Talata 25 oktobra 2033

Talata Fahatelopolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 105, 3-4

Miravoa ianareo mitady ny Tompo. Katsaho ny Tompo, dia hahery ianareo. Tadiavo lalandava ny hahita ny tavany.

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ampio izahay hitombo finoana sy fanantenana ary fitiavana, ary ataovy mankamamy ny didinao hahamendrika anay hahazo ny soa nampanantenainao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Rôm. 8, 18-25

Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Rôma

« Indrakindrafana be ihany ny zava-boaary rehetra miandry ny fampisehoana ireo zanak'Andriamanitra. »

Ry kristianina havana, ataoko fa ny fahorian'izao fiainana izao dia tsy azo oharina amin'ny voninahitra ho avy izay haseho amintsika. Fa indrakindrafana be ihany ny zava-boaary rehetra miandry ny fampisehoana ireo zanak'Andriamanitra; satria izao zava-boaary rehetra izao dia natao mpanompo ny zava-poana, tsy araka ny nahiny, fa noho Ilay nampanompo azy, nefa nahazo fanantenana fa izy aza dia hoalàna amin'ny fanandevozam-pahalovana ho amin'ny fahafahana amam-boninahitr'ireo zanak'Andriamanitra. Fa fantatsika fa, mandraka ankehitriny, dia miara-misento sy mijaly toy ny mihetsi-jaza izao zava-boaary rehetra izao. Ary tsy izy ihany, fa na isika efa manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy koa aza, dia misento ao anatintsika ao, miandry ny fananganan-janaka amam-panavotana ny vatantsika. Fa vao amin'ny fanantenana fotsiny no nahavoavonjy antsika. Ary ny mahita izay antenaina, dia tsy mba manantena intsony, fa efa hitany ka ahoana indray no hanantenany? Fa raha ny tsy hita no antenaintsika, dia miandry amim-paharetana isika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 125, 1-2ab. 2de-3. 4-5. 6
Fiv.: Lalina tokoa ny nataon'ny Tompo taminay.

Raha nampody ny babo tamin'i Siôna ny Tompo, dia ohatra nanonofy izahay! Tonga feno hehy ny vavanay; feno hira ny lelanay!
Tamin'izay ireo firenena nitakoritsika hoe: Lalina itý nataon'ny Tompo taminy! Lalina tokoa ny nataon'ny Tompo taminay: ka faly moa izahay!
Ampodio, ry Tompo, ny babo taminay, toy ny ranotrambo any Atsimo! Izay mamafy amin-dranomaso, no mijinja amin-kira.
Eny tokoa, raha mandroso no tomany manipy ny voa. Fa nony miverina, velona akora milanja ny vokatra!

Aleloia. Aleloia.
Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 13, 18-21
« Ny voan-tsinapy nambolena tonga hazo. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny hoe: “Ny inona no tahaka ny fanjakan'Andriamanitra, ary ny inona no hanoharako azy? Tahaka ny voan-tsinapy izy izay nalain'ny olona ka namboleny tamin'ny tanimboliny, dia nitombo ka tonga hazo, ary nitoeran'ny voromanidina ny rantsany.” Dia hoy indray Izy: “Inona no hanoharako ny fanjakan'Andriamanitra? Tahaka ny lalivay izay nalain'ny vehivavy anankiray izy, ka nampifangaroiny tamin'ny lafarinina intelon'ny famarana mba hampibohaka ny koban-dafarinina rehetra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Topazo maso, ry Tompo, ireto fanatitra atolotray Anao Avo indrindra, ka ny voninahitrao anie no ho voalohany kendrenay amin'ny fanompoam-pivavahana ataonay.

Kômonio Sal. 19, 6

Novonjenao izahay ka hihoby Anao sy hirebika amin'ny Anaranao Andriamanitray.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Ho tanteraka aminay anie, ry Tompo, izay ambaran'ny Sakramentanao, ka ny ankalazainay amin'ny endri-javatra ankehitriny anie mba tena ho azonay any ankoatra.