Alakamisy 18 aogositra 2033

Alakamisy Faharoapolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 83, 10-11

Jereo, ry Andriamanitra mpanasoa anay. Todiho ny tavan'i Kristy Zanakao. Andro iray ao an-kianjanao dia tsara noho ny arivo lavitra Anao.

Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao nanomana soa tsy hita maso ho an'izay tia Anao; ka alatsaho ao am-ponay ny afom-pitiavana Anao hitiavanay Anao ao amin'ny zavatra rehetra sy ambonin'ny zavatra rehetra, ka hahazoanay ny soa lavorary nampanantenainao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Mpits. 11, 29-39a

Bokin'ny Mpitsara

« Hatolotra ho sorona amin'Andriamanitra izay mivoaka ny trano voalohany indrindra. »

Tamin'izany andro izany, tonga tamin'i Jefte ny Fanahin'ny Tompo ka nandeha namaky an'i Galaada sy i Manase izy, ary tonga hatrany Masfà, any Galaada: ary avy ao Masfà any Galaada dia nandroso hamely ny taranak'i Amôna. Nivoady tamin'ny Tompo i Jefte nanao hoe: “Raha atolotrao eo an-tanako ny taranak'i Amôna, dia ho an'ny Tompo ary atolotro ho sorona dorana izay mivoaka ny varavaran'ny tranoko hitsena ahy, rahefa miverina soa aman-tsara avy any amin'ny taranak'i Amôna aho.” Dia nandroso hamely ny taranak'i Amôna i Jefte, ary natolotry ny Tompo teo an-tanany ireny, ka nasiany hatrany Arôera ka hatrany akaikikaikin'i Menita, nahazoany tanàna roapolo, sy hatrany Abela-Keramina, ka dia resy mafy tokoa izy ireo. Dia voaetry teo anoloan'ny zanak'i Israely ny taranak'i Amôna.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 39, 5. 7-8a. 8b-9. 10
Fiv.: Intý aho tamy, Tompo, hanao ny sitrakao.

Sambatra ny olona manao ny Tompo ho tokiny, tsy miherika amin'ny rendrarendra sy ankosotra!
Tsy sitrakao ny sorona sy ny fanatitra, nosokafanao mantsy ny sofiko. Tsy misy ilainao izay sorona dorana sy fanonerana. Ka hoy aho hoe: Intý aho tamy!
Voasoratra ao amin'ny Boky ny momba ahy. Ny manao ny sitrakao, ry Andriamanitro, no mamiko. Eny, ato anatin'ny foko ny Lalànao.
Torìko ao am-piangonam-be ny Fahamarinanao. Fantatrao, ry Tompo, tsy akomboko ny molotro.

Aleloia. Aleloia.
Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 22, 1-14
« Antsoy ho atý amin'ny fampakaram-bady avokoa izay hitanareo. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny lehiben'ny mpanora-dalàna sy ny loholona indray nanao itý fanoharana itý hoe: “Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny andriamanjaka anankiray izay nanao fanasana tamin'ny fampakaram-badin'ny zanany lahy, ka naniraka ny ankiziny hanainga izay efa nasaina, ho any amin'ny fampakaram-bady, fa tsy nety nankany ireo. Dia naniraka ankizy hafa indray izy nanao hoe: Lazao amin'ny nasaina hoe: Indro efa voavoatra ny nahandro ka efa voavono ny ombiko sy ny zavatra nafahy, ary efa vonona avokoa ny zavatra rehetra, koa tongava atý amin'ny fampakaram-bady ianareo. Nefa tsy nahoany akory izany, fa samy lasa nandeha izy, ny iray nankany amin'ny sahany, ny iray nankany amin'ny varony; ary ny sasany nisambotra ny ankiziny, ka nony efa notevatevainy dia novonoiny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ny fanatitra ifandraisanay aminao avo indrindra; ny nomenao no atolotray, ka enga anie izahay ho mendrika handray Anao Andriamanitra.

Kômonio Sal. 129, 7

Hatsaram-po sy fanavotana lehibe no ao amin'ny Tompo!

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, izao Sakramenta izao no iraisanay amin'i Kristy; koa mitalaho aminao mora fo izahay: enga anie hitovy endrika aminy etý an-tany ary hiray lova aminy any an-danitra.