Talata 15 novambra 2033

Talata Fahatelo amby telopolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Jer. 29, 11. 12. 14

Ny hevitro, hoy ny Tompo, dia hevitra hampiadana fa tsy hampahory. Hiantso Ahy ianareo ary hihaino anareo Aho: hampodìko avy any amin'ny tany rehetra ny babo aminareo.

Fangatahana

Ho faly manompo Anao mandrakariva anie izahay, ry Tompo Andriamanitra, fa mandrakizay sady feno ny hasambarana omaninao ho anay raha maharitra manompo Anao fototra iavian'ny soa rehetra izahay.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Makabeo 6, 18-31

Boky Faharoan'i Makabeo

« Ohatra ambony no havelako raha hiatrika ny fahafatesana amin-kerim-po noho ny lalàna mendrika hohajaina aho. »

Tamin'izany andro izany, i Eleazara iray amin'ireo mpampiana-dalàna ambony, izay lehilahy efa nandroso taona, sy niendrik'andriana indrindra, dia nosokafana an-keriny ny vavany noterena hihinan-kena kisoa. Kanefa naleony maty be voninahitra toy izay velona ho olo-meloka; naloany ny hena, dia nandroso an-tsitrapo ho any amin'ny fampijaliana izy; toy ny tsy maintsy androsoan'izay manan-kerim-po handoa ny voarara tsy hohanina, noho ny fitiavana ny aina. Nifankahazo tamin'i Eleazara hatra ny ela kosa ireo voatendry hitarika izany fisoronana manohitra ny lalàna izany, ka nalainy mangingina izy, novokisany hampaka hena azo hanina sy nandrahoin'ny tenany ihany ary hody hihinana ny hena natao sorona, araka ny nandidian'ny mpanjaka; satria rahefa vitany izany, dia ho afaka amin'ny fahafatesana izy, ka hahita soa amin'ny famindram-po ataon'izy ireo noho ny fisakaizany taminy efa ela be. Fa izy kosa nandinidinika tamim-pahendrena, araka izay nety, ny taonany sy ny fanajana ambony tandrifin'ny fahanterany, ampian'ny volony fotsy be voninahitra sy toe-piainana mendrika indrindra narahiny hatramin'ny fahazazana, ary indrindra ny lalàna masina naorin'Andriamanitra mihitsy; ka noho izany ny handefasana azy haingana any amin'ny fonenan'ny maty, no navaliny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 3, 2-3. 4-5. 6-7
Fiv.: Manohana ahy ny Tompo.

Tompo ô! drey itý hamaroan'ny rafiko sy ireo mitsangan-kanohitra ahy, sy ireo mikendry ny aiko: fa tsy vonjen'Andriamanitra, hono, aho!
Kanjo Ianao, ry Tompo, no Mpanao soa ahy. Voninahitro, Mpanatràka ny lohako! Izaho niantso ka niantso ny Tompo: Izy nanoina tany am-Bohiny Masina!
Izaho mandry, dia matory, dia mifoha: fa ny Tompo manohana ahy! Tsy atahorako izay vahoaka alinalina manemitra ahy hatraiza hatraiza!

Aleloia. Aleloia.
Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin'ny fahamarinana izahay.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 19, 1-10
« Hitady sy hamonjy ny very no nahatogavan'ny Zanak'o!ona. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa, rahefa niditra tao Jerikao, dia namaky ny tanàna. Ary indro nisy lehilahy anankiray atao hoe i Zake, lehiben'ny poblikanina sady mpanan-karena, nitady hahita an'i Jesoa mba hahalala Azy, fa tsy afaka noho ny habetsahan'ny olona, satria fohy izy. Koa nihazakazaka nialoha izy, dia nianika amontana anankiray hitazana Azy, fa eo no handalovany. Nony mby teo i Jesoa dia niandrandra ka nahita azy, ary nanao taminy hoe: “Ry Zake, midina haingana, fa tsy maintsy hiantrano ao aminao Aho anio.” Dia nidina haingana izy ka nandray Azy tamin-kafaliana. Ary nony nahita izany ny olona, dia nimonomonona nanao hoe: “Lasa niditra any an-tranon'ny mpanota Izy.” Fa i Zake kosa nijoro nanao tamin'ny Tompo hoe: “Tompoko, indro ny antsasaky ny fananako omeko ny mahantra, ary raha misy zavatr'olona nalaiko tsy an-drariny dia honerako inefatra hoatra azy.” Dia hoy i Jesoa taminy: “Tonga amin'itý trano itý androany ny famonjena, satria zanak'i Abrahama koa itý lehilahy itý, fa ny hitady sy hamonjy ny very no nahatongavan'ny Zanak'Olona.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie izao Sorona atolotray eo anatrehanao avo indrindra izao hahafahanay miraiki-po aminao ary hahatongavanay any amin'ny fiainana mandrakizay.

Kômonio Sal. 72, 28

Ny ahy ny hasambarako dia eo anilan'Andriamanitra. Ny Tompo no ataoko fifefena.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Nandray ny fanomezana avy amin'ny Sorona masina izahay, ry Tompo, no mihanta aminao: enga anie ny Sorona nasain'ny Zanakao atao ho fahatsiarovana Azy hampitombo ny fitiavanay Anao.