Alahady 01 janoary 2034
Fanombohana ny Sorona Masina
RENIN'ANDRIAMANITRA SY MPANJAKAVAVIN'NY FIADANANA I MASINA MARIA
Arahaba, ry Reny Masina, niteraka ilay Mpanjaka Mpifehy ny tany aman-danitra mandrakizay mandrakizay.
Andriamanitra ô, ny hahazoanay ny rakitra soa mandrakizay hahavonjy ny taranak'olombelona no nanomezanao anaka an'i Masina Maria Virjiny, koa mihanta aminao izahay: aoka ho renay fa mitalaho ho anay izy ilay nahazoanay ny Mpahary ny aina, dia i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin'ny Fanahy Masina amin'ny taona rehetra mandrakizay. Amen.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky Fanisana
Tamin'izany andro izany, dia niteny tamin'i Môizy ny Tompo nanao hoe: “Mitenena amin'i Aarôna sy ny zanany hoe: Hitso-drano ny zanak'i Israely ianareo, dia hanao aminy hoe: “Hitahy anao sy hiaro anao anie ny Tompo. Hampamirapiratra ny tavany aminao sy hamindra fo aminao anie ny Tompo. Hanandratra ny tavany aminao sy hanome fiadanana anao anie ny Tompo”. Dia izany no hametrahany ny Anarako amin'ny zanak'i Israely, ary Izaho hitahy azy”.
Andriamanitra anie hiantra sy hitso-drano; hampamiratiny amintsika anie ny Tavany:
ka ny herinao ho fantatra eran-tany, ho hitan'ny firenen-drehetra ny vonjinao!
Hifaly sy hihoby anie ny fokom-pirenena, satria Ianao mitsara ny tany ara-drariny, mitsara ny vahoaka amim-pahamarinana, mitondra ny fokom-pirenena eto an-tany.
Hidera Anao ny vahoaka, ry Andriamanitra, hidera Anao anie ny vahoaka rehetra! Andriamanitra anie hitahy antsika hatrany, ny vazan-tany rehetra anie hatahotra Azy!
Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Galasia
Ry kristianina havana, rehefa feno ny andro, dia nirahin'Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy, sy nateraka teo ambanin'ny Lalàna, mba hanafaka izay teo ambanin'ny Lalàna, sy handraisantsika ny fananganan-janaka. Ary noho ny maha-zanaka anareo, dia nirahin'Andriamanitra ho ao anatin'ny fonareo ny Fanahin'ny Zanany, ka miantso hoe: “Abà, Ray!” Koa tsy mpanompo intsony àry ianareo, fa zanaka, ary rehefa zanaka, dia mpandova koa, noho ny ataon'Andriamanitra.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 2, 16-21Tamin'izany andro izany, dia nandeha haingana nankany Betilehema ny mpiandry ondry ka nahita an'i Maria sy i Jôsefa ary ny Zazakely mandry amin'ny fihinanam-bilona; ary rehefa nahita izy ireo, dia nampiely ny teny nolazaina taminy ny amin'izany Zaza izany. Ary izay rehetra nandre dia gaga avokoa tamin'izay nolazain'ny mpiandry ondry taminy; fa i Maria kosa nitadidy izany zavatra rehetra izany, ka nieritreritra azy tao am-pony. Ary nody ny mpiandry ondry nidera sy nankalaza an'Andriamanitra noho ny zavatra reny sy hitany, araka izay nolazaina taminy. Ary rehefa afaka ny havaloan'andro ka hoforàna ny Zaza dia natao hoe Jesoa no Anarany araka ilay nataon'ny Anjely fony tsy mbola notorontoronina tao an-kibo Izy.
Ry kristianina havana, amin'izao Taom-baovao ifampiarahabantsika tratry ny taona izao, dia mivavaha mba hotahin'Andriamanitra avokoa ny olombelona zanany rehetra mandritra ity taona vaovao ity, ary hoampiany hahita ny tena hasambarana sy fiadanana marina.
Ry Jesoa Kristy Zanak'Andriamanitra ô, i Masina Maria Reninao sy Reninay olombelona dia mahalala izay mahasoa anay sady be fitiavana anay; koa ampianaro izahay noho ny vavaka ataony mba hahay hampifanaraka ny fanirianay sy ny asanay amin'ny sitra-ponao sy ny fitiavanao.
Fankalazana ny Eokaristia
Andriamanitra ô, Ianao no anombohan'ny soa rehetra sy mandavorary azy; koa enga anie izahay ravo mankalaza ny Reny Masin'Andriamanitra ka tretrika misantatra ny fahasoavanao mba ho faly henika izany fahasoavana izany mandrakizay.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, ary ny mankasitraka Anao sy midera Anao amin'izao andro fankalazana ny maha-Reny an'i Masina Maria Virjiny izao.
Nalofan'ny Fanahy Masina izy ka nanana ny Zanakao Lahy tokana: ary voatahiry ny voninahitra maha-virjiny azy, fony izy nanome an'izao tontolo izao Ilay Fahazavana mandrakizay, dia i Jesoa Kristy Tomponay.
Ilay ideran'ny Anjely Anao avo indrindra, itsaohan'ny Fiandrianana Anao, anajan'ny Fahefana Anao amin-tahotra, ary iarahan'ny lanitra sy ny herin'ny lanitra ary ny Serafima sambatra sy ravo mankalaza ny voninahitrao. Mihanta aminao izahay, avelao hikambana amin'ny feon'izy ireo ny feonay hihoby Anao sy hitalaho manao hoe: Masina, Masina, Masina...
I Jesoa Kristy tsy miova, omaly sy anio ary mandrakizay.
Faly nandray Kômonio izahay, ry Tompo, ka mihanta aminao: enga anie izany Sakramenta izany ho antoky ny fiainana mandrakizay ho anay mankalaza sy manome voninahitra an'i Masina Maria Virjiny, Renin'ny Zanakao sy Renin'ny Eglizy.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.