Alatsinainy 13 jona 2033
Fanombohana ny Sorona Masina
Henoy, ry Tompo, ny feoko miantso Anao. Tongava hamonjy ahy, aza manary ahy, aza mahafoy ahy, ry Andriamanitra Mpamonjiko.
Ry Andriamanitra be fiantra ô, Ianao no andry iankinan'izay manantena Anao; ka atreho ny vavaka ataonay: ary raha tsy Ianao, tsy mahefa na inona na inona izahay fa nofo sy ra ka ombao fahasoavana mandrakariva hitandrina ny didinao mba hifanaraka amin'ny sitraponao na ny hevitray na ny asanay.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôrinto
Ry kristianina havana, noho izahay mpiara-miasa amin'Andriamanitra, dia mihanta aminareo izahay mba tsy handray foana ny fahasoavan'Andriamanitra ianareo; fa hoy Izy: “Tamin'ny fotoana tsara, nihaino anao Aho, ary tamin'ny androm-pamonjena namonjy anao Aho”; indro, ankehitriny ny fotoana tsara; indro, ankehitriny ny androm-pamonjena sady tsy avelanay hisy manafintohina izay rehetra ataonay, mba tsy ho azo tsinîna ny fandraharahanay, fa mainka ny zavatra rehetra entinay hahamendrika ny tenanay araka ny mety amin'ny mpandraharahan'Andriamanitra: dia faharetana lehibe amin'ny fahoriana, amin'ny fahaterena, amin'ny fahantrana, amin'ny kapoka, amin'ny tranomaizina, amin'ny tabataba, amin'ny fisasarana, amin'ny fiaretan-tory, amin'ny fifadian-kanina; ary fahadiovan-toetra, fahalalana, faharetam-po, hamoram-panahy, ny Fanahy Masina, fitiavana tsy mihatsaravelatsihy, tory teny marina, ny herin'Andriamanitra, ny fiadian'ny fahamarinana, na amin'ny ankavanana na amin'ny ankavia; na omem-boninahitra na alam-baràka, na ratsy laza na tsara laza; honoina ho mpamitaka, nefa mpilaza ny marina; ho olon-tsy fantatra, nefa fantatra tsara; sy ho efa ho faty, nefa indro fa velona; ho faizina mafy, nefa tsy maty tsy akory; ho ampalahelovina, nefa faly mandrakariva; ho mahantra, nefa nampanan-karena ny maro; ho tsy manana na inona na inona, nefa manana ny, zavatra rehetra.
Ihirao hira vao ny Tompo: fa nahavita zava-mahagaga! Namonjy Azy ny tanany havanana, nanampy Azy ny sandriny masina.
Ny Tompo nanambara ny famonjeny, sy naneho ny fahamarinany tamin'ireo firenena! Tsarovy, ry tranon'i Israely, ny hatsaram-po sy fahamarinany!
Zahao, ry vazan-tany rehetra, ny famonjen'Andriamanitray! Mihobia ny Tompo, ry tany tontolo! Mientàna, mihobia sy miantsà!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 5, 38-42Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny mpianany nanao hoe: “Efa renareo fa voalaza hoe: Maso efai-maso, nify efai-nify. Fa Izaho kosa milaza aminareo tsy hamaly ratsy akory; fa raha misy mamely tehamaina ny takolakao ankavanana, dia atolory azy koa ny ilany; ary raha misy te-hiady aminao mba hahazoany ny akanjonao, dia afoizo ho azy koa ny lambanao; ary raha misy manery anao hiaraka aminy arivo dingana, miaraha aminy roa arivo. Omeo izay mangataka aminao, ary aza ilaoza-mihataka izay te-hisambotra aminao.”
Fankalazana ny Eokaristia
Andriamanitra ô, ireto fanatitra ireto no amelomanao sy anavaozanao ny olombelona; koa mihanta aminao izahay: enga anie tsy ho diso anjara amin'ny soa ateraky ny Sakramenta ny fanahy amam-batanay.
Ny zava-tokana angatahiko amin'ny Tompo ary katsahiko indrindra, dia ny honina ao an-tranon'ny Tompo amin'ny andro rehetra hiainako.
Manambara ny firaisan'ny mpino ao aminao, ry Tompo, ny Kômonio masina nomenao, ka enga anie ho tonga lafatra ny firaisanay ao amin'ny Eglizinao.