Talata 08 martsa 2033
Fanombohana ny Sorona Masina
Karemy — Herinandro voalohany
Tompo ô, Ianao no fialofanay hatramin'ny taranaka mifandimby! Nisy hatramin'ny mandrakizay Ianao, ka haharitra mandrakizay.
Topazo maso izahay fianakavianao, ry Tompo, ka enga anie izao famolahana ny nofo ilofosanay izao hampamirapiratra eo imasonao ny fonay maniry te-hihaona aminao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Izaia Mpaminany
Izao no lazain'ny Tompo: “Tahaka ny ranonorana aman'oram-panala milatsaka avy any an-danitra ka tsy miverina any raha tsy efa mahavonto sy mahalonaka ny tany, sy mampaniry ny zavatra mitsiry avy aminy, ka mampahazo voa famafy ny mpamafy, ary hanina ho an'ny mpihinana; toy izany ny teniko izay aloaky ny vavako: tsy miverina amiko foana izy, fa mahatanteraka izay tiako, sy mahatontosa izay namoahako azy.”
Mankalazà ny Tompo miaraka amiko; miaraha isika midera ny Anarany! izaho nihanta tamin'ny Tompo ka nekeny; ny tahotro rehetra nalàny tamiko.
Mibanjîna Azy fa ho mirana ny tavanareo tsy hangaihay. Itý ory: velona antso ka novalian'ny Tompo, ny ahiahiny rehetra namonjeny azy.
Ny mason'ny Tompo amin'ny olo-marina, ny sofiny amin'ny tolokon'ireo. Ny tavan'ny Tompo amin'ny mpanao ratsy, mba hahavery tadidy azy eto an-tany.
Ny olo-marina vao miantso dia henon'ny Tompo, ny ahiahiny rehetra esoriny aminy. Ny Tompo eo anilan'ny torotoro fo, sy mamonjy ny rera-tsaina.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 6, 7-15Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny mpianany nanao hoe: “Raha mivavaka ianareo dia aza mba maro teny tahaka ny jentily, fa ataony ho ny hamaroan'ny teniny no hihainoana azy. Koa aza manahaka azy ianareo, fa na mbola tsy mangataka aminy aza ianareo, fantatry ny Rainareo izay ilainareo. Koa mivavaha toy izao ianareo: Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny Anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao etý an-tany tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio ny hanina sahaza ho anay; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay ary aza avelanao ho resin'ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin'ny ratsy. Amen. Fa raha mamela ny hadisoan'ny olona ianareo, dia havelan'ny Rainareo any an-danitra koa; fa raha tsy mamela ny hadisoan'ny olona kosa ianareo, dia tsy havelan'ny Rainareo koa ny hadisoanareo.”
Fankalazana ny Eokaristia
Ry Andriamanitra Andriananahary ô, mba raiso izao fanatitra atolotray izao, fa avy aminao mazava fo sy malala-tanana; koa enga anie izay fanampiana nomenao hanohana anay amin'itý tany fandalovana itý mba hohamasinin'ny indrafonao hahazoanay ny fiainana mandrakizay.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Niantso Anao aho, ka nohenoinao, ry Andriamanitra mpanamarina ahy! Tamin'ny tery aho, ka nohalalahanao; iantrao aho, ry Tompo, henoy vavaka!
Tompo ô, ny Kômonio masina noraisinay anie hanome fahasoavana anay hahalala onona amin'ny zavatry ny tany ary hahay hankafy ny soa any an-danitra.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.