Asabotsy 09 jolay 2033
Fanombohana ny Sorona Masina
SABOTSY
Andriamanitra ô, mivetso ny hatsaram-ponao eto amin'ny tempolinao izahay. Manerana ny vazan-tany ny Anaranao, ry Tompo, ka deraina hatraiza hatraiza. Ny fahamarinana dia eo an-tananao.
Andriamanitra ô, ny Zanakao nietry tena no nanarenanao ny olombelona lavon'ny fahotana, koa ataovy heni-kafaliana masina izahay mino Anao, ary enga anie izahay nafahanao tamin'ny fanandevozan'ny fahotana mba hataonao finaritra migoka ny haravoana tsy manam-pahataperana.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky Jenezy
Tamin'izany andro izany, dia izao no hafatra napetrak'i Jakôba tamin-janany: “Efa hakambana any amin'ny razako aho izao, ka aleveno any amin'ny razako, anatin'ny zohy izay ao amin'ny sahan'i Efrôna, Heteanina; anatin'ny zohy amin'ny saha Makpelà, tandrifin'i Mambre, any amin'ny tany Kanaana; dia izay novidin'i Abrahama mbamin'ny saha, tamin'i Efrôna, Heteanina, hananany fasana ho azy. Tao no nandevenana an'i Abrahama sy i Sarà vadiny. Tao no nandevenana an'i Isaaka sy i Rebekà vadiny. Ary tao no nandevenako an'i Leà. Tamin'ny taranak'i Heta no nividianana ny saha mbamin'ny zohy ao aminy.”
Mankalazà ny Tompo, miantsoa ny Anarany; ampahafantaro eny amin'ny firenena ny asa lehibe nataony. Mihirà ho Azy; mankalazà Azy! Torio ny fahagagana rehetra ataony.
Mireharehà amin'ny Anarany masina: hiravoravo anie ny fon'izay mitady ny Tompo. Mitadiava ny Tompo sy ny heriny: aza mitsahatra ny mitady ny tavany.
Ry taranak'i Abrahama mpanompony, tamingan'i Jakôba olom-boafidiny. Izy no Tompo Andriamanitsika; mihatra amin'ny tany rehetra ny fitsarany.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 10, 24-33Tamin'izany andro izany i Jesoa niteny tamin'ny Apôstôliny nanao hoe: “Ny mpianatra tsy ambony noho ny mpampianatra, na ny mpanompo noho ny tompony; fa ampy ho an'ny mpianatra ny tahaka ny mpampianatra azy, ary ho an'ny mpanompo ny tahaka ny tompony. Raha ny lohan'ny fianakaviana aza nantsoiny hoe Belzeboba, mainka fa ny ankohonany: koa aza matahotra azy ianareo. Fa tsy misy takona izay tsy haseho, na miafina izay tsy ho fantatra. Izay lazaiko anareo ao amin'ny maizina, dia ambarao eo amin'ny mazava; ary izay bitsibitsihina amin'ny sofinareo, torio eny ambony tafon-trano; ary aza matahotra izay mamono ny vatana fa tsy mahay mamono ny fanahy, fa aleo matahotra izay mahay mamarina ny vatana sy ny fanahy any amin'ny afobe. Moa tsy varifitoventy monja va no vidin'ny fody roa. Kanefa na ireny aza tsy hisy latsaka amin'ny tany iray akory raha tsy avelan'ny Rainareo. Na ny volondohanareo aza dia efa voaisa avokoa. Koa aza matahotra, fa mihoa-bidy lavitra noho ny fody maro ianareo. Ary amin'izany, izay rehetra hanaiky Ahy eo anatrehan'ny olona, dia hoekeko kosa izy eo anatrehan'ny Raiko izay any an-danitra; ary izay handà Ahy eo anatrehan'ny olona, dia holaviko kosa izy eo anatrehan'ny Raiko izay any an-danitra.”
Fankalazana ny Eokaristia
Tompo ô, handio anay anie ny fanatitra atolotray hanajana ny Anaranao masina, ary hitantana anay isan'andro hanao asa mendrika ny lanitra.
Andramo ary zahao fa tsara ny Tompo; sambatra ny olona mitoky aminy.
Tototry ny soa sarobidy avy aminao izahay, ry Tompo, ka mihanta aminao: mba ataovy mahazo ny fanomezana mahavonjy ary tsy hitsahatra midera Anao.