Alakamisy 14 jolay 2033

Alakamisy Fahadimy ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 16, 15

Hohamarinina aho ka hiseho eo anatrehanao; hiala liana mibanjina ny voninahitrao.

Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao mampiposaka ny hazavan'ny fahamarinanao hampody lalana ireo naniasia: koa tahio ireo manaraka ny finoana kristianina mba hitsipaka izay mifanohitra amin'ny anarana entiny sy hifikitra amin'izay tena maha-kristianina azy.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Eks. 3, 13-20

Boky Eksaody

« Izaho no Ilay Misy. Ilay Misy no maniraka ahy ho atý aminareo. »

Tamin'izany andro izany, i Môizy dia nahare ny feon'Andriamanitra avy tao amin'ny zava-maniry milobolobo, ka hoy izy taminy: “Izao àry dia ho any amin'ny zanak'i Israely aho, ka hilaza aminy hoe: 'Irahin'ny Andriamanitry ny razanareo aho ho atý aminareo.' Raha manontany izay anarany izy, dia ahoana no havaliko azy ireo?” Hoy Andriamanitra tamin'i Môizy: “Izaho no Ilay Misy. Izany, hoy Izy, no havalinao ny zanak'i Israely: Ilay Misy no naniraka ahy ho atý aminareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 104, 1 sy 5. 8-9. 24-25. 26-27
Fiv.: Tsaroan'ny Tompo mandrakizay ny fanekeny.

Derao ny Tompo! Antsoy ny Anarany! Ampahafantaro ny vahoaka ny asany ambony! Tsarovy ny asa mahagaga nataony, ny asany mahatalanjona, ny fitsaran'ny vavany.
Tsaroany mandrakizay ny fanekeny: dia ny teny napetrany ho an'ny taranaka arivo: ilay niantorahany tamin'i Abrahama, sy nianianany tamin'i Isaaka.
Nohamaroiny fatratra ny Vahoakany, sy nataony mahery noho ny rafiny. Ny fon'ireto novàny hankahala ny Vahoakany, sy hamely am-pitaka an'ireo mpanompony.
Kanjo nalefany i Môizy mpanompony, sy i Aarôna ilay voafidiny. Ireo no nametrahany ny Famantarany tany an'efitra, sy ny fahagagany tany amin'ny tanin'i Kama.

Aleloia. Aleloia.
Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 11, 28-30
« Malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa nanao hoe: “Mankanesa atý amiko ianareo rehetra mijaly sy vesaram-pahoriana fa hanamaivana anareo Aho. Ento ny jiogako, ary mianara amiko fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho, dia hahita fiadanana ho an'ny fanahinareo ianareo; fa mora entina ny jiogako ary maivana ny hazofijaliako.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Topazo maso miantra, ry Tompo, ireto fanatitry ny Eglizy mitalaho aminao, ary mba omeo ny mpino rehetra ny vatsy natao hampitombo fahamasinana azy.

Kômonio Sal. 83, 4-5

Ny fody mahita trano, ny sidintsidina mahita akany ho an-janany ao amin'ny tempolinao, ry Tompon'ny hery rehetra, ry Mpanjakako sy Andriamanitro. Ka sambatra izay monina ao an-tranonao, fa hidera Anao mndrakizay izy ireo.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, nandray ny fanomezanao masina izahay, ka enga anie ny fandraisanay Kômonio matetika hampitombo ny vokatry ny famonjena anay.