Talata 02 aogositra 2033
Fanombohana ny Sorona Masina
Andriamanitra ô! afaho re aho! Tompo ô, faingàna hamonjy ahy! Ianao mpitahy sy mpanafaka ahy, aza ela, ry Tompo!
Tahio hatrany izahay mpanomponao, ry Tompo, ary ombao fitiavana lalandava, fa efa sambatra sy tretrika izahay manana Anao Mpahary sy Mpitantana ka havaozy ho sitrakao ny arin-tananao ary tahirizo tsy ho simba izay nohavaozinao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky Fanisana
Tamin'izany andro izany, i Maria mbamin'i Aarôna nanome tsiny an'i Moizy noho ny amin'ny vehivavy Kosita izay efa nalainy ho vady, fa nanambady vehivavy Kosita izy. Hoy izy ireo: “Moa dia amin'ny alalan'i Môizy ihany va no efa nitenenan'ny Tompo? Moa tsy efa niteny tamin'ny alalanay va Izy?” Ren'ny Tompo izany. I Môizy anefa dia lehilahy malemy fanahy indrindra, mihoatra noho ny olona rehetra etý ambonin'ny tany.
Iantrao aho, ry Tompo Andriamanitra, fa Ianao manko lalim-pitiavana. Mba koseho re ny heloka vitako, dia diovy aho hiala amin'ny otako.
Efa niaiky hadisoana ny tenako, eo imasoko hatrany ny otako. Taminao aho no diso Andriamanitro, fantatrao avokoa ny kilemako!
Izay lazainao tokoa no hany marina. Raha mitsara ahy Ianao, ara-drariny. Fa tanaty heloka aho re no teraka, tamin'ny ota aho no torontoronina.
Fo madio vaovao no angatahiko, sy fanahy mahatoky tanteraka. Aza alàna aminao aho, ry Tompoko, ny Fanahy aza esorinao amiko!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 14, 22-36Tamin'izany andro izany, nony avy nampitombo ny mofo i Jesoa, ka nihinana sy voky ny vahoaka, dia nodidian'i Jesoa hiakatra an-tsambo kely niaraka tamin'izay ny mpianany, sy hita hialoha Azy ambarapandravany ny vahoaka; ary rahefa nampirava ny vahoaka Izy, dia niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka manokana; ka nony alina ny andro, dia Izy irery no teo. Tamin'izay ny sambo kely dia nahilangilan'ny onjan-drano teny afovoan'ny ranomasina, fa nanoha rivotra. Ary tamin'ny fiambenana fahefatra tamin'ny alina, dia nandeha teny ambonin'ny rano i Jesoa ka nankeo amin'izy ireo. Fa nony nahita Azy nandeha teny ambony rano izy ireo, dia natahotra ka nanao hoe: “Matoatoa io” sady niantsoantso izy noho ny tahony. Niaraka tamin'izay, dia niteny taminy i Jesoa nanao hoe: “Matokia, fa Izaho ihany, ka aza matahotra.” Namaly i Piera nanao hoe: “Raha Ianao àry, Tompo, asaovy hankeny aminao eny ambony rano aho.” “Avia”, hoy Izy. Dia nidina avy eny an-tsambo i Piera, ka nandeha teny ambony rano ho eny amin'i Jesoa. Kanjo nony hitany fa nahery ny rivotra, dia natahotra izy; ary nony nanomboka nilentika izy, dia niantso mafy nanao hoe: “Tompo ô, vonjeo aho!” Niaraka tamin'izay naninji-tanana i Jesoa, dia nandray azy, ka nanao taminy hoe: “Ry kely finoana, nahoana no nisalasala ianao?” Ary rahefa niakatra teo an-tsambo izy ireo, dia nitsahatra ny rivotra. Tamin'izay, ry zareo teo an-tsambo kely dia nanatona Azy sy nitsaoka Azy nanao hoe: “Tena Zanak'Andriamanitra tokoa Ianao.”
Fankalazana ny Eokaristia
Mitalaho an-tanan-androa aminao izahay, ry Tompo be indrafo, mba hamasino ireto fanatitra ireto; ary efa noraisinao ny tolotray, ka mba raiso koa izahay ho fanatitra tsy lefy mandrakizay.
Nomenao mofo avy any an-danitra izahay, ry Tompo, dia mofo manana tsiro isan-karazany no sady ankafizin'ny olona rehetra.
Tompo ô, ombao fitahiana lalandava ireo vao nohavaozinao tamin'ny sakafo avy any an-danitra; ary tsy mitsaha-mankahery azy Ianao, ka ataovy izay hahamendrika azy hahazo ny fanavotana mandrakizay.