Alarobia 23 febroary 2033
Fanombohana ny Sorona Masina
Tompo ô, matoky ny hatsaram-ponao aho. Mifaly ny foko satria namonjy ahy Ianao. Miantsa ny Tompo aho noho ny soa nataony tamiko.
Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary: mba ataovy mihevitra mandrakariva ny rariny sy ny hitsiny ary mikatsaka izay mahafaly Anao na amin'ny teninay na amin'ny asanay.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Siraka
Manandratra ny zanany ny fahendrena, ary miahy an'izay mikatsaka azy izy. Izay tia azy, tia fiainana; ary izay maimay hikatsaka azy, dia feno hafaliana. Izay misambotra azy dia ny voninahitra no anjarany, ary amin'izay rehetra hidirany dia hitsofan'ny Tompo rano azy avokoa. Izay manompo azy manompo ny Masina, ary izay tia azy, tia ny Tompo. Izay mihaino azy, hitsara ny firenena; ary izay manatona azy honina fahizay. Izay matoky azy, hanana azy ho anjarany, ary ny taranany, hitana ny fananana azy. Satria amin'ny voalohany izy, miara-mandroso amin'ny lalan-tsarotra miaraka aminy; mampiavy tahotra aman-korohoro aminy izy; mampijaly azy amin'ny fifehezana mafy, mandra-pitsapany azy, amin'ny didiny. Fa nony efa izany, dia miverina aminy amin'ny lala-mahitsy indray izy, ka mampifaly azy sy mamboraka ny zava-miafiny aminy. Raha mania anefa izy, dia ilaozany, sy avelany hahita loza.
Fiadanam-be ho an'izay tia ny lalànao ary tsy mba misy mahatafintohina azy! Voatandriko ny lahatrao sy ny Fanambarànao: eo anoloanao avokoa ny lalako rehetra.
Hidera Anao anie ny molotro: satria ampianarinao ahy ny fitsipikao! Hiventy ny didinao anie ny lelako: satria rariny avokoa ny baikonao rehetra!
Liana ny famonjenao aho, ry Tompo; ny lalànao no firavoako! Veloma anie ny aiko hiderako Anao! Ary hitahy ahy anie ny Fitsaranao!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka
Mk. 9, 37-39Tamin'izany andro izany, niteny tamin'i Jesoa i Joany nanao hoe: “Mpampianatra ô, nahita olona anankiray nandroaka demony amin'ny Anaranao izahay; nefa tsy namantsika ka noraranay.” Fa hoy i Jesoa: “Aza raranareo izy; fa tsy misy olona hanao fahagagana amin'ny Anarako ka hanaratsy Ahy vetivety foana. Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika.”
Fankalazana ny Eokaristia
Manolotra Sorona fankatoavana Anao izahay, ry Tompo, no mitalaho an-tanan-droa aminao: ka enga anie ny fanatitra entinay manome voninahitra Anao avo indrindra mba hahazoanay ny famonjena.
Hitanisa ny asanao mahagaga rehetra aho, hifaly sy hiravo ao aminao;ary hiantsa ny Anaranao, ry Andriamanitra avo indrindra.
Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, mba ataovy azonay ny famonjena efa santarinay amin'izao mistery izao.