Talata 30 aogositra 2033
Fanombohana ny Sorona Masina
Iantrao aho, ry Tompo, fa miantso Anao tontolo andro; Ianao, ry Tompo, no mazava fo sy malemy fanahy, be hatsaram-po amin'izay rehetra miantso Anao!
Ry Andriamanitry ny hery rehetra, Soa indrindra no Anaranao; ka ataovy tia Anao tokoa ny fonay, herezo hazoto hanompo Anao, velomy izay tsara mba anananay ary tsimbino lalandava izay novelominao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasy voalohan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Tesalônika
Ry kristianina havana, ny amin'ny andro sy ny fotoana hiavian'ny Tompo, dia tsy ilaina akory ny hanoratanay izany aminareo, satria efa mahalala marina rahateo ianareo fa ho avy toy ny mpangalatra amin'ny alina ny andron'ny Tompo. Amin'ilay hanaovan'ny olona hoe: “Fiadanana sy fandriam-pahalemana re izany!” iny indrindra no hilatsahan'ny fandringanana tampoka amin'izy ireo, tahaka ny fihetsehan-jaza amin'ny bevohoka, ka tsy afa-mandositra izy.
Ny Tompo no fanilo sy vonjiko: iza no hatahorako? Ny Tompo no mandan'ny aiko: zovy no hangovitako?
Fangatahana tsy mahasasatra ahy sy tozoiko indrindra, ry Tompo: dia ny honina ao an-tranon'ny Tompo amin'ny andro rehetra iainako.
Eny, matoky aho fa hahita ny hasoan'ny Tompo any amin'ny tanin'ny velona. Mahandrasa ny Tompo, marisiha; mahereza fo, mahandrasa ny Tompo.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 4, 31-37Tamin'izany andro izany, i Jesoa nidina tany Kafarnaôma tanànan'i Galilea, ka nampianatra ny olona tamin'ny sabata, ary gaga ny olona tamin'ny fampianarany, satria niteny toy ny manam-pahefana Izy. Tao amin'ny sinagôga dia nisy lehilahy azon'ny demony maloto, ka niantso mafy nanao hoe: “Aoka re, fa mifandraharaha inona aminao izahay, ry Jesoa avy any Nazareta ô? Tonga handringana anay va Ianao? Fantatro raha Ianao, dia ilay Masin'Andriamanitra.” Fa notenenin'i Jesoa mafy izy nataony hoe: “Mangina ary mialà amin'io lehilahy io.” Dia nandavo azy tamin'ny tany teo afovoan'ny olona teo ny demony vao nivoaka niala taminy, nefa tsy nandratra azy akory. Talanjona izy rehetra, ka nifampilaza hoe: “Teny manao ahoana re izany? fa mandidy ny fanahy maloto amin-kery sy fahefana Izy, dia miala ireny.” Ary niely tamin'izany tany rehetra izany ny lazany.
Fankalazana ny Eokaristia
Hirotsaka aminay mandrakariva anie, ry Tompo, ny tso-dranom-pamonjena avy amin'itý tolotra masina itý, ka ho tanteraka ny soa tsy hita maso ambarany.
Tompo ô, akory itý haben'ny hatsaranao izay omaninao ho an'ny matahotra Anao!
Nomenao hery tamin'ny mofo avy any an-danitra izahay, ry Tompo, ka mitalaho aminao: enga anie hankahery ny fonay izao sakafo avy aminao be fitiavana izao ka hamporisika anay hanompo ny namanay noho ny fitiavana Anao.