Alakamisy 22 septambra 2033
Fanombohana ny Sorona Masina
Izaho no vonjin'ny vahoakako, hoy ny Tompo. Na inona na inona manjò azy ka hiantsoany Ahy, dia hihaino azy ireo Aho, ary Izaho ho Tompony mandrakizay.
Andriamanitra ô, ny fitiavana Anao sy ny fitiavana ny namana no nataonao fototry ny didinao masina; koa mba ataovy mitandrina ny lalànao izahay hahatongavanay any amin'ny fiainana mandrakizay.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Fiantombohan'ny Bokin'i Akjea Mpaminany
Tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa mpanjaka, tamin'ny volana fahenina, andro voalohan'ny volana no nahatongavan'ny tenin'ny Tompo tamin'ny alalan'i Akjea mpaminany, tamin'i Zôrôbabela zanak'i Salatiela, governora tany Jodà sy tamin'i Jôsoe zanak'i Jôsedeka mpisorona lehibe, nanao hoe: “Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika: “Itý firenena itý manao hoe: Tsy mbola tonga ny fotoana, ny fotoana hanaovana ny tranon'ny Tompo indray.” Ary tonga ny tenin'ny Tompo, tamin'ny alalan'i Akjea mpaminany nanao hoe: “Ary ho anareo kosa moa dia fotoana hitoerana ao an-tranonareo voaisy peta-drindrina, amin'izao aharavan'ny trano izao? Koa ankehitriny, izao no lazain'ny Tompon'ny tafika: Diniho tsara ny lalanareo. Namafy be ianareo fa mijinja kely; mihinana fa tsy ampy hahavoky; misotro, fa tsy ampy hahafa-po; mitafy, fa tsy ampy hanafana; ary ny mpikarama mahazo ny karama hatao an-kitapo loaka. Izao no lazain'ny Tompo ny tafika: Diniho tsara ny lalanareo. Mandehana eny an-tendrombohitra ka mitondrà hazo; ary ataovy ny trano; hankasitrahako sy hahazoako voninahitra izany.”
Ihirao hira vao ny Tompo! Derao ao am-piangonan'ny mpivavaka Izy. I Israely aoka hifaly amin'Ilay nanao azy; ny zanak'i Siôna hiravo amin'Ilay Mpanjakany.
Hidera ny Anarany amin-dihy, hiantsa Azy amin'amponga sy lokanga! Fa sitraky ny Tompo ny vahoakany, ravahany fandresena ny ory!
Ny mpivavaka aoka hientana amin'ny voninahiny, sy hanao hobin-kafaliana ara-pomba: am-bava, fankalazana an'Andriamanitra, ka ho voninahitry ny mpivavaka aminy rehetra!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 9, 7-9Tamin'izany andro izany, i Herôda tetrarka nandre izay rehetra nataon'i Jesoa ka tsy hitany be ihany izay hevitra, fa ny sasany nanao hoe: “I Joany no nitsangan-ko velona”; ny sasany nilaza hoe: “I Elia no niseho”; ary ny sasany nanao hoe: “Ny anankiray tamin'ny mpaminany taloha no efa nitsangan-ko velona.” Dia hoy kosa i Herôda: “Raha i Joany dia efa nasaiko notapahin-doha izy, ka iza indray ary izao olona reko manao zava-dehibe izao?” Dia naniry hahita Azy izy.
Fankalazana ny Eokaristia
Ry Tompo be indrafo ô, mba raiso ny tolotra ataonay vahoakanao; ka izay ankatoavinay amin'ny finoana anie mba ho azonay amin'ny Sakramenta.
Ianao ihany no namoaka ny didinao mba hitandremana azy fatratra, ka ahitsio izany diako; ka enga anie hahitsy ny lalako hitandremako ny fitsipikao.
Ry Tompo mora fo ô, enga anie izahay nomenao hery tamin'ny Sakramentanao mba hotoloranao fanampiana lalandava, ka ny Sakramenta sy ny toe-piainanay anie no hahazoanay ny fanavotana.