Talata 20 septambra 2033
Fanombohana ny Sorona Masina
Izaho no vonjin'ny vahoakako, hoy ny Tompo. Na inona na inona manjò azy ka hiantsoany Ahy, dia hihaino azy ireo Aho, ary Izaho ho Tompony mandrakizay.
Andriamanitra ô, ny fitiavana Anao sy ny fitiavana ny namana no nataonao fototry ny didinao masina; koa mba ataovy mitandrina ny lalànao izahay hahatongavanay any amin'ny fiainana mandrakizay.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Esdrasa
Tamin'izany andro izany, nanoratra tamin'ireo mpitondra faritany terý am-pitan-drano i Dariosa mpanjaka nanao hoe: “Avelao hotohizana ny asa amin'ny tranon'Andriamanitra; aoka ny governoran'ny Jody sy ny loholon'ny Jody hanorina izany tranon'Andriamanitra izany indray amin'izay fitoerany teo. Ary izao no didy omeko anareo ny amin'izay tokony hataonareo amin'ireo loholon'ny Jody, hanorenana indray ny tranon'Andriamanitra io: ny haren'ny Mpanjaka, ny hetra aloan'ny any an-dafin'ny ony, no handoavana izay lany marina amin'ireo olona ireo, mba tsy hiatoato izy. Didy nomeko izaho Dariosa itý; ka tsy maintsy toavina an-tsakany sy an-davany.”
Faly aho nilazana hoe: andao ho any an-tranon'ny Tompo; ny tongotray indro mijadona eto am-bavahadinao, ry Jerosalema.
Ry jerosalema ilay voaorina ho tanàna tsara rafitra, hiakaran'ireo foko, dia ny fokon'ny Tompo.
Fa didy, ry Israely, ny midera ny Anaran'ny Tompo; ao no mijoro ny fiketraham-pitsarana, ny fiketrahan'ny tranon'i Davida.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 8, 19-21Tamin'izany andro izany, tonga hankao amin'i Jesoa ny reniny sy ny rahalahiny, fa tsy afa-nihaona taminy noho ny habetsahan'ny vahoaka, ka nisy nilaza taminy hoe: “Ao alatrano ny reninao sy ny rahalahinao te-hihaona aminao.” Dia novaliany hoe: “Ny reniko sy ny rahalahiko, dia izay mihaino sy mankatò ny tenin'Andriamanitra.”
Fankalazana ny Eokaristia
Ry Tompo be indrafo ô, mba raiso ny tolotra ataonay vahoakanao; ka izay ankatoavinay amin'ny finoana anie mba ho azonay amin'ny Sakramenta.
Ianao ihany no namoaka ny didinao mba hitandremana azy fatratra, ka ahitsio izany diako; ka enga anie hahitsy ny lalako hitandremako ny fitsipikao.
Ry Tompo mora fo ô, enga anie izahay nomenao hery tamin'ny Sakramentanao mba hotoloranao fanampiana lalandava, ka ny Sakramenta sy ny toe-piainanay anie no hahazoanay ny fanavotana.