Alakamisy 27 oktobra 2033

Alakamisy Fahatelopolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 105, 3-4

Miravoa ianareo mitady ny Tompo. Katsaho ny Tompo, dia hahery ianareo. Tadiavo lalandava ny hahita ny tavany.

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ampio izahay hitombo finoana sy fanantenana ary fitiavana, ary ataovy mankamamy ny didinao hahamendrika anay hahazo ny soa nampanantenainao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Rôm. 8, 31b-39

Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Rôma

« Tsy misy zava-boaary hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra izay ao amin'i Kristy. »

Ry kristianina havana, raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika? Izy tsy nandala ny tena Zanany, fa nahafoy Azy ho antsika rehetra, ka ahoana no tsy hanomezany antsika ny zavatra rehetra koa miaraka aminy? Iza no hiampanga an'izay voafidin'Andriamanitra? Andriamanitra no manamarina azy ka zovy no hanameloka? Moa i Kristy va, Ilay efa maty, fa nitsangan-ko velona, sy mipetraka eo an-kavanan'Andriamanitra ary mifona ho antsika? Koa iza àry no hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'i Kristy? Fahoriana va, sa fahaterena, sa fanenjehana, sa fahanoanana, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra? Araka ny voasoratra hoe: Ianao no amonoana anay isan'andro: mova tsy ny ondry famono no fihevitry ny olona anay. Amin'izany rehetra izany anefa, dia mihoatra noho ny mpandresy isika, amin'ny alalan'Ilay tia antsika. Satria matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na Anjely na ireo fifehezana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na ireo fahefana, na ny any ambony, na ny any ambany, na zava-boaary hafa, dia tsy hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra izay ao amin'i Kristy Jesoa Tompontsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 108, 21-22. 26-2 7. 30-31
Fiv.: Vonjeo araka ny hatsaram-ponao aho, ry Tompo.

Fa Ianao, ry Tompo, manasoava noho ny Anaranao! Manafaha araka ny hasoan'ny hatsaram-ponao: fa mahantra sy mijaly aho, ory fo ato anatiko.
Ampio aho, ry Tompo Andriamanitro! Vonjeo araka ny hatsaram-ponao! Aoka ho fantany fa ny tananao izao; fa Ianao, ry Tompo, no nanao an'izao.
Fa izaho hisaotra ny Tompo eran'ny fo, eran'ny vava; sy hidera Azy eo afovoan'olo-maro: noho Izy mijoro ankavanan'ny mahantra, mba hamonjy azy amin'izay manameloka!

Aleloia. Aleloia.
Niantso antsika tamin'ny alalan'ny Evanjely Andriamanitra, mba hahazoantsika ny voninahitr'i Jesoa Kristy Tompontsika.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 13, 31-35
« Tsy mety raha mpaminany ka dia vonoina any ivelan'i Jerosalema. »

Tamin'izany andro izany, dia nisy Farisianina sasany nanatona an'i Jesoa, ka nanao taminy hoe: “Mandehana miala eo Ianao, fa tadiavin'i Herôda hovonoina.” Dia hoy Izy tamin'ireo: “Mandehana lazao amin'izany amboadia izany hoe: Indro mandroaka demony sy manasitrana marary Aho anio sy rahampitso, fa amin'ny andro fahatelo vao ho tanteraka ny amiko. Kanefa tsy maintsy tohiziko ihany ny diako anio sy rahampitso ary rahafakampitso; satria tsy mety raha mpaminany ka dia hovonoina ivelan'i Jerosalema. Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay irahina aminao, impiry re no nitadiavako hamory ny zanakao tahaka ny reniakoho mambomba ny zanany eo ambany elany, fa tsy nety ianareo! Ary indro fa avela aminareo ny tranonareo. Fa lazaiko aminareo fa tsy hahita Ahy intsony ianareo ambara-pilazanareo hoe: Hosoavina anie Ilay avy, amin'ny Anaran'ny Tompo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Topazo maso, ry Tompo, ireto fanatitra atolotray Anao Avo indrindra, ka ny voninahitrao anie no ho voalohany kendrenay amin'ny fanompoam-pivavahana ataonay.

Kômonio Sal. 19, 6

Novonjenao izahay ka hihoby Anao sy hirebika amin'ny Anaranao Andriamanitray.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Ho tanteraka aminay anie, ry Tompo, izay ambaran'ny Sakramentanao, ka ny ankalazainay amin'ny endri-javatra ankehitriny anie mba tena ho azonay any ankoatra.