Alakamisy 17 novambra 2033
Fanombohana ny Sorona Masina
Ny hevitro, hoy ny Tompo, dia hevitra hampiadana fa tsy hampahory. Hiantso Ahy ianareo ary hihaino anareo Aho: hampodìko avy any amin'ny tany rehetra ny babo aminareo.
Ho faly manompo Anao mandrakariva anie izahay, ry Tompo Andriamanitra, fa mandrakizay sady feno ny hasambarana omaninao ho anay raha maharitra manompo Anao fototra iavian'ny soa rehetra izahay.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky voalohan'i Makabeo
Tamin'izany andro izany, dia tonga tao Môdìna handahatra fanaovan-tsorona ireo manam-boninahitry ny mpanjaka, nomena raharaha hanery ny olona hivadika. Israelita maro be no nomba azy ireo; ary i Matatiasa sy ireo zanany dia nivory ihany koa. Niteny tamin'i Matatiasa ireo irak'i Antiôkosa, ka hoy izy taminy: “Ianao eto an-tanàna no lohany indrindra voahaja sy mahamena-maso mihoatra noho ny sisa rehetra ary maro zanaka aman-drahalahy. Koa ianao no aoka hanatona voalohany, hanatanteraka ny didin'ny mpanjaka toraky ny efa nataon'ny firenena rehetra, sy ny lehilahy amin'i Jodà, mbamin'ireo tafajanona any Jerosalema, dia ho anisan'ny sakaizan'ny mpanjaka avokoa ianao sy ny ankohonanao, samy hahazo firavaka volamena amam-bolafotsy sy fanomezana maro ianao mbamin'ireo zanakao.”
Ny Tompo Andriamanitra lehibe manaika ny tany tontolo: dia izay iposahan'ny andro ka hatrany amin'izay ilentehany. Indro Andriamanitra mamiratra ao Siôna fanaperan-tsoa!
Vorio eto amiko ny mpivavaka amiko izay nifanaiky tamiko tamin-tsorona. Ny fahamarinany ambaran'ny lanitra. Eny, Andriamanitra no Ilay Mpitsara.
Ny saotra atao fanatitra ho an'Andriamanitra; ny voadinao, tovina ho an'ny Avo indrindra. Dia antsoy Aho amin'ny andro fahoriana, fa hanafaka sy hampipetraka amin'ny fanasana!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 19, 41-44Tamin'izany andro izany, nony mby akaiky an'i Jerosalema i Jesoa dia nitomany azy nanao hoe: “Raha izay kosa manko ianao no mba nahalala izay hampiadana anao, na dia amin'itý andro nomena anao itý ihany aza! Fa takona ny masonao izany ankehitriny. Ka ho avy aminao ny andro hanaovan'ny fahavalonao hady manodidina anao; hosaronany ianao sy hotereny hatraiza hatraiza, ary hofongorany hatramin'ny tany mbamin'ny zanakao eo anatinao ka tsy havelany hisy vato mifanongoa eo aminao, satria tsy nahalala ny andro namangiana anao ianao.”
Fankalazana ny Eokaristia
Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie izao Sorona atolotray eo anatrehanao avo indrindra izao hahafahanay miraiki-po aminao ary hahatongavanay any amin'ny fiainana mandrakizay.
Ny ahy ny hasambarako dia eo anilan'Andriamanitra. Ny Tompo no ataoko fifefena.
Nandray ny fanomezana avy amin'ny Sorona masina izahay, ry Tompo, no mihanta aminao: enga anie ny Sorona nasain'ny Zanakao atao ho fahatsiarovana Azy hampitombo ny fitiavanay Anao.