Talata 16 aogositra 2033
Fanombohana ny Sorona Masina
Jereo, ry Andriamanitra mpanasoa anay. Todiho ny tavan'i Kristy Zanakao. Andro iray ao an-kianjanao dia tsara noho ny arivo lavitra Anao.
Andriamanitra ô, Ianao nanomana soa tsy hita maso ho an'izay tia Anao; ka alatsaho ao am-ponay ny afom-pitiavana Anao hitiavanay Anao ao amin'ny zavatra rehetra sy ambonin'ny zavatra rehetra, ka hahazoanay ny soa lavorary nampanantenainao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'ny Mpitsara
Tamin'izany andro izany, dia tonga ny Anjelin'ny Tompo ka nipetraka teo ambanin'ny terebinta tao Efrà, izay an'i Jôasy, fianakavian'i Abiesera. Nively vary teo amin'ny fitoerana famiazam-boaloboka i Jedeôna zanany tamin'izay, mba hapetrany amin'izay tsy hahitan'ny Madiàna azy. Niseho taminy ny Anjelin'ny Tompo ka nanao taminy hoe: “Momba anao ny Tompo, ry lehilahy mahery.” Fa hoy i Jedeôna taminy: “Indrisy, Tompoko, raha momba anay ny Tompo, ahoana no dia ianjeran'izao zavatra rehetra izao aminay? Ary aiza ny fahagagany rehetra izay tantarain'ny razanay aminay ataony hoe: 'Moa tsy nitondra anay niakatra avy tany Ejipta va ny Tompo?' Fa efa nafoin'ny Tompo mihitsy izahay ankehitriny; ary efa natolony eo an-tanan'ny Madiàna.”
Mba tiako tokoa ny handre Azy Tompo mirary fiadanana ho an'ireo tiany, mirary fiadanana, ho an'ireo olo-miandrandra ny tavany.
Indro mihaona tokoa ny indrafo sy ny fahamarinana. Ny rariny ombam-piadanana hatrany, ny hitsiny hita mitsiry amy tany; mitsinjo avy eny amy rahon'ny lanitra kosa ny rariny.
Handrotsaka orana anie ny Tompo, izay hampamokatra tsara ny tany; fa lalan-kizoran'ny Tompo ny rariny ombam-piadanana.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 19, 23-30Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny mpianany nanao hoe: “Lazaiko marina aminareo fa sarotra ny hidiran'ny mpanan-karena amin'ny fanjakan'ny lanitra. Ary izao koa no lazaiko aminareo: moramora kokoa ny hidiran'ny rameva amin'ny vodifanjaitra noho ny hidiran'ny mpanan-karena amin'ny fanjakan'ny lanitra.” Gaga dia gaga ny mpianany nandre izany teny izany, ka nanao hoe: “Koa iza ihany àry no mety ho voavonjy?” Nijery azy ireo i Jesoa ka nanao hoe: “Tsy hain'olombelona izany, fa vitan'Andriamanitra ny zavatra rehetra.” Namaly i Piera ka nanao taminy hoe: “Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra, ary nanaraka Anao, ka inona àry no ho azonay?” Hoy i Jesoa taminy: “Lazaiko marina aminareo fa raha mby amin'ny andro fanavaozana, ny Zanak'Olona dia hipetraka eo amin'ny fiketrahan'ny fiandrianany; ary ianareo izay nanaraka Ahy koa hipetraka amin'ny fiketrahana roa ambin'ny folo, ka hitsara ny foko roa ambin'ny folo amin'i Israely. Ary izay rehetra handao ny tranony, na ny rahalahiny, na ny anabaviny, na ny rainy, na ny reniny, na ny vadiny, na ny zanany, na ny taniny, noho ny Anarako, dia sady hahazo zato heny no handova ny fiainana mandrakizay. Nefa maro izay voalohany no ho farany, ary maro koa izay farany no ho voalohany.”
Fankalazana ny Eokaristia
Mba raiso, ry Tompo, ny fanatitra ifandraisanay aminao avo indrindra; ny nomenao no atolotray, ka enga anie izahay ho mendrika handray Anao Andriamanitra.
Hatsaram-po sy fanavotana lehibe no ao amin'ny Tompo!
Tompo ô, izao Sakramenta izao no iraisanay amin'i Kristy; koa mitalaho aminao mora fo izahay: enga anie hitovy endrika aminy etý an-tany ary hiray lova aminy any an-danitra.