Alakamisy 10 novambra 2033

Alakamisy Faharoa amby telopolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 87, 3

Ho tonga eo anoloanao anie ny fivavahako; manongilàna sofina amin'ny antsoko, ry Tompo!

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, mba esory lavitra anay izay rehetra manampontsampona anay, ka rahefa afa-doza ny fanahy amam-batanay dia ho afaka manatontosa an-tsakany sy an-davany ny adidy rehetra aminao izahay.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Fahendrena 7, 22 — 8, 1

Boky Fahendrena

« Famirapiratan'ny fahazavana mandrakizay ny fahendrena ary fitaratry ny fahefan'Andriamanitra tsy misy pentina. »

Ao amin'ny Fahendrena dia misy fanahy manan-tsaina, masina, tokana, maro asa, tsy miharo vatana, mavitrika, maninteraka, tsy misy loto, tsy mety diso, tsy mety mijaly, tia ny tsara, mahira-tsaina, tsy mahalala sampona, manao soa, tsara fo ho an'ny olombelona, tsy manam-piovana, matoky, miadana, mahefa ny zavatra rehetra, mitandrina ny zavatra rehetra, maninteraka ny fanahy rehetra, ny manan-tsaina, ny madio, ary ny faran'izay maranitra indrindra. Fa kinga noho ny fihetsehana rehetra ny Fahendrena, maninteraka sy misisika amin'ny zavatra rehetra izy, noho ny hadiovany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 118, 89. 90. 91. 130. 135. 175
Fiv.: Mandrakizay ny teninao, ry Tompo.

Mandrakizay ny teninao, ry Tompo: eny, mateza toy ny lanitra. Amin'ny taona mifandimby ny fahamarinanao, tsara fijoro toy ny tany izay naorinao.
Noho ny fitsaranao, dia maharitra mandraka androany ny zava-drehetra izay samy mpanomponao! Vavahady mazava ny teninao, sy mampahazo fahalalana ny olon-tsotra!
Asehoy ny mpanomponao ny tavanao; ampianaro ahy ny fitsaranao! Veloma anie ny aiko hiderako Anao! Ary hitahy ahy anie ny Fitsaranao.

Aleloia. Aleloia.
Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin'ny Ray afa-tsy amin'ny alalako.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 17, 20-25
« Indro ao anatinareo ny fanjakan'Andriamanitra. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa nanontanian'ny Farisianina izay andro hiavian'ny fanjakan'Andriamanitra, ka namaly hoe: “Tsy mba manetriketrika fiavy ny fanjakan'Andriamanitra, ary tsy hataon'ny olona hoe: Indro atý na arý izy; fa indro ao anatinareo ny fanjakan'Andriamanitra.” Dia hoy koa Izy tamin'ny mpianany: “Ho avy ny andro hanirianareo hahita ny anankiray amin'ny andron'ny Zanak'Olona, fa tsy hahita ianareo. Hilazan'ny olona ianareo fa hoe: Indro erý, na indro etý; nefa aza mankany ianareo, na manaraka izany akory. Fa tahaka ny fanjelatry ny hela-baratra miserana ny faravodilanitra hatramin'ny lafiny iray ka hatrany amin'ny lafiny hafa, dia ho tahaka izany koa no fiavin'ny Zanak'Olona amin'ny androny. Fa tsy maintsy hijaly mafy aloha Izy sy holavin'itý taranaka itý.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Tompo ô, topazo maso miantra ireto fanatitra ireto fa ankalazanay ny nijalian'ny Zanakao; ka fo feno fitiavana anie no handraisanay ny hasina avy aminy.

Kômonio Sal. 22, 1-2

Ny Tompo no Mpiandry ahy: tsy misy mahaory ahy; ampiraotiny amin'ny vilo-maitso aho, entiny amin'ny rano manala sasatra.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Velom-pisaorana Anao izahay, ry Tompo, fa nofahananao tamin'ny fanomezana masina, koa mihanta aminao; enga anie hirotsaka aminay ny Fanahinao ary hahitsy fo hatrany izahay fa efa nandray ny hery avy any an-danitra.