Alakamisy 30 jona 2033

Alakamisy Fahatelo ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 46, 2

Mitehafa tanana, ry vahoaka rehetra, miderà an'Andriamanitra amin'ny hobim-pifaliana.

Fangatahana

Andriamanitra ô, ny fahasoavanao no nanangananao anay ho zanaky ny fahazavana, koa mihanta aminao izahay aza avela ho rakotry ny haizin'ny hevi-diso fa ataovy mamiratra lalandava amin'ny fahazavan'ny fahamarinana.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Jen. 22, 1-19

Boky Jenezy

« Ny sorona nataon'i Abrahama Razambentsika. »

Tamin'izany andro izany, nizaha toetra an'i Abrahama Andriamanitra ka nanao taminy hoe: “Ry Abrahama ô!” Ary hoy izy: “Intý aho.” Dia hoy Andriamanitra: “Ento ny zanakao, ilay lahitokanao, ilay tianao, dia i Isaaka, ka mankanesa any amin'ny tany Môrià, ary rehefa mby any, atero izy ho sorona dorana eo ambonin'ny anankiray amin'ny tendrombohitra hatoroko anao.” Nifoha maraina koa i Abrahama, nanisy lasely ny ampondrany, naka roa lahy tamin'ny mpanompony hiaraka aminy, sy i Isaaka zanany, ary namaky ny hazo hataina amin'ny sorona dorana, dia niainga nankany amin'ny tany efa nolazain'Andriamanitra azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 114, 1-2. 3-4. 5-6. 8-9
Fiv.: Koa hizotra eo anatrehan'ny Tompo aho, any amin'ny tanin'ny velona.

Izaho tia ny Tompo, noho Izy mandre ny feoko mihanta: itongilanany sofina aho amin'ny andro iantsoako Azy!
Efa voagejan'ny rohin'ny fahafatesana aho, efa niantontàn'ny haraton'ny Seoly, tojo fahoriana sy ahiahy, ka niantso ny Anaran'ny Tompo.
Ny Tompo antra sy marina; ny Andriamanitray mahay mangoraka; ny Tompo Mpiaro ny olon-tsotra: osa aho ka novonjeny.
Eny, Ianao no manafaka ny aiko amin'ny fahafatesana, ny masoko amin'ny tomany, ny tongotro amin'izay manafintohina!

Aleloia. Aleloia.
Fanilo ho an'ny tongotro ny teninao, ry Tompo, ary fanazavana ny lalako.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 9, 1-8
« Nankalaza an'Andriamanitra ny vahoaka noho Izy nanome fahefana ny olona toy izany. »

Tamin'izany andro izany, niondrana tamin'ny sambo kely i Jesoa, dia nita ka tonga tao an-tanànany. Dia indro nisy lehilahy anankiray malemy nandry tamin'ny fandriany nentin'ny olona teo aminy. Nony nahita ny finoan'ireo i Jesoa, dia hoy Izy tamin'ilay malemy: “Matokia anaka, fa voavela ny helokao.” Tamin'izay ny sasany tamin'ny mpanora-dalàna nanao anakampo hoe: “Miteny ratsy an'Andriamanitra ilay io.” Fa i Jesoa nahalala ny eritreriny ka nanao hoe: “Nahoana ianareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo? Inona no moramora kokoa, ny manao hoe: 'Voavela ny helokao', sa ny manao hoe: 'Mitsangàna, ka mandehana?' Ary mba ho fantatrareo fa ny Zanak'Olona manam-pahefana etý an-tany hamela heloka”, dia hoy Izy tamin'ilay malemy: “Mitsangàna, ento ny fandrianao, ary modia any an-tranonao.” Dia nitsangana izy ka nody tany an-tranony. Nony nahita izany ny vahoaka, dia natahotra sy nankalaza an'Andriamanitra noho Izy nanome ny olona fahefana toy izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Andriamanitra ô, Ianao no mampisy hasina ny Sorona atolotray, ka enga anie ny fanompoanay Anao hifanaraka amin'ireto fanatitra masina ireto.

Kômonio Sal. 102, 1

Isaory ny Tompo, ry fanahiko, isaory ny Anarany masina, ry hery ao anatiko rehetra!

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie hankahery anay bebe kokoa ny Sorona masina natolotray sy nandraisanay anjara izao, ary enga anie izahay ho tia Anao sy hiray aminao hatrany ka hitondra vokatra maharitra mandrakizay.