Talata 13 septambra 2033
Fanombohana ny Sorona Masina
Omeo fiadanana ireo manantena Anao, ry Tompo; enga anie ho masin-teny ny mpaminany; henoy ny vavak'i Israely mpanomponao sy vahoakanao.
Topazo maso izahay, ry Andriamanitra mpitantana ny zavatra rehetra, ary ataovy manompo Anao amin'ny fonay tokoa mba handrenesanay ny herin'ny famindram-ponao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasy voalohan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'i Timote
Tena marina izao teny izao: raha misy maniry ny raharahan'ny Pretra, dia maniry raharaha tsara indrindra izy. Koa ny Pretra dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, tsy nanam-bady, afa-tsy indray mandeha monja, mahonon-tena, hendry, maotona sy mendrimendrika, mampiantrano vahiny, mahay mampianatra, tsy lian-divay, tsy mikapoka, fa mandefitra, tsy mpila ady, tsy tia vola, mahay mitondra ny ankohonany, sy mampanaiky tsara ny zanany amim-pahamaotonana lavorary; fa raha misy tsy mahay mitondra ny ankohonany, hataony ahoana ny fitondra ny Eglizin'Andriamanitra? Tsy zazavao amin'ny fivavahana, fandrao dia mieboebo foana ka latsaka amin'ny fanamelohana nanjò ny demony. Ary tsy maintsy ho olona tsara laza amin'ny any ivelany koa, fandrao dia afa-baràka sy voan'ny fandriky ny demony.
Ny hatsaram-po sy ny rariny no fikàloko; Ianao, ry Tompo, no fiàntsako! Izaho mitandrina ny lala-madio, ny fahamarinana no monina ato amiko!
Izaho miaina amim-po madio ao an-tranoko, tsy mba mamorona fikasan-dratsy! Ny mpihatsaravelatsihy dia halako, tsy ekeko hiraikitra amiko!
Ny mpanebaka namana an-takona, fongorako, ny maso mianjona, ny fo miavona levoniko mihitsy.
Ny masoko dia amin'ny mpino amin'ny tany mba honenany eo anilako. Ny mizotra amin'ny lala-madio no mpanompoko.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 7, 11-17Tamin'izany andro izany, i Jesoa nankany amin'ny tanàna anankiray atao hoe Naima, ary mpianany maro sy vahoaka betsaka no niaraka taminy. Rahefa mby teo akaikin'ny vavahadin'ny tanàna Izy, dia indro nisy fatin'ny zazalahy anankiray nentina halevina, zanak'olona lahitokana sady mpitondratena indray reniny, ka vahoaka be avy ao an-tanàna no nanaraka azy. Nangoraka ny Tompo nony nahita an-dravehivavy, ka nanao taminy hoe: “Aza mitomany.” Dia nanatona Izy ka nanendry ny tranovorona; dia nijanona ny mpilanja, ary hoy i Jesoa: “Ry zatovo, Izaho mandidy anao, mitsangàna.” Dia niarina niaraka tamin'izay ny maty, sady niteny, ary nomen'i Jesoa an-dreniny. Raiki-tahotra avokoa izay rehetra teo, sady nankalaza an'Andriamanitra nanao hoe: “Mpaminany lehibe no efa niseho eto amintsika, ary Andriamanitra efa namangy ny olony.” Dia niely eran'i Jodea sy ny tany manodidina rehetra izany teny fankalazana izany.
Fankalazana ny Eokaristia
Aoka hanohina ny fonao, ry Tompo, ny fitalahoanay; ary horaisinao ireto fanatitra ataon'ny mpanomponao mba hahavonjy ny be sy ny maro izay atolotry ny tsirairay hanajana ny Anaranao.
Endrey, sarobidy ny hatsaram-ponao, ry Tompo! Fa ny zanak'olombelona hialoka ambany elatrao.
Haninteraka ny fanahy amam-batanay anie, ry Tompo, ny hasin'ny fanomezanao avy any an-danitra, ka ny hery avy aminy fa tsy ny saim-pantatray, no hitarika anay lalandava.