Alahady 18 desambra 2033
Fanombohana ny Sorona Masina
INDRO TONGA NY MPAMONJY, EO AFOVOANTSIKA
Arotsahy avy any ambony ny andonao, ry lanitra, ary aoka ny rahona hampidina ilay Marina toy ny ranon'orana, ary ny tany hisokatra hipoiran'ny Mpamonjy.
Mihanta aminao izahay, ry Tompo: arotsahy ao am-ponay ny fahasoavanao; ary satria nolazain'ny Anjely ka fantatray fa tonga nofo i Kristy Zanakao, dia aoka ny nijaliany sy ny nahafatesany hahamendrika anay hitsangan-ko velona amim-boninahitra.
Amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka… Amen.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Mikea Mpaminany
Izao no lazain'ny Tompo: Ary ianao, ry Betilehema Efratà, kely tsy tokony ho isan'ireo arivon'i Jodà akory, avy aminao no hivoaka ho Ahy Ilay tsy maintsy hanjaka amin'i Israely, ary ny niandohany dia efa hatramin'ny andro fahagola, hatramin'ny andro mandrakizay. Koa noho izany, dia hanolotra an'ireny Izy mandra-piavin'ny fotoana hiterahan'ilay tsy maintsy miteraka; ary ny sisa amin'ny rahalahiny dia hiverina amin'ny zanak'i Israely. Ho mafy fijoro Izy, ka hiandry ny ondriny, amin'ny herin'ny Tompo, amin'ny fiandrianan'ny Anaran'Andriamanitra Tompony; ary handry feizay ny olona, fa ho lehibe Izy amin'izay, hatrany amin'ny faran'ny tany. Izy no ho fiadanana.
Mandrenesa, ry Mpiandry an'i Israely, ry mpitondra an'i Jôsefa ho toy ny ondry. Eny, fohazy ny herinao, tongava hamonjy anay.
Ry Andriamanitry ny tafika ô, miverena, mitsinjova avy any an-danitra, jereo ilay foto-boaloboka, karakarao ilay nambolen'ny tananao.
Ny tananao, homba an'ilay olona fiaronao, ilay zanak'olombelona omenao ny herinao. Izahay tsy handao Anao intsony; velomy izahay hiantso ny Anaranao.
Taratasy ho an'ny kristianina Hebrio
Ry kristianina havana, rehefa tonga tamin'izao tontolo izao i Kristy dia nanao hoe: “Tsy nilainao ny sorona sy ny fanatitra, fa namboatra vatana ho Ahy Ianao; tsy sitrakao ny sorona dorana sy ny sorona noho ny ota, ka hoy Aho hoe: Inty Aho tonga — fa Izaho no voalaza ao amin'ny horonam-boky — hanao ny sitra-ponao, Andriamanitra ô!” Voalohany aloha lazainy hoe: Samy tsy nilainao sy tsy sitrakao na ny fanatitra na ny sorona dorana, na ny sorona noho ny ota, — dia zavatra natolotra araka ny Lalàna avokoa ireny; — manaraka izany tohiziny hoe: Inty Aho tonga hanao ny sitra-ponao; ka manafoana ny voalohany Izy amin'izany mba hanorenany ny faharoa, ary ny herin'izany sitra-po izany no nanamasinana antsika, tamin'ny nanoloran'i Jesoa Kristy ny Vatany indray mandeha monja.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 1, 39-45Tamin'izany andro izany, niainga i Maria, ka nandeha haingana ho any amin'ny tany be tendrombohitra, ho any an-tanàna anankiray any Jodà, ary niditra tao an-tranon'i Zakaria ka niarahaba an'i Elizabeta. Nony vao ren'i Elizabeta ny fiarahaban'i Maria azy, dia nientana ny zaza tao an-kibony, ary feno ny Fanahy Masina i Elizabeta, ka nanandra-peo niantso mafy hoe: “Nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao; ary nosoavina ny hateraky ny kibonao. Ary avy aiza amiko izao no mba vangian'ny Renin'ny Tompoko aho? Fa indro raha vao ren'ny sofiko ny feonao niarahaba ahy, dia nientan-kafaliana ny zaza tato an-kiboko. Ary sambatra ilay nino fa ho tanteraka izay nampilazain'Andriamanitra taminy!”
Ry kristianina havana, tsy fantatr'ireo mpiara-belona taminy ny fihaonan'i Maria sy i Elizabeta; fa isika mahalala ny Mesia no miaraha mangataka mba ho hitan'izao tontolo izao miharihary ny fahatongavany ankehitriny.
Andriamanitra Andriananahary ô, Ianao naniraka ny Zanakao Lahy tokana teto amin'izao tontolo izao, mba hamonjy ny olombelona; koa ampio izahay ho faly handray Azy, sy handray ny fahasoavanao ary hitondra izany eo amin'ny manodidina anay.
Fankalazana ny Eokaristia
Tompo ô, enga anie ireto fanatitra eto ambonin'ny ôtelinao ireto mba hohamasinin'ny herin'ny Fanahy Masina nanaloka an'i Masina Maria.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Indro ilay Virjiny fa hitoe-Jaza, ka hiteraka Zazalahy ary ny anarany hatao hoe Emanoela.
Enga anie, ry Tompo, hahazoanay hery ny nahaterahan'ny Zanakao Lahy tokana fa manafaka hanoanana anay amin'ny sakafo avy any an-danitra.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.