Talata 23 aogositra 2033

Talata Faharaika amby roapolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 85, 1-3

Anongilano sofina aho, ry Tompo, ka valio. Andriamanitra ô, vonjeo itý mpanomponao matoky Anao. Iantrao aho, ry Tompo, fa miantso Anao tontolo andro!

Fangatahana

Ry Andriamanitra mampiray fo aman-tsaina ny mpino, tariho izahay vahoakanao ho tia ny didinao sy haniry izay nampanantenainao mba hifikitra amin'ny tena hasambarana ny fonay eto anivon'itý fiainana miovaova itý.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany 1 Tes. 2, 1-8

Taratasy voalohan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Tesalônika

« Tsy ny Evanjelin'Andriamanitra ihany no nirinay homena anareo fa ny ainay koa aza. »

Ry kristianina havana, tenanareo no mahalala, fa tsy foana ny fidiranay tatý aminareo; fa nony avy nampahoriana sy nalam-baràka tany Filipy izahay, araka ny fantatrareo rahateo, dia tonga nitory ny Evanjelin'Andriamanitra tatý aminareo, tamim-pitokiana lehibe an'Andriamanitra sy tanatin'ny ady mangotraka. Fa tsy mba avy amin'ny fitaka, na ny fahalotoana, na ny hafetsena ny fitorianay teny, fa araka ny nankasitrahan'Andriamanitra ny hametrahana ny Evanjely aminay no ampianaranay azy, tsy toy ny mila sitraka amin'ny olombelona, fa amin'Andriamanitra izay mizaha toetra ny fonay. Satria tsy mba nanao teny fandokafana na oviana na oviana izahay, araka ny fantatrareo; na mba nanao ny asanay ho filam-bola (Andriamanitra no vavolombelona), na nitady voninahitra tamin'olombelona, na taminareo izany, na tamin'ny hafa; ary na dia azonay natao aza ny manampatra fahefana, noho ny maha-Apôstôlin'i Kristy anay, dia naleonay nanetry tena teo aminareo, mova tsy ny reny mitaiza ny zanany. Fa noho ny fitiavanay anareo, dia tsy ny Evanjelin'Andriamanitra ihany no nirinay homena anareo, fa ny ainay koa aza, satria efa tonga maminay loatra ianareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 138, 1-2. 3-4. 5-6
Fiv.: Tompo ô, mandinika ahy Ianao ka mahafantatra!

Tompo ô, mandinika ahy Ianao, ka mahafantatra! Fantatrao aho na mipetraka na mitsangana; mbola lavitra, dia tsinjonao ny hevitro!
Voadinikao aho na mamindra na miato; ny lalako tsy misy manavao Anao. Ny teny tsy mbola eo amin'ny lelako, dia indro, ry Tompo, efa fantatrao tontolo!
Voambombanao aho na aloha na aoriana; ny tananao mipetraka eo amboniko! Fahalalana mahagaga loatra amiko; avo loatra, tsy hamboiko takarina!

Aleloia. Aleloia.
Araikao amin'ny Fanambarànao ny foko, ry Tompo, ary ny Lalànao no aoka hanenika ahy.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 23, 23-26
« Izany no tsy maintsy arahinareo, nefa ireroa koa tsy azonareo avela. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny nanao hoe: “Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa ny ampahafolon'ny solila sy ny aneta ary ny komina aloanareo; nefa ny zavatra lehibebe kokoa amin'ny Lalàna tsy tandremanareo, dia ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana. Izany no tsy maintsy arahinareo, nefa ireroa koa tsy azonareo avela. Ry mpitari-dalana jamba, ny moka tantavaninareo, nefa ny rameva atelinareo! Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa ny vohon'ny kapoaka sy ny lovia diovinareo, nefa ny ao anatiny feno halatra sy tsy fahonònana. Ry Farisianina jamba, diovy aloha ny atin'ny kapoaka sy ny lovia mba ho madio koa ny vohony.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Tompo ô, Sorona tokana no nanangananao vahoaka maro ho firenenao, koa ataovy miray fo sy miadan-tsaina ny Eglizinao.

Kômonio Sal. 103, 13-15

Tompo ô, lonaky ny andon'ny Ianitrao ny tany, ka ataonao mahavokatra ny mofo hamelona anay sy ny divay mampifaly ny fon'ny olombelona.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie hanasitrana anay tanteraka ny Fonao antra hahavitanay asa mendrika hankasitrahanao.