Asabotsy 19 novambra 2033

Asabotsy Fahatelo amby telopolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

SABOTSY

Tononkira fidirana Jer. 29, 11. 12. 14

Ny hevitro, hoy ny Tompo, dia hevitra hampiadana fa tsy hampahory. Hiantso Ahy ianareo ary hihaino anareo Aho: hampodìko avy any amin'ny tany rehetra ny babo aminareo.

Fangatahana

Ho faly manompo Anao mandrakariva anie izahay, ry Tompo Andriamanitra, fa mandrakizay sady feno ny hasambarana omaninao ho anay raha maharitra manompo Anao fototra iavian'ny soa rehetra izahay.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany 1 Makab. 6, 1-13

Boky voalohan'i Makabeo

« Noho ny ratsy nataoko tany Jerosalema, dia ho faty amin'alahelo lehibe aho. »

Tamin'izany andro izany, i Antiôkosa mpanjaka, nitety ireo faritany avo. Nony reny fa any Persa, any amin'i Elimaida, misy tanàna anankiray malaza amin-karena, be volafotsy sy volamena, manan-tempoly be zava-tsarobidy, misy fiadiana volamena, fiarovan-tratra, fiadiana navelan'i Aleksandra, zanak'i Filipo, mpanjakan'i Masedoàna, ilay nanjaka voalohany tamin'ny Greka, dia nankany izy, ka nitady haka sy hamabo ny tanàna, kanjo tsy nahomby izy, fa fantatr'ireo tompon-tanàna ny fikasany. Nitsangan-kiady aminy ireo, dia vaky nandositra izy, sy nihataka tamin'alahelo lehibe, hiverina ho any Babilôna.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 9, 2-3. 4 sy 6. 16b sy 19
Fiv.: Hifaly amin'ny famonjenao aho, Tompo!

Midera ny Tompo amin'ny foko tontolo aho, mitanisa ny asanao mahagaga rehetra, mifaly sy miravo ao aminao, miantsa ny Anaranao, ry Avo indrindra.
Rafitra mianòtra ny fahavaloko, mivena sy ringana anoloanao. Faizinao ireo firenena; aringanao ny olon-dratsy; ny anarany kosehinao ho faty mandrakizay!
Ireo firenena, lavo an-kady nohadìna; ny tongony, voasingotry ny harato nafenina! Ny mahantra kosa tsy ho hadino lalandava; ny fanantenan'ny ory tsy ho diso mandrakizay.

Aleloia. Aleloia.
Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 20, 27-40
« Tsy mba Andriamanitry ny maty Izy fa an'ny velona. »

Tamin'izany andro izany, nanatona an'i Jesoa ny sasany tamin'ny Sadoseanina, izay mandà ny fitsanganan'ny maty, ka nanontany Azy nanao hoe: “Ry Mpampianatra ô, i Môizy nanome lalàna ho antsika hoe: Raha misy lehilahy manambady ka maty momba, dia aoka ny rahalahiny hampakatra ny vadiny, mba hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny. Koa nisy olona fito mirahalahy, ary nanambady ny zokiny, ka maty momba. Dia nanambady an-dravehivavy ny faharoa, fa maty momba koa. Nanaraka izany dia nanambady azy indray ny fahatelo, ary nanao toy izany avokoa izy fito mirahalahy, fa maty momba daholo. Farany, dia maty koa ravehivavy. Koa ho vadin'iza ravehivavy raha mby amin'ny fitsanganan'ny maty? fa efa samy nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie izao Sorona atolotray eo anatrehanao avo indrindra izao hahafahanay miraiki-po aminao ary hahatongavanay any amin'ny fiainana mandrakizay.

Kômonio Sal. 72, 28

Ny ahy ny hasambarako dia eo anilan'Andriamanitra. Ny Tompo no ataoko fifefena.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Nandray ny fanomezana avy amin'ny Sorona masina izahay, ry Tompo, no mihanta aminao: enga anie ny Sorona nasain'ny Zanakao atao ho fahatsiarovana Azy hampitombo ny fitiavanay Anao.