Alakamisy 10 febroary 2033

Alakamisy Fahadimy tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 94, 6-7

Andeha isika hiankohoka sy hitsaoka an'Andriamanitra; mandohaliha eo anoloan'ny Tompo nanao antsika, fa Izy no Tompo Andriamanitsika.

Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, ombao fitiavana lalandava izahay fianakavianao, ka ambeno sy arovy mandrakariva, fa ny hany ianteheranay dia ny fahasoavanao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Jen. 2, 18-25

Boky Jenezy

« Nentiny teo amin'i Adama izy. Ary tonga nofo iray ihany izy roa. »

Hoy ny Tompo Andriamanitra: “Tsy tsara raha irery ny lehilahy; fa hanaovako mpanampy azy mitovy aminy izy.” Ary ny Tompo Andriamanitra, Izay efa namorona tamin'ny tany ny biby rehetra eny an-tsaha sy ny vorona rehetra eny amin'ny habakabaka dia nampiavy azy hankeo amin-dralehilahy mba hahitany izay hanononany azy avy; hitondran'ny zava-manana aina rehetra ny anarana homen-dralehilahy azy avy. Dia nomen-dralehilahy anarana avokoa ny biby fiompy rehetra, mbamin'ny vorona eny amin'ny habakabaka sy ny biby eny an-tsaha, nefa tsy hitany izay ho mpanampy an-dralehilahy mitovy aminy. Ka nataon'ny Tompo Andriamanitra renoky ny torimaso ralehilahy, dia natory; ary nalainy ny taolan-tehezany anankiray fa nofo no nakombony ho solony. Ny taolan-tehezana nalain'ny Tompo Andriamanitra tamin-dralehilahy dia namoronany vehivavy iray, ka nentiny teo amin-dralehilahy. Ary hoy ralehilahy: “Amin'izao itý no taolana avy amin'ny taolako, sy nofo avy amin'ny nofoko.” Hantsoina hoe vehivavy izy, satria nalaina avy tamin'ny lehilahy. Noho izany handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy ka hikambana amin'ny vadiny; ary ho nofo iray ihany izy ireo. Samy nitanjaka izy roa, dia ralehilahy sy ny vadiny, nefa tsy nahamenatra azy izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 127, 1-2. 3. 4-5
Fiv.: Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo.

Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo, sy mizotra amin'ny lalany! Mahazo voka-tsoa tokoa amin'ny asanao ianao: ka sambatra sy tretrika.
Ny vadinao foto-boaloboka mahavokatra ao anivon-tranonao! Ny zanakao: solofon'ôliva manodidina ny latabatrao.
Izany tokoa no fitahiana ny lehilahy matahotra ny Tompo! Eny, hitahy anao avy ao Siôna anie ny Tompo, hahitanao ny hasambaran'i Jerosalema amin'ny andro rehetra hiainanao.

Aleloia. Aleloia.
Fanilo ho an'ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka

Mk. 7, 24-30
« Ny amboa kely koa mba mihinana ny sombintsombin'ny mofon-jaza ao ambany latabatra ihany. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa, dia nankany amin'ny faritanin'i Tira sy Sidôna, ary niditra tao an-trano anankiray, fa tsy te-ho fantatr'olona, nefa tsy nahazo niery. Fa vetivety foana dia nisy vehivavy anankiray nanan-janakavavy azon'ny fanahy maloto nandre izany, ka tonga niankohoka tamin'ny tongony. Jentily avy amin'ny firenena Sirôfenisa ravehivavy, ary ny nangatahiny taminy dia ny handroahany ny demony amin'ny zanany vavy. Fa hoy Izy taminy: “Aoka ho voky aloha ny zanaka; fa tsy mety raha alaina ny mofon-jaza ka atsipy ny amboa.” Dia namaly ravehivavy ka nanao taminy hoe: “Marina izany, Tompoko, kanefa ny amboa kely koa mba mihinana ny sombintsombin'ny mofon-jaza ao ambany latabatra ihany.” Ary hoy i Jesoa taminy: “Mandehana, fa noho izany teny izany, dia efa niala tamin'ny zanakao vavy ny demony.” Nony tonga tany an-tranony izy, dia nahita ny zanany vavy nandry teo am-parafara fa efa nialan'ny demony.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Ry Tompo Andriamanitray ô, nataonao hanohana anay osa sy malemy ireto vokatry ny tany ireto, koa mihanta aminao izahay: enga anie ho tonga Sakramenta manambara sy mampahazo ny fiainana mandrakizay.

Kômonio Sal. 106, 8-9

Hisaorana anie ny Tompo noho ny hatsaram-pony sy ny zava-mahagaga vitany ho an'ny olombelona: fa ny fanahy mangetaheta, hetsahiny; ny fanahy mosarena, vokisany soa.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Andriamanitra ô, sitrakao ho mofo iray ihany no hifanapahanay ary kalisy iray ihany no hiarahanay misotro; ka ataovy miray ao amin'i Kristy izahay, dia ho faly hitondra famonjena ho an'izao tontolo izao.