Zoma 26 aogositra 2033
Fanombohana ny Sorona Masina
Anongilano sofina aho, ry Tompo, ka valio. Andriamanitra ô, vonjeo itý mpanomponao matoky Anao. Iantrao aho, ry Tompo, fa miantso Anao tontolo andro!
Ry Andriamanitra mampiray fo aman-tsaina ny mpino, tariho izahay vahoakanao ho tia ny didinao sy haniry izay nampanantenainao mba hifikitra amin'ny tena hasambarana ny fonay eto anivon'itý fiainana miovaova itý.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasy voalohan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Tesalônika
Ry kristianina havana, izao no angatahinay sy ihantanay aminareo ao amin'i Jesoa Tompo: efa nianaranareo taminay izay fitondran-tena mety hankatsitrahan'Andriamanitra, sady efa arahinareo koa, ka mandrosoa mandrakariva amin'ny fandehanana araka izany. Efa fantatrareo araka ny didy nomenay anareo avy amin'i Jesoa Tompo, fa ny hanamasinanareo ny tenanareo no sitrapon'Andriamanitra: dia ny hifadianareo ny fijangajangana, sy ny hahaizanareo tsirairay avy manana ny fanaky ny tenanareo amin'ny fahamasinana sy fananan-kaja, fa tsy amin'ny filan-dratsin'ny nofo araka ny fanaon'ny jentily izay tsy mahalala an'Andriamanitra, ary ny tsy hisian'ny olona manao an-keriny na an-kafetsena amin'ny rahalahiny amin'izany raharaha izany, fa ny Tompo no mpamaly izany rehetra izany, araka ny efa voalazanay sy nasehonay marina taminareo; satria tsy ho amin'ny fahalotoana, fa ho amin'ny fahamasinana no niantsoan'Andriamanitra antsika. Koa izay manamavo izany didy izany, dia tsy manamavo olombelona, fa manamavo an'Andriamanitra, izay nanome ny Fanahy Masina ho ao aminareo.
Aoka hifaly izany tany fa manjaka izao ny Tompo, koa samia manao koràna ianareo nosy maro fa ny rahona no lamba ihodidinan'ny Mpanjaka. E! ny rariny sy ny hitsiny ijoroany ao an-drova.
Fa ny tany raha mahita tsy mitsaha-mihorohoro, tendrombohitra amin'izany dia mitsonika mikoa. Fahamarinany no tian'izany lanitra hambara; voninahiny tazano hita mason'ny vahoaka.
Andriamanitra mahery sy ambony tsisy fetra: Ianao manerinerina mifehy ny tontolo. Ianareo izay tia ny Tompo, andosiro re ny ratsy, fa ny Tompa dia mitandrina an'ireo izay mino Azy.
Ny hazavana vao mitranga: ny olo-marina no tràny, ka somebin-karavoana izay mahitsy fo rehetra. Mifalia, ry olo-marina, eo imason'izy Tompo. Eny, masina ny Anarany, koa tongava ianao hisaotra!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 25, 1-13Tamin'izany andro izany, i Jesoa nilaza itý fanoharana itý tamin'ny mpianany nanao hoe: “Ny Fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny virjiny folo izay naka ny fanalany, ka lasa nitsena ny mpampakatra sy ny ampakarina. Ny dimy tamin'izy ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry; ny dimy adala nitondra fanala fa tsy nitondra solika; fa ny hendry kosa nitondra fanala sy solika tamin'ny fitoeran-tsolika. Ary noho ny fahelan'ny mpampakatra, dia samy rendremana izy rehetra ka natory.
Fankalazana ny Eokaristia
Tompo ô, Sorona tokana no nanangananao vahoaka maro ho firenenao, koa ataovy miray fo sy miadan-tsaina ny Eglizinao.
Tompo ô, lonaky ny andon'ny Ianitrao ny tany, ka ataonao mahavokatra ny mofo hamelona anay sy ny divay mampifaly ny fon'ny olombelona.
Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie hanasitrana anay tanteraka ny Fonao antra hahavitanay asa mendrika hankasitrahanao.