Zoma 22 jolay 2033

Zoma Fahaenina ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 53, 6-8

Indro Andriamanitra manampy ahy, ny Tompo no mpanohana ny fanahiko. Hanolotra Sorona aminao amin'ny foko manontolo aho, ry Tompo, hidera ny hasoan'ny Anaranao.

Fangatahana

Henoy vavaka izahay mpanomponao, ry Tompo, ary ampitomboy ao aminay ny fahasoavanao; hoentanin'ny fanantenana sy ny finoana ary ny fitiavana anie ny fonay haharetanay lalandava mitandrina ny didinao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Eks. 20, 1-17

Boky Eksaody

« Ny lalàna nomena tamin'ny alalan'i Môizy. »

Tamin'izany andro izany, Andriamanitra nanonona ireto teny rehetra ireto tamin'i Môizy nanao hoe: “Izaho no Tompo Andriamanitrao, izay namoaka anao tany amin'ny tany Ejipta, tany amin'ny trano fanandevozana. Tsy hanana andriamani-kafa eo anatrehako ianao. Tsy hanao sarin-javatra voasokitra ho anao, na sary fampisehoana ny zavatra eny amin'ny lanitra ambony, na ny any amin'ny rano ambanin'ny tany. Tsy hiankohoka eo anatrehan'ireny na hanompo azy akory ianao, fa Izaho Tompo Andriamanitrao dia Andriamanitra saro-piaro, ka amin'izay mankahala Ahy, mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny taranaka fahatelo sy fahefatra, ary amin'izay tia Ahy sy mitandrina ny didiko kosa, mamindra fo hatramin'ny taranaka faharivo. Tsy hanonom-poana ny Anaran'ny Tompo Andriamanitrao ianao, fa tsy havelan'ny Tompo tsy ho voasazy izay manonom-poana ny Anarany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 18, 8. 9. 10. 11
Fiv.: Ianao no manana ny tenin'ny fiainana mandrakizay.

Ny Lalàn'ny Tompo lavorary, mamelombelona fanahy. Ny didin'ny Tompo mahatoky, mampahendry olon-tsotra.
Ny fitsipiky ny Tompo mahitsy, mahafaly ny fo. Ny baikon'ny Tompo mazava, manilo ny maso.
Ny tahotra ny Tompo madio, maharitra mandrakizay. Ny fitsaran'ny Tompo fahamarinana, samy rariny avokoa.
Maha-te haniry noho ny volamena, sy ny avosam-bolamena madio; mamy noho ny tantely, sy ny tohon-tantely mitsonika.

Aleloia. Aleloia.
Sambatra ireo mitana ny tenin'Andriamanitra amin'ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin'ny faharetana.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 13, 18-23
« Izay mihaino ny teny ka mahalala azy dia mamoa. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny mpianany nanao hoe: “Henoy àry ny hevitry ny fanoharana ny amin'ny mpamafy. Raha misy mandre ny tenin'ny fanjakan'Andriamanitra nefa tsy mahalala, dia avy ilay Ratsy ka manesotra izay voafafy tao am-pony: dia izany no ilay nafafy teny an-dalam-be. Ary ilay nafafy tamin'ny tany be vato no izay mandre ny teny sy mandray azy an-kafaliana miaraka amin'izay, nefa tsy miorim-paka izy ka tsy maharitra ela; fa nony misy fahoriana sy fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin'izay izy. Ilay nafafy tany anaty tsilo no izay mandre ny teny fa ny fiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mamono ny teny ao aminy, ka tonga tsy mamoa izy. Fa ilay nafafy tamin'ny tany lonaka kosa no izay mandre ny teny ka mahalala azy; dia mamoa, ny sasany avo zato heny, ny sasany enimpolo heny, ary ny sasany telopolo heny.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Andriamanitra ô, Sorona tokana tonga lafatra no nandavorarianao ireo sorona isan-karazany tamin'ny lalana fahiny; koa raiso ny tolotra ataonay mpanomponao ary hamasino sy tsofy rano toy ny fanatitr'i Abela mba hahavonjy ny be sy ny maro izay atolotry ny tsirairay hanajana Anao avo indrindra.

Kômonio Sal. 110, 4-5

Nahefa zava-mahagaga tsy very tadidy ny Tompo mangoraka sy antra; manome hanina ny matahotra Azy.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Tompo, ombao fitahiana izahay vahoakanao vao nofahananao ny sakafo avy any an-danitra, ka mba esory hiala amin'ny toetranay fahiny ary ento hankeo amin'ny fiainam-baovao.