Alahady 13 novambra 2033
Fanombohana ny Sorona Masina
HIVERINA I KRISTY AMIN'NY FARANDRO
Ny hevitro, hoy ny Tompo, dia hevitra hampiadana fa tsy hampahory. Hiantso Ahy ianareo, ary hihaino anareo Aho: hampodiko avy any amin'ny tany rehetra ny babo aminareo.
Ho faly manompo Anao mandrakariva anie izahay, ry Tompo Andriamanitra, fa mandrakizay sady feno ny hasambarana nomaninao ho anay, raha maharitra manompo Anao fototra iavian'ny soa rehetra izahay.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Daniely Mpaminany
Amin'izany andro izany, hitsangana i Misely ilay filoha ambony, izay miandany amin'ny zanaky ny firenenao, ka amin'izany no ho androm-pahoriana tsy mbola nisy toa azy, hatrizay nisian'ny firenena, ka hatramin'izany andro izany. Amin'izay dia ho voavonjy ny firenenao, dia izay rehetra hita voasoratra eo amin'ny boky. Ary maro amin'ireo mandry ao amin'ny vovo-tany no hifoha: ny sasany ho amin'ny fiainana mandrakizay; fa ny sasany ho amin'ny latsa amam-panariana mandrakizay. Izay ho efa hendry hamirapiratra hoatra ny famirapiratry ny lanitra; ary izay ho efa nitarika ny maro ho amin'ny fahamarinana, ho tahaka ny kintana mandrakizay.
Ny Tompo ny ahy no zara lovako; Ianao no rakitro mateza. Ataoko eo anoloana hatrany ny Tompo, izaho tsy hiala eo ankavanany.
Koa faly ny foko, ravo ny fanahiko, ny nofoko avy no mandry amin-toky. Ny fanahiko tsy hafoinao ho any an-tSeoly, ity sakaizanao tsy hekenao hahita ny hady.
Fa ny lalan'ny fiainana no hatoronao ahy: hafenoam-pifaliana eo anoloanao, hafinaretan-dava eo ankavananao.
Taratasy ho an'ny kristianina Hebrio
Ry kristianina havana, ny mpisorona rehetra dia mijoro isan'andro hanao ny raharahany, sy manolotra matetika ireny sorona tsy nahafa-pahotana akory ireny, fa i Kristy kosa indray mandeha monja no nanolotra sorona noho ny ota, dia mipetraka mandrakizay eo ankavanan'Andriamanitra; ka hatramin'izao Izy dia miandry ny hanaovana ny fahavalony ho fitoeran-tongony rahatrizay. Fanatitra iray monja dia ampy handavorariany mandrakizay izay nohamasininy; ka rehefa voavela ny fahotana, dia tsy ilaina intsony ny sorona noho ny ota.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka
Mk. 13, 24-32Tamin'izany andro izany i Jesoa niteny tamin'ny mpianany ny amin'ny hiverenany nanao hoe; “Amin'izany andro izany, rehefa afaka ireo fahoriana lehibe, ny masoandro hihamaizina, ny volana tsy hazava intsony, ny kintana any an-danitra hiraraka, ary ny herin'ny lanitra hihozongozona. Dia ho hita amin'izay ny Zanak'olona avy eo ambonin'ny rahona amin-kery lehibe sy voninahitra. Amin'izay Izy dia haniraka ny Anjely ary hanangona ny olom-pinidy avy amin'ny vazan-tany efatra, hatramin'ny faran'ny tany ka hatramin'ny faran'ny lanitra. Alaovy ho fanoharana ny aviavy. Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa antomotra ny fahavaratra. Toy izany koa, rehefa hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia fantaro fa efa antomotra mby eo am-baravarana Izy. Lazaiko marina aminareo fa tsy ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan'izany rehetra izany. Ho levona ny tany aman-danitra, fa ny teniko tsy mba ho levona. Izany andro sy ora izany anefa, dia tsy misy mahalala, na ny Anjely any an-danitra, na ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany.
Ry kristianina havana, indray andro any ho tonga ny farany hanapitra ny tantaran'izao tontolo izao, ary dia ho raikitra amin'izay kosa ny Fanjakan'i Kristy amin'ny olombelona rehetra sy amin'ny voaary tontolo; koa mangataha amin'Andriamanitra mba ho izany andro haharitra mandrakizay izany no hokendrentsika amin'izay rehetra ataontsika.
Jesoa ô, ampio izahay tsy hatahotra ny fahafatesana fa hahatsiaro kosa fa io no andro hihaonanay aminao, ary efa omanin'ny Ray amin'ny andro sy ny fotoana tiany.
Fankalazana ny Eokaristia
Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie izao Sorona atolotray eo anatrehanao Avo indrindra izao hahafahanay miraiki-po aminao ary hahatongavanay any amin'ny fiainana mandrakizay.
Ny ahy ny hasambarako dia eo anilan'Andriamanitra. Ny Tompo no ataoko fifefena.
Nandray ny fanomezana avy amin'ny Sorona masina izahay, ry Tompo, no mihanta aminao: enga anie ny Sorona nasain'ny Zanakao atao ho fahatsiarovana Azy, hampitombo ny fitiavanay Anao.
Fa Izy velona sy manjaka amin'ny taona mandrakizay. Amen.