Alahady 28 aogositra 2033
Fanombohana ny Sorona Masina
TSY MORA NY MANARAKA AN'I JESOA, FA MISY HAZOFIJALIANA
Iantrao aho, ry Tompo, fa miantso Anao tontolo andro. Ianao, ry Tompo, no mazava fo sy malemy fanahy, be hatsaram-po amin'izay rehetra miantso Anao.
Ry Andriamanitry ny hery rehetra, Soa indrindra no Anaranao; ka ataovy tia Anao tokoa ny fonay, herezo hazoto hanompo Anao, velomy izay tsara mba anananay ary tsimbino lalandava izay novelominao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky Deterônômy
Tamin'izany andro izany, i Môizy niteny tamin'ny vahoaka Israely nanao hoe: “Ankehitriny, ry Israely, henoy ny didy amam-pitsipika atoroko, hitandremanareo azy mba ho velona ianareo, ka hiditra sy hanana ny tany nomen'ny Tompo Andriamanitry ny razanareo anareo. Aza manampy izay andidiako anareo, na manala amin' izany akory, fa tandremo ny didin'ny Tompo Andriamanitrareo, izay andidiako anareo. Koa tandremo sy tanteraho izany, fa izany no saina amam-pahendrena ho anareo eo imason'ny firenena izay handre izany lalàna rehetra izany, ka ho vaky hoe: “Vahoaka hendry sy manan-tsaina tokoa io firenena lehibe io!” Fa iza tokoa moa no firenen-dehibe hanana andriamanitra akaiky azy, tahaka ny maha-akaikintsika ny Tompo Andriamanitsika isaky ny iantsoantsika Azy? Ary zovy no firenen-dehibe manan-didy amam-pitsipika marina, toy izao lalàna ataoko eo anoloanareo anio izao?”
Dia izay mahitsy famindra sy mitandro ny rariny: ny fony misaina ny marina; ny lelany tsy ekeny handainga.
Fady azy ny manisy ratsy sy ny maneso ny miara-monina.
Ny olo-meloka tsy hasohasoany; ny matahotra ny Tompo no hajainy. Ny teny nomeny tsy ivadihany, na voasingotra aza ny tenany.
Tsy mba maka zana-bola izy na mandray tamby hahameloka ny marina. Izay manao izany tsy hihontsona mandrakizay.
Taratasin'i Md. Jakôba Apôstôly
Ry kristianina hava-malala, raiso amim-pahalemem-panahy ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fahasoavana tanteraka rehetra avy any ambony, ka midina avy amin'ny Rain'ny fahazavana, izay tsy manam-piovaovana na aloka avy amin'ny fihodinana. Niteraka antsika an-tsitra-po tamin'ny tenin'ny fahamarinana Izy, mba ho santatry ny zava-boaariny isika. Ary raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo. Aza mamita-tena amin'ny hevi-poana anefa, fa miezaha ho mpanatanteraka ny teny, fa tsy ho mpihaino fotsiny. Izao no fivavahana madio sy tsy misy tsiny eo anatrehan'Andriamanitra Ray: ny manampy ny kamboty sy ny mpitondratena amin'ny fahoriany; ary ny miaro tena tsy ho voaloton'izao tontolo izao.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka
Mk. 7, 1-8a. 14-15. 21-23Tamin'izany andro izany, dia niangona teo amin'i Jesoa ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna sasany avy tany Jerosalema, ka nahita ny mpianany sasany nihinana tamin'ny tanana tsy madio, izany hoe tsy voasasa. Fa ny Farisianina sy ny Jody rehetra dia tsy mihinana raha tsy efa voasasany tsara aloha ny tanany, fa mitana ny fanaon-drazany izy; ary raha avy any an-kianja izy dia tsy mihinan-kanina raha tsy efa nisasa. Maro koa ny fomban-drazana hafa noraisiny hotanana, dia ny fanasana ny kapoaka, ny tavoara, ny fanaka varahina, ary ny farafara fihinanana. Ka dia nanontany Azy ny Farisianina mbamin'ny mpanora-dalàna nanao hoe: “Nahoana ny mpianatrao no tsy mitandrina ny fanaon-drazana, fa mihinana amin'ny tanana tsy misasa?” Ary hoy ny navaliny azy ireo: “Marina tokoa ny naminanian'i Izaia anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voasoratra hoe: 'Ity firenena ity manaja Ahy amin'ny molony, fa manalavitra Ahy ny fony; koa foana ny ivavahan'ireo amiko satria didin'olombelona no ataony fampianarana'. Ny didin'Andriamanitra afoinareo, fa ny fanaon'ny olona kosa tananareo”.
Ary niantso ny vahoaka nankeo aminy indray Izy ka nanao taminy hoe: “Mihainoa Ahy ianareo rehetra, ka mahafantara. Tsy ny zavatra avy any ivelany miditra ao anatin'ny olona no mahaloto azy, fa izay mivoaka avy ao anatin'ny olona no mahaloto azy, satria avy ao anaty, dia avy amin'ny fon'ny olona no iavian'ny sain-dratsy: dia ny fakàm-badin'olona, ny fijangajangana, ny famonoana olona, ny halatra, ny fahihirana, ny hasomparana, ny hafetsen-dratsy, ny fijejojejoana, ny fialonana, ny vava ratsy, ny fiavonavonana, ny fahadalana; izany zava-dratsy rehetra izany no avy ao anatin'ny olona ka mahaloto azy”.
Ry kristianina havana, tsy ho tratran'ny olombelona rahoviana ny fahalavorariana atoron'ny Evanjely, nefa kosa tsy maintsy miezaka lalandava hatrany isika mba hiaina ara-pitiavana sy fanahy ary fahamarinana. Koa mivavaha mba hiaina araka izany ny olombelona rehetra.
Ry Jesoa Tompo ô, fivavahana araka ny fahamarinana sy ny fitiavana no nampianarinao anay; koa ataovy tena mpivavaka marina izahay, fa tsy ho mpanara-drian-drano fotsiny, ary tsy hitsara na hanameloka ny hafa.
Fankalazana ny Eokaristia
Hirotsaka aminay mandrakariva anie, ry Tompo, ny tso-dranom-pamonjena avy amin'ity tolotra masina ity, ka ho tanteraka ny soa tsy hita maso ambarany.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Tompo ô, akory ity haben'ny hatsaranao izay omaninao ho an'ny matahotra Anao.
Nomenao hery tamin'ny mofo avy any an-danitra izahay, ry Tompo, ka mitalaho aminao: enga anie hankahery ny fonay izao sakafo avy aminao be fitiavana izao, ka hamporisika anay hanompo ny namanay noho ny fitiavana Anao.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.