Asabotsy 02 jolay 2033

Asabotsy Fahatelo ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

SABOTSY

Tononkira fidirana Sal. 46, 2

Mitehafa tanana, ry vahoaka rehetra, miderà an'Andriamanitra amin'ny hobim-pifaliana.

Fangatahana

Andriamanitra ô, ny fahasoavanao no nanangananao anay ho zanaky ny fahazavana, koa mihanta aminao izahay aza avela ho rakotry ny haizin'ny hevi-diso fa ataovy mamiratra lalandava amin'ny fahazavan'ny fahamarinana.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Jen. 27, 1-5. 15-29

Boky Jenezy

« Naka ny fizokian'ny rahalahiny i Jakôba ary naka ny tso-drano koa. »

Efa antitra i Isaaka ka efa nanjavona ny masony ka tsy nahita intsony. Dia niantso an'i Esao zanany lahimatoa izy, ka nanao taminy hoe: “Anaka.” Ary hoy io taminy: “Intý aho.” Dia hoy i Isaaka: “Hitanao fa efa antitra aho izao; ary tsy fantatro izay andro hahafatesako. Koa ankehitriny, alao ny fitaovanao, dia ny tranon-janatsipîkanao sy ny tsipîkanao, ka mandehana any an-tsaha, ka mamonoa biby fihaza ho ahy. Dia anaovy nahandro tsara ho ahy izany, araka ilay tiako; ka ento atý amiko hohaniko, mba hitsofan'ny fanahiko rano anao, dieny mbola tsy maty aho.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana
Fiv.: Miderà ny Tompo fa tsara Izy.

Derao ny Tompo! Derao Izy, ry mpanompon'ny Tompo, ianareo izay mijanona ao an-tranon'ny Tompo, ao an-kianjan'ny tranon'ny Andriamanitsika!
Derao ny Tompo fa tsara! Antsao ny Anarany fa mamy! Fa i Jakôba nofidîn'ny Tompo ho azy; i Israely, ho fananany!
Fantaro fa lehibe ny Tompo. Mihoatra ny andriamanitra rehetra ny Andriamanitsika! Izay sitraky ny Tompo, ataony avokoa: any an-danitra sy eto an-tany.

Aleloia. Aleloia.
Niteraka antsika an-tsitra-po tamin'ny tenin'ny fahamarinana Izy, mba ho santatry ny zava-boaariny isika.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 9, 14-17
« Moa mahazo misaona va ny olona raha mbola eo ny mpampakatra? »

Tamin'izany andro izany, nankao amin'i Jesoa ny mpianatr'i Joany ka nanao hoe: “Nahoana izahay sy ny Farisianina no mifady hanina matetika, fa ny mpianatrao kosa no tsy mba mifady?” Ary hoy i Jesoa taminy: “Moa mahazo misaona va ny zanaky ny mpampakatra raha mbola eo aminy ny mpampakatra? Fa mbola ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra hiala aminy, ka amin'izay vao hifady hanina izy. Ary tsy misy olona manampina akanjo tonta amin'ny tapa-damba vaovao, fa handrovitra ny tonta ny vao ka hitatra ny rovitra. Ary ny barîka hoditra tonta tsy mba fasiana divay vaovao; fa raha izany, dia ho vaky ny barîka, ka ny divay raraka, ary ny barîka simba; fa ny barîka hoditra vaovao no fasiana divay vaovao, dia samy maharitra izy roroa.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Andriamanitra ô, Ianao no mampisy hasina ny Sorona atolotray, ka enga anie ny fanompoanay Anao hifanaraka amin'ireto fanatitra masina ireto.

Kômonio Sal. 102, 1

Isaory ny Tompo, ry fanahiko, isaory ny Anarany masina, ry hery ao anatiko rehetra!

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie hankahery anay bebe kokoa ny Sorona masina natolotray sy nandraisanay anjara izao, ary enga anie izahay ho tia Anao sy hiray aminao hatrany ka hitondra vokatra maharitra mandrakizay.