Alatsinainy 17 oktobra 2033

Alatsinainy Fahasivy amby roapolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

ALATSINANY

Tononkira fidirana Sal. 16, 6. 8

Tompo ô, miantso aho, ka valio: atongilano ny sofinao ka henoy aho! Ambeno toy ny anakandriamaso aho; alofy ao ambany elatrao.

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ataovy miraiki-po lalandava aminao izahay, hanompo Anao avo indrindra amin'ny fonay tokoa.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Rôm. 4, 20-25

Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Rôma

« Ary tsy ho azy ihany no nanoratana, fa notanana ho fahamarinana izany, fa ho antsika koa. »

Ry kristianina havana, tsy nasian'i Abrahama fisalasalana na ahiahy kely akory ny teny napetrak'Andriamanitra taminy, fa nampaherezin'ny finoana izy, ka nanome voninahitra an'Andriamanitra tamin'ny fitokiana mafy Azy ho mahay manatanteraka ny zavatra rehetra nampanantenainy; koa notanana ho fahamarinany izany. Ary tsy ho azy ihany no nanoratana fa notanana ho fahamarinana izany; fa ho antsika izay hitanana izany koa, dia isika izay mino an'Ilay nanangana ho velona an'i Jesoa Kristy Tompontsika, izay natolotra noho ny fahadisoantsika, ary nitsangana indray mba ho fanamarinana antsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo: Lk. 1, 69-70a. 70b-71. 72-74a. 74b-75
Fiv.: Isaorana ny Tompo Andriamanitr'i Israely noho Izy namangy sy nanavotra ny olony.

Nanolotra antsika herim-pamonjena Izy, avy amin'ny fianakaviana iray; dia ny an'i Davida mpanompo tiany. Fa izany tokoa no efa nolazainy.
Fa teniny nentin'ny mpaminany, dia ireo olo-masiny fahagola. Ny vonjiny hanala amin'ny fahavalo, hanafaka antsika amin'ny mpankahala.
Noho Izy nandala ny Razantsika, dia indro tsaroany ny fanekeny. Fa teny nomeny an'i Abrahama ny hanafaka antsika amin'ny fahavalo.
Amin'izay isika afa-manompo Azy, tsy anatin'ny tahotra sy ahiahy; fa entin'ny fo tia sy mahatoky ho eo anatrehany lalandava.

Aleloia. Aleloia.
Araikao amin'ny fanambarànao ny foko, ry Tompo, ary ny lalànao no aoka hanenika ahy.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 12, 13-21
« Ho an'iza àry izay novorìnao? »

Tamin'izany andro izany, nisy anankiray tao amin'ny vahoaka nanao tamin'i Jesoa hoe: “Ry Mpampianatra, mba ilazao kely ny rahalahiko hizara ny lovanay amiko.” Fa hoy i Jesoa taminy: “Ralehilahy ô, iza moa no nanendry Ahy ho mpitsara na ho mpizara aminareo?” Ary hoy Izy tamin'ny olona: “Tandremo tsara sao azon'ny fahihirana ianareo, fa ny ain'ny olona tsy miankina amin'ny habetsahan'izay ananany.” Dia nanao fanoharana tamin'izy ireo Izy ka nanao hoe: “Nanan-tany nahavokatra be itý lehilahy mpanan-karena anankiray, ka velona eritreritra toy izao: 'Inona re no hataoko, fa tsy manan-toerana hamoriako ny vokatro aho itý? Izao lahy no ndeha hataoko, hoy izy: horavàko ny toeram-bariko ka hanao lehibebe kokoa aho, dia hangoniko ao daholo rahefa mety ho vokatro sy fananako rehetra, ary holazaiko amin'ny fanahiko hoe: Ry fanahiko, manam-pananana be ampy ho amin'ny taona maro ianao ka mialà sasatra, mihinàna, misotroa, manaova fihinanam-be.' Fa hoy kosa Andriamanitra taminy: 'Ry adala, anio alina ihany dia halaina aminao ny fanahinao, ka ho an'iza àry izay novorinao?' Toy izany ny olona izay manangon-karena ho an'ny tenany ihany, fa tsy mba mihary eo amin'Andriamanitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Vavaka Fanolorana

Kômonio Sal. 32, 18-19

Indro ny mason'ny Tompo eo amin'izay matahotra Azy sy amin'izay matoky ny hatsaram-pony, hanafaka ny fanahiny amin'ny fahafatesana sy hamelona azy amin'ny andro mosarena.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo; enga anie hitombo fahamasinana izahay mankalaza sy manatanteraka ny Sorona masina ka sady ho ambinina amin'ny zava-mandalo no hahay hankafy ny soa mandrakizay.