Talata 07 jona 2033

Talata Fahafolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 26, 1-2

Ny Tompo no faniloko sy vonjiko: iza no hatahorako? Ny Tompo no mandan'ny aiko: zovy no hangovitako?

Fangatahana

Ry Andriamanitra Andriananahary ô, loharano iavian'ny soa rehetra Ianao, koa mitalaho aminao izahay: mba tsilovy hahita ny marina ary tantano hanatontosa azy.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany 2 Kôr. 1, 18-22

Taratasy faharoan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôrinto

« Tsy nisy “eny” sy “tsia” ao amin'i Jesoa, fa “eny” ihany no tao aminy. »

Ry kristianina havana, araka ny maha-marina fa mahatoky Andriamanitra no tsy maha-“eny” sy “tsia” ny teninay taminareo. Satria ny Zanak'Andriamanitra dia i Kristy Jesoa izay notorìnay sy i Silvano ary i Timôte taminareo tsy nisy “eny” sy “tsia”, fa “eny” ihany no tao aminy. Fa na firy na firy fampanantenana avy amin'Andriamanitra, dia tao amin'i Jesoa ihany ny “eny”, ka dia amin'ny alalany sy amin'ny asanay koa no anaovana “Amen” mba ho voninahitr'Andriamanitra. Ary tsy iza no mampaharitra anay mbaminareo ao amin'i Kristy, fa Andriamanitra izay naha-voahosotra antsika, sy nanisy tombo-kase antsika koa, ary nanome ny Fanahy ho antoka ao am-pontsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 118, 129-130. 131-132. 133 sy 135
Fiv.: Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ry Tompo.

Tantely mandriaka ny Fanambarànao: Izany no itandreman'ny fanahiko azy! Vavahady mazava ny Teninao, sy mampahazo fahalalana ny olon-tsotra!
Misokatra ny vavako; miemponempona aho; ny Baikonao no mahaliana ahy! Todiho aho ka iantrao araka ny fanaonao amin'izay tia ny Anaranao!
Araka ny Teninao, hamafiso ny famindrako; aoka tsy hisy faharatsiana hizaka ahy! Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao; ampianaro ahy ny Fitsaranao!

Aleloia. Aleloia.
Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 5, 13-16
« Ianareo no fahazavan'izao tontolo izao. »

Tamin'izany andro izany i Jesoa niteny tamin'ny mpianany nanao hoe: “Ianareo no fanasin'ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, hatao ahoana no fanasina azy indray? Tsy ho azo atao inona intsony izy, fa hariana any alatrano hohitsahin'ny olona. Ianareo no fahazavan'izao tontolo izao: tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra, ary tsy misy olona mampirehitra jiro, ka mametraka azy ao ambanin'ny vata famarana, fa eo ambonin'ny fanaovan-jiro no apetrany mba hanazava izay rehetra ao an-trano. Aoka hazava eo imason'ny olona tahaka izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa soa ataonareo, ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Ry Tompo be indrafo ô, topazo maso izahay manompo Anao, dia ho sitrakao ny fanatitray ary hitombo ny fitiavanay.

Kômonio Sal. 17, 3

Ny Tompo no vatolampiko, tany ialofako sy mpanafaka ahy; Izy no Andriamanitro sy andriko.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, ny Sakramentanao manasitrana ny rofy rehetra anie hanafaka anay amin'ny ratsy isan-karazany sy hitarika anay hizotra amin'ny lala-mahitsy.