Alahady 09 oktobra 2033
Fanombohana ny Sorona Masina
METY HISAKANA TSY HO TAFIDITRA ANY AN-DANITRA NY HARENA
Raha mitsikera heloka Ianao, ry Tompo, iza no hahatanty? Fa ao aminao ny famelan-keloka, ry Andriamanitr'i Israely!
Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie hitari-dalana anay mandrakariva ny fahasoavanao, sy hanampy anay harisika lalandava hanao ny tsara.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky Fahendrena
Nivavaka aho, ka nomena ahy ny fahiratan-tsaina; niantso aho, ka tonga tamiko ny Fanahy Fahendrena. Naleoko izany, toy izay tehim-panjakana aman-tsatro-boninahitra; ary nataoko tsy misy vidiny ny harena, miolotra amin'izany. Tsy nampitovîko taminy, ny vato saro-bidy indrindra; fa fasika kely ihany ny volamena rehetra amin'izao tontolo izao miolotra aminy, ary tsy maintsy ho fotaka ihany ny volafotsy mitaha aminy. Tiako noho ny hasalamana aman-katsaran-tarehy izy; naleoko manana azy, toy izay manana ny fahazavana, satria tsy mba maty na oviana na oviana ny fanilony. Tonga tamiko miaraka aminy ny soa rehetra; ary harena tsy hita lany, no eo an-tanany.
Asehoy ny tokony ho fanisanay ny andronay, dia mba hisy fahendrena ao am-ponay. Miverena, Tompo ô! — Mandra-pahoviana? Aoka Ianao hilefaka amin'ny olonao!
Hetsaho faingana amin'ny fitiavanao izahay, ka hihoby sy hifaly amin'ny andronay sisa. Araka ny taona sy ny andro nanasazianao no aoka hampifalianao anay.
Asehoy ny mpanomponao ny asanao; ny voninahitrao asehoy ny zanany. Tongava ao aminay ny hamamian'ny Tompo! Hamafiso ny asan'ny tananao!
Taratasy ho an'ny kristianina Hebrio
Ry kristianina havana, velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra, ka maranitra noho ny sabatra roa lela, maninteraka ny fiavahan'ny aina sy ny fanahy, ary ny famavàny sy ny tsoka aza; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan'ny fo. Tsy misy zava-boaary miafina eo anatrehan'Andriamanitra, fa mihanjahanja sy miharihary eo imason'Izy hampamoaka antsika, ny zavatra rehetra.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka
Mk. 10, 17-30 (lava) ; na 17-27 (fohy kokoa)Tamin'izany andro izany, nony nivoaka handeha i Jesoa, dia nisy lehilahy anankiray nidodododo nandohalika teo anatrehany, ka nanontany Azy hoe: “Ry Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?” Ary hoy i Jesoa taminy: “Nahoana no ataonao hoe tsara aho? Tsy misy tsara afa-tsy Andriamanitra irery. Fantatrao ny didy hoe: Aza mijangajanga, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mety ho vavolombelona tsy marina, aza manambaka, manajà ny rainao aman-dreninao”. Dia hoy ny navaliny Azy: “Mpampianatra ô, hatry ny fony kely aho no efa nitandrina izany rehetra izany”. Ary nijery azy i Jesoa, dia tia azy ka nanao taminy hoe: “Zavatra iray loha no tsy ampy aminao: mandehana, amidio ny fanananao rehetra ka omeo ny mahantra, dia hanan-drakitra any an-danitra ianao, ary raha efa izany dia avia hanaraka Ahy”. Nampahory azy izany teny izany satria nanan-karena be izy, ka niala tamin'alahelo. Ary nijerijery manodidina i Jesoa ka nanao tamin'ny mpianany hoe: “Akory ny hasarotry ny hidiran'ny mpanan-karena amin'ny Fanjakan'Andriamanitra!” Nony gaga tamin'izany teny izany ny mpianany, dia hoy indray i Jesoa taminy: “Sarotra, anaka, ny hidiran'izay miankina amin'ny harena amin'ny Fanjakan'Andriamanitra. Moramora kokoa ny hidiran'ny rameva amin'ny vodifanjaitra noho ny hidiran'ny mpanan-karena amin'ny Fanjakan'Andriamanitra”. Vao mainka gaga izy ireo ka nifampilaza hoe: “Iza àry no mety ho voavonjy?” Fa nojeren'i Jesoa izy ka nilazany hoe: “Amin'ny olombelona zava-tsy vitany izany; tsy mba toy izany amin'Andriamanitra, satria mahavita ny zavatra rehetra Andriamanitra”.
Ary hoy i Piera taminy: “Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao”. Dia hoy ny navalin'i Jesoa azy: “Lazaiko marina aminareo fa tsy misy olona mahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany noho ny fitiavany Ahy sy ny Evanjely, ka tsy hahazo zato heny ankehitriny amin'ity fiainana ity, dia trano, rahalahy, anabavy, ray, reny, zanaka, tany, na dia ao anatin'ny fanenjehana aza, ary ny fiainana mandrakizay any amin'ny ho avy”.
Ry kristianina havana, miaraha isika mivavaka, mba hangataka amin'Andriamanitra hatorony ny tena harena marina, ary homeny hery hanarahana ny lalana nosoritany, na sarotra sy manahirana aza.
Tompo ô, nampisehoanao fitiavana ilay tovolahy mpanan-karena, ary fantatray fa tianao tsirairay koa izahay; koa atoroy anay ny lalana tianao hizoranay, ary ampio izahay handresy ny fitiavan-tena sy hahay hamaly fitiavana ny fitiavanao.
Fankalazana ny Eokaristia
Mba raiso, ry Tompo, ny vavaka aman-tolotra ataonay mpino, ka izao fanompoam-pivavahana feno fitiavana izao anie hahatongavanay any amin'ny voninahitra any an-danitra.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Ny tremalahy tonga mahantra sy noana: fa izay mitady ny Tompo tsy orin-tsoa.
Mihanta sy mitalaho aminao izahay, ry Tompo avo indrindra, fa nofahananao ny Vatanao sy ny Ranao masina izahay, ka ataovy miombona anjara amin'ny maha-Andriamanitra Anao.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.