Alakamisy 04 aogositra 2033

Alakamisy Fahavalo ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 69, 2. 6

Andriamanitra ô! afaho re aho! Tompo ô, faingàna hamonjy ahy! Ianao mpitahy sy mpanafaka ahy, aza ela, ry Tompo!

Fangatahana

Tahio hatrany izahay mpanomponao, ry Tompo, ary ombao fitiavana lalandava, fa efa sambatra sy tretrika izahay manana Anao Mpahary sy Mpitantana ka havaozy ho sitrakao ny arin-tananao ary tahirizo tsy ho simba izay nohavaozinao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Fanis. 20, 1-13

Boky Fanisana

« Hamokatra harena ho azy ianao dia loharanon'ny ranovelona »

Tamin'izany andro izany, dia tonga tao amin'ny efitra Sina, tamin'ny volana voalohany ny zanak'i Israely sy ny fiangonana rehetra, ary tao Kadesy no nitoetra ny vahoaka.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 94, 1-2. 6-7. 8-9
Fiv.: Enga anie ianareo anio ka mba hahaino ny feony, aza manamafy ny fonareo.

Avia mifalia ka hobio ny Tompo. Ilay vatolampy sy vonjintsika. Andeha mankeo anoloany hisaotra. Hihira sy hiantsa ary hankalaza Azy.
Avia miondreha ary miankohofa. Hitsaoka Ilay Tompo nanao antsika, fa Izy no tena Andriamanitsika, isika vahoaka sy ondry fiandriny. Hihaino Azy ve ianareo anio? Fa izao no ambarany sy lazainy.
Aza dia mafy fo toy ny tany an'efitra, toy ny tany Masà sy tany Meribà. Ny razanareo dia nitsapa Ahy! Kanefa nahita ny asa vitako.

Aleloia. Aleloia.
Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 16, 13-23
« Ianao no Piera, vatolampy, homeko anao ny fanalahidin'ny fanjakan'ny lanitra »

Tamin'izany andro izany, tonga tany amin'ny faritanin'i Sezarean'i Filipo i Jesoa, dia nanontany ny mpianany hoe: “Ataon'ny olona ho iza moa ny Zanak'Olona?” Ary hoy ireo: “Ny sasany manao hoe: i Joany Batista, ny sasany i Elia, ary ny sasany i Jeremia, na ny anankiray amin'ny mpaminany.” Dia hoy i Jesoa taminy: “Fa ianareo kosa, ataonareo ho iza Aho?” Namaly i Simôna Piera ka nanao hoe: “Ianao no Kristy Zanak'Andriamanitra velona.” Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: “Sambatra ianao, ry Simôna zanak'i Joany, fa tsy ny nofo aman-dra no nanambara izany taminao, fa ny Raiko izay any an-danitra. Ary Izaho milaza aminao fa ianao no Piera (vato), ary eo ambonin'izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko ary ny vavahadin'ny afobe tsy haharesy azy. Homeko anao ny fanalahidin'ny fanjakan'ny lanitra, ka izay rehetra hofehezinao etý an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra, ary izay rehetra hovahanao etý an-tany, dia ho voavaha koa any an-danitra.” Ary tamin'izay dia norarany ny mpianany mba tsy hilaza amin'ny olona, fa Izy no Kristy. Hatramin'izay vao noborahin'i Jesoa tamin'ny mpianany fa tsy maintsy ho any Jerosalema Izy, ary hoampijalian'ny loholona sy ny mpanora-dalàna mbamin'ny lohandohan'ny mpisorona, dia hovonoina, ary hitsangan-ko velona rahefa afaka hateloana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Mitalaho an-tanan-androa aminao izahay, ry Tompo be indrafo, mba hamasino ireto fanatitra ireto; ary efa noraisinao ny tolotray, ka mba raiso koa izahay ho fanatitra tsy lefy mandrakizay.

Kômonio Fah. 16, 20

Nomenao mofo avy any an-danitra izahay, ry Tompo, dia mofo manana tsiro isan-karazany no sady ankafizin'ny olona rehetra.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, ombao fitahiana lalandava ireo vao nohavaozinao tamin'ny sakafo avy any an-danitra; ary tsy mitsaha-mankahery azy Ianao, ka ataovy izay hahamendrika azy hahazo ny fanavotana mandrakizay.