Alakamisy 11 aogositra 2033

Alakamisy Fahasivy ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 73, 20. 19. 22. 23

Tsarovy, ry Tompo, ny fanekena nataonao ary tsinjovy mandrakariva ny ain'ireo mahantranao; mitsangàna Ianao, ry Tompo, ombao ny adinao, ary aza hadino ny fihantsian'ireo mila ady aminao.

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, sahinay antsoina hoe Ray Ianao; ka mba ataovy lavorary ao am-ponay ny fanahy nanangananao anay ho zanakao hahamendrika anay hahazo ny lova nampanantenainao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Jôs. 3, 7-10a. 11. 13-17

Bokin'i Jôsoe

« Ny fiaran'ny faneken'ny Tompo mialoha anareo ao anatin'i Jordany. »

Tamin'izany andro izany, hoy ny Tompo tamin'i Jôsoe: “Indro Aho hanomboka hanandratra anao eo imason'i Israely rehetra mba ho fantany fa toy ny nombàko an'i Môizy no ombàko anao koa. Ary ianao dia manomeza izao didy izao amin'ny mpisorona mitondra ny fiaran'ny fanekena: Rahefa tonga eo amoron'ny ranon'i Jordany ianareo, dia mijanòna ao anatin'i Jordany.” Ary i Jôsoe nilaza tamin'i Israely hoe: “Manatòna ianareo, ary mihainoa ny tenin'ny Tompo Andriamanitrareo.” Dia hoy i Jôsoe: “Izao no hahafantaranareo fa eo afovoanareo tokoa ny Andriamanitra velona, ka tsy maintsy horoahiny eo anoloanareo tokoa ny Kananeanina. Indro handroso eo alohanareo ao anatin'i Jordany ny fiaran'ny faneken'ilay Tompon'ny tany rehetra. Ary raha vao miroboka ao anatin'ny ranon'i Jordany ny faladian-tongotry ny mpisorona mitondra ny fiaran'Andriamanitra Tompon'ny tany rehetra, dia ho tapaka ny ranon'i Jordany, ny midina avy any ambony, ka hihandrona hoatra ny antontan-javatra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 113A, 1-2. 3-4. 5-6
Aleloia. Aleloia.
Izay mitandrina ny didin'i Kristy no manana ny fitiavana an'Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 18, 21-35 ; 19, 1
« Izaho tsy milaza aminao hamela hatramin'ny impito fa hatramin'ny impitopolo fito. »

Tamin'izany andro izany, nanatona an'i Jesoa i Piera nanao hoe: “Tompoko, raha diso impiry amiko moa ny rahalahiko no tokony hamela azy aho? Hatramin'ny impito va?” Dia hoy i Jesoa taminy: “Izaho tsy milaza aminao hoe: hatramin'ny impito fa hatramin'ny impitopolo fito. Koa amin'izany ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka anankiray izay te-hamotopototra ny toe-pananany amin'ny mpanompony; ary raha vao nanomboka nanao izany izy, dia nentiny teo aminy ny anankiray izay ananany talenta iray alina. Ary noho izy tsy nanan-kaloa, dia nasain'ny tompony hamidy izy sy ny vadiny aman-janany, mbamin'ny fananany rehetra, mba hanefana ny trosa. Dia niankohoka ilay mpanompo, ka nifona taminy hoe: “Mba omeo andro aho, dia haloako daholo ny anao rehetra.” Nangoraka ny fon'ilay tompon'izany mpanompo izany, ka sady nandefa azy handeha no namoy ny trosa taminy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Mba raiso amin'ny fo tony, ry Tompo, ny tolotra avy amin'ny Eglizinao, fa nomenao tsara fo mba hatolotra Anao ary ovan'ny herinao ho Sorona famonjena anay.

Kômonio Sal. 30, 17-18

Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema! fa manome vary matsiro mahavoky.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, enga anie hahazoanay ny famonjena ny Kômonio noraisinay ka haharitra amin'ny tena fahazavana marina izahay.