tsy omban'asa? Moa tsy ny asa va no nanamarinana an'i Abrahama razantsika, tamin'izy nanolotra an'i Isaaka zanany teo ambonin'ny ôtely? Hitanao fa niara-nanao ny finoana sy ny asany; ary ny asa aza no nahatontosa ny finoany. Dia tanteraka ny Soratra Masina hoe: “Ary i Abrahama nino an'Andriamanitra ka notanana ho fahamarinany izany, sady nantsoina hoe sakaizan'Andriamanitra izy.” Hitanao amin'izany fa hamarinina amin'ny asa ny olona, fa tsy amin'ny finoana fotsiny ihany. Toy ny ahafatesan'ny vatana tsy misy fanahy no ahafatesan'ny finoana tsy omban'asa koa.
Sambatra ny olona matahotra ny Tompo, sy mankasitraka fatratra ny didiny!
Ny taranany hahery eto an-tany, ny taranjan'olo-marina tahina.
Fananana sy harena ao an-tranony; ny fahamarinany maharitra mandrakizay.
Ny olo-marina tsiloviny raha maizina: dia ireo izay mangoraka sy antra.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka
Mk. 8, 34-39Tamin'izany andro izany, nantsoin'i Jesoa ny vahoaka mbamin'ny mpianany ka nilazany hoe: “Raha misy te-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy. Fa izay te-hamonjy ny ainy no hahavery azy, ary izay hahafoy azy noho ny fitiavany Ahy sy ny Evanjely no hamonjy azy. Inona ny soa azon'ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy, nefa very ny fanahiny? Sa inona no azon'ny olona omena ho takalon'ny fanahiny? Izay ho menatra Ahy sy ny teniko amin'itý taranaka mpijangajanga sy mpanota itý, dia ho menatra azy koa ny Zanak'Olona rahefa avy amin'ny voninahitry ny Rainy Izy otronin'ny Anjely masina.” Dia hoy koa Izy: “Lazaiko marina aminareo fa ny sasany aminareo eto dia tsy hanandra-pahafatesana raha tsy efa mahita ny fanjakan'Andriamanitra tonga amin'ny voninahitra.”
Fankalazana ny Eokaristia
Hanadio anay sy hanavao anay anie, ry Tompo, izao fanatitra izao, ka hampahazo ny valisoa mandrakizay an'izay miezaka manatanteraka ny sitraponao.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Nihinana ireo zanak'i Israely ka voky, nomen'ny Tompo azy izay niriny, ka afa-diana ny fony.
Ampoky ny sakafo mahafa-po avy any an-danitra izahay, ry Tompo, no mihanta aminao; mba ataovy maniry mandrakariva izay hahazoanay ny tena fiainana marina.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.