Zoma 09 septambra 2033

Zoma Fahatelo amby roapolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 118, 137. 124

Marina Ianao, ry Tompo, ary mahitsy ny fitsaranao. Araka ny hatsaram-ponao atao ny mpanomponao.

Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao no nanavotra anay sy nanangana anay ho zanakao; koa henoy ireto zanaka nateraky ny fitiavanao, fa mino an'i Kristy izy, ka mba omeo ny fahafahana marina sy ny lova maharitra mandrakizay.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany 1 Tim. 1, 1-2. 12-14

Fiantombohan'ny taratasy voalohan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'i Timôte

« Mpiteny ratsy aho fahiny, saingy nahazo ny famindram-pon'Andriamanitra »

I Paoly, Apôstôlin'i Jesoa Kristy, araka ny didin'Andriamanitra Mpamonjy antsika, sy i Jesoa Kristy fanantenantsika, mamangy an'i Timôte, tena zanako amin'ny finoana: ho aminao anie ny fahasoavana, sy famindram-po amam-piadanana, avy amin'Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Tompontsika! Misaotra an'i Kristy Jesoa Tompontsika izay nankahery ahy aho, fa nekeny ho mahatoky, ka nametrahany fandraharahana, dia izaho izay mpiteny ratsy fahiny, sady mpanenjika sy mpanao an-keriny; kanefa nahazo famindram-po aho, satria tsy fahalalana no nanaovako izany, noho izaho tsy mbola nanam-pinoana, fa nony nomban'ny finoana amim-pitiavana izay ao amin'i Kristy Jesoa, dia nihoa-pampana ny fahasoavan'ny Tompontsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 15, 1-2a sy 15. 7-5. 11
Fiv.: Ianao re, ry Tompo, no zara lovako.

Andriamanitra Tompo ô, ambeno fa Ianao re no hany hifefeko. Ianao re, ry Tompo, no lova, hany zarako mandrakizay.
Ka isaorako, Tompo, Ianao fa nanolotra saina, fanahy. Eo alohako foana ny Tompo; tsy hiala ankavanako Izy.
E ny lalan'ny fiainana izao, dia hatoronao ahy hatrany. Ho finaritra mandrakizay, izay mitoetra eo ankavananao.

Aleloia. Aleloia.
Ny tenin'Andriamanitra dia maharitra mandrakizay; ary izany tenin'Andriamanitra izany dia ny Evanjely izay notorìna taminareo.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 6, 39-42
« Moa ny jamba mahatari-dalana ny jamba? »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa nanao izao fanoharana izao tamin'ny mpianany: “Moa ny jamba mahatari-dalana ny jamba va? Moa tsy hiara-mianjera any an-kady va izy roa? Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra, fa izay mpianatra tapi-pianarana no hoatra ny mpampianatra azy ihany. Nahoana no ny sombim-bozaka amin'ny mason'ny rahalahinao jerenao, nefa ny sakamandimby ao amin'ny masonao tsy hitanao? Ary ataonao ahoana no filaza amin'ny rahalahinao hoe: 'Ry rahalahy, aoka hoesoriko ny sombim-bozaka amin'ny masonao' nefa ny sakamandimby ao amin'ny masonao aza tsy hitanao? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny sakamandimby amin'ny masonao; izay vao ho hitanao ny hanesoranao ny sombim-bozaka amin'ny mason'ny rahalahinao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Ry Andriamanitra loharanon'ny fitiavana marina sy ny fiadanana, hahay hanaja Anao avo indrindra anie izahay amin'ireto fanatitra ireto sy hiray fo aman-tsaina, fa miombona anjara amin'izao Sorona izao.

Kômonio Sal. 41, 2-3

Toy ny serfa maniry ranovelona ny fanahiko maniry Anao, ry Andriamanitra! Ny fanahiko mangetaheta an'Andriamanitra, Ilay velona sady mahery!

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, nofahananao sy nomenao hery tamin'ny teninao sy ny hanina masina izahay mino Anao, ka ataovy mahazo voka-tsoa avy amin'ny fanomezan'ny Zanakao malalanao mba ho mendrika hiombona anjara lalandava amin'ny fiainany masina.