Alarobia 27 jolay 2033

Alarobia Fahafito ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 67, 6-7. 36

Andriamanitra ao amin'ny toerany masina; mampiditra ny olony ao an-tranony, manome hery sy tanjaka ny vahoakany.

Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao no vonjin'izay miankina aminao ary raha tsy Ianao, tsy misy na inona na inona vanona na masina; koa noho ny famindram-ponao tsy misy fetra dia tahio izahay mampiasa ny zava-mandalo eto an-tany mba tsy ho very anjara amin'ny harena mandrakizay.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Eks. 34, 29-35

Boky Eksaody

« Nahita ny endrik'i Môizy izy ireo dia natahotra ny hanatona azy. »

Tamin'izany andro izany, nidina avy tany an-tendrombohitra Sinaia i Môizy, ary i Môizy nitondra ny takelaka roan'ny vavolombelona teny an-tanany nony nidina avy any an-tendrombohitra; ary tsy fantatr'i Môizy fa tonga nandefa tsirim-pahazavana ny hodi-tavany, nandritra ny niresahany tamin'ny Tompo. I Aarôna sy ny zanak'i Israely rehetra nahita an'i Môizy ka indro nandefa tsirim-pahazavana ny hodi-tavany dia natahotra ny hanatona azy izy ireo. Nantsoin'i Môizy ireo, ka nanatona azy i Aarôna sy ny loholona rehetra amin'ny fiangonana ka niresaka tamin'ireo izy. Vao izay vao nanatona azy koa ny zanak'i Israely rehetra, ka nomeny azy ny didy rehetra noraisiny tamin'ny Tompo tany an-tendrombohitra Sinaia. Nony avy niteny i Môizy, dia nosaronany voaly ny tarehiny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 98, 5. 6. 7. 9.
Fiv.: Eny, marina ny Tompo Andriamanitsika.

Asandrato ny Tompo Andriamanitra! Iankohofy ny Fitoeran-Tongony: fa Masina Izy!
I Môizy sy i Aarôna tamin'ireo Mpisorony, i Samoela tamin'ireo Mpiantso ny Anarany. Samy niantso ny Tompo ka novaliany.
Nitenenany tanaty andry rahona, nitandrina ny Fanambaràna sy ny Fitsipika izay nomeny.
Asandrato ny Tompo Andriamanitsika, miankohofa eo amin'ny Vohiny Masina! Masina ny Tompo Andriamanitra!

Aleloia. Aleloia.
Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin'ny lalànao.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 13, 44-46
« Lasa nivarotra ny fananany rehetra izy, ka nividy ilay saha. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny vahoaka nanao hoe: “Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny rakitra nafenina tany an-tsaha, izay hitan'olona ka nafeniny tao ihany aloha; dia lasa tamin-karavoana izy nivarotra izay rehetra mety ho fananany, ary nividy io saha io. Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny mpandranto mitady voahangy tsara. Ary nony nahita anankiray be vidy izy, dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mba raiso ny tolotray fa avy aminao mazava fo sy malala-tanana ka noho ny herin'ny fahasoavanao, enga anie itý mistery itý hanamasina anay eto anivon'ny fiainana ankehitriny ary hitondra anay any amin'ny hasambarana mandrakizay.

Kômonio Sal. 102, 2

Isaory ny Tompo, ry fanahiko, aza misy hadinoina ny soa avy aminy.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, avy nandray ny Kômonio masina fahatsiarovana ny fijalian'ny Zanakao izahay, koa mihanta aminao: enga anie hitondra vonjy ho anay izany fanomezana izany fa avy amin'Ilay fatra-pitia anay.