Talata 05 jolay 2033

Talata Fahaefatra ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 47, 10-11

Andriamanitra ô, mivetso ny hatsaram-ponao eto amin'ny tempolinao izahay. Manerana ny vazan-tany ny Anaranao, ry Tompo, ka deraina hatraiza hatraiza. Ny fahamarinana dia eo an-tananao.

Fangatahana

Andriamanitra ô, ny Zanakao nietry tena no nanarenanao ny olombelona lavon'ny fahotana, koa ataovy heni-kafaliana masina izahay mino Anao, ary enga anie izahay nafahanao tamin'ny fanandevozan'ny fahotana mba hataonao finaritra migoka ny haravoana tsy manam-pahataperana.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Jen. 32, 22-32

Boky Jenezy

« Hatao hoe Israely ny anaranao, satria efa niady tamin'Andriamanitra ianao ka nahery. »

Tamin'izany andro izany, dia nitsangana andro alina i Jakôba, nalainy ny vadiny roa sy ny ankiziny roa vavy ary ny zanany iraika ambin'ny folo lahy: dia nita tamin'ny fitàna tao Jabaoka izy. Nalainy ireo, nampitainy ny rano, ary nampitainy koa ny fananany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 16, 1. 2-3. 6-7. 8b sy 15
Fiv.: Hibanjina ny tavanao aho, noho ny fahamarinako.

Henoy ny antsoko, ry Tompo! Ekeo re ny tarainako! Mampandria sofina amin'ny tonom-bavako, izay tsy avy amina molotra mpamitaka!
Ny tavanao mamoaha ny rariny ho ahy; ny masonao mahità ny hitsiny. Savao ny foko; tampohy alina aho; manasedrà, fa tsy hahita tsiny!
Miantso aho, ka valio Andriamanitra: anongilano sofina, henoy teny! Ataovy mahatalanjona ny hatsaram-ponao lehibe, ry Ilay Mpamonjy amin'ny fahavalo an'izay mifefy amin'ny tananao!
Ambeno toy ny anakandriamaso aho; afeno ao amin'ny aloky ny elatrao! Izaho noho ny fahamarinako, hibanjina ny tavanao, hivoky amin'ny endrikao raha mifoha!

Aleloia. Aleloia.
Velomy araka ny hatsaram-ponao aho; mba hitandremako ny fanambarana avy amin'ny vavanao.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 9, 32-38
« Ny vary hojinjaina be, fa ny mpijinja no vitsy. »

Tamin'izany andro izany, indro nentin'ny olona teo amin'i Jesoa itý lehilahy anankiray sady moana no azon'ny demony. Ary nony voaroaka ny demony, dia niteny ilay moana ka gaga ny vahoaka sady nanao hoe: “Tsy mbola nisy toa izany tamin'i Israely.” Fa ny Farisianina kosa nanao hoe: “Ny lehiben'ny demony no androahany ny demony.” Ary i Jesoa nitety ny tanàna sy ny vohitra rehetra, nampianatra teo amin'ny sinagôgany sy nitory ny evanjelin'ny fanjakan'Andriamanitra, ary nahasitrana ny aretina mbamin'ny rofy rehetra. Onena Izy nahita ireto vahoaka be nijaly sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry. Dia hoy Izy tamin'ny mpianany: “Ny vary hojinjaina be, fa ny mpijinja no vitsy; koa mihantà amin'ny tompom-bary mba haniraka mpijinja amin'ny variny.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Tompo ô, handio anay anie ny fanatitra atolotray hanajana ny Anaranao masina, ary hitantana anay isan'andro hanao asa mendrika ny lanitra.

Kômonio Sal. 33, 9

Andramo ary zahao fa tsara ny Tompo; sambatra ny olona mitoky aminy.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tototry ny soa sarobidy avy aminao izahay, ry Tompo, ka mihanta aminao: mba ataovy mahazo ny fanomezana mahavonjy ary tsy hitsahatra midera Anao.