Alahady 27 febroary 2033
Fanombohana ny Sorona Masina
TIA ANDRIAMANITRA KA AOKA HOTIAVINA TANTERAKA
Mitsangana ho mpiaro ahy ny Tompo; nalany amin'ny mahory aho, nafahany satria tiany!
Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie izao tontolo izao handry feizay sy hizotra araka ny lahatrao; ary ny Eglizinao ho faly sy hiadana hanompo Anao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Osea Mpaminany
Izao no lazain'ny Tompo: Indro Aho hitarika azy sy hitondra azy any an'efitra, ary hiteny aminy ao am-pony; ka any izy hamaly toy ny tamin'ny andron'ny fahatanorany, sy toy ny tamin'ny andro niakarany avy any amin'ny tany Ejipta. Hofofoiko mba ho ahy mandrakizay ianao, hofofoiko ho ahy ianao, amin'ny rariny sy ny hitsiny, ary amin'ny fahasoavana sy ny fitiavana: hofofoiko ho ahy amin'ny fahamarinana ianao, ka hahalala an'Andriamanitra.
Isaory ny Tompo, ry fanahiko; ny Anarany masina, ry ato anatiko rehetra! Isaory ny Tompo, ry fanahiko; ny soa avy aminy aza misy hadinoina.
Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo, tsy malaky tezitra ary be fitiavana. Tsy araka ny otantsika no ataony antsika, tsy araka ny helotsika no avaliny antsika.
Tahaka ny atsinanana lavitra ny andrefana, ny hadisoantsika halaviriny amintsika. Tahaka ny ray mangoraka ny zanany, no angorahan'ny Tompo an'izay matahotra Azy.
Taratasy faharoan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôrinty
Ry kristianina havana, moa izahay tahaka ny sasany mila taratasy filazan-tsoa anay na ho any aminareo na avy aty aminareo? Ianareo no taratasinay voasoratra ato am-ponay, sady fantatra sy vakîn'ny olona rehetra. Eny, miseho miharihary fa ianareo no taratasin'i Kristy, nampanoratiny anay, tsy tamin'ny ranomainty, fa tamin'ny Fanahin'Andriamanitra velona; ary tsy tamin'ny takela-bato fisaka, fa tamin'ny takela-nofo kosa, dia ny fonareo izany. Ary Andriamanitra ihany no anananay izao fahasahiana izao, amin'ny alalan'i Kristy. Tsy ny tenanay akory no ampy hahahevitra zavatra toy ny avy amin'ny tenanay; Andriamanitra ihany no iavian'ny fahampianay. Izy ihany koa no maha-ampy anay ho mpandraharaha amin'ny fanekena vaovao, tsy mpandraharaha amin'ny soratra anefa, fa mpandraharaha amin'ny fanahy, satria ny soratra mahafaty, fa ny fanahy no mahavelona.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka
Mk. 2, 18-22Tamin'izany andro izany, dia fanaon'ny mpianatr'i Joany sy ny Farisianina ny mifady hanina, ka nisy nanatona nanao tamin'i Jesoa hoe: “Nahoana ny mpianatr'i Joany sy ny an'ny Farisianina no mifady hanina, nefa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady?” Ary hoy i Jesoa taminy: “Moa mahazo mifady ny naman'ny mpampakatra raha mbola ao aminy ny mpampakatra? Raha mbola ao aminy koa ny mpampakatra, dia tsy mahazo mifady izy; fa ho avy ny andro izay hanesorana ny mpampakatra hiala ao aminy, ka amin'izany andro izany vao hifady izy. Tsy misy olona manampina akanjo tonta amin'ny tapa-damba vaovao; fa raha izany dia handrovitra ny tonta ny vaovao ka hitatra ny rovitra. Ary tsy misy olona manisy divay vaovao amin'ny siny hoditra tonta; fa raha izany dia ho rovitry ny divay ny siny hoditra, ka ho very foana ny divay mbamin'ny siny hoditra; fa raha divay vaovao dia aoka ho ao anaty siny hoditra vaovao koa.”
Isika kristianina no tokony hahitan'ny olona ny Endrik'i Kristy sy hitarafany azy; ka hahasarika an'izay mahita antsika sy hambabo ny fony. Koa mangataha amin'Andriamanitra mba hahery fo isika, tsy ho revo amin'izay zava-madinika manahirana ny tena fotsiny; fa hijoro ho vavolombelona manambara ny aina sy ny hafaliana ary ny hery avy amin'i Kristy.
Ry Jesoa Tompo ô, ny niarahanao tamin'ny Apôstôly dia tena nahasambatra azy tokoa; koa mba ataovy hainay koa ankehitriny ny mitondra hafaliana sy mizara hasambarana amin'ny olona rehetra, hahitana fa mbola ety aminay Ianao, Ilay velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay.
Fankalazana ny Eokaristia
Andriamanitra ô, tolotra avy aminao no nasainao enti-manaja ny Anaranao, ka mitalaho aminao mora fo izahay: enga anie ny Sakramenta nataonao hahitanay sitraka eo anatrehanao, mba hahazoanay ny valisoa mandrakizay.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Miantsa ny Tompo aho noho ny soa nataony tamiko, ary mankalaza ny Anaran'ny Tompo Ave indrindra.
Feno ny fanomezanao mahavonjy izahay, ry Tompo, no mitalaho aminao be indrafo: enga anie ny Sakramenta amelomanao anay ankehitriny, hahamendrika anay handray anjara amin'ny fiainana mandrakizay.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.