Talata 01 febroary 2033
Fanombohana ny Sorona Masina
Vonjeo izahay, ry Tompo Andriamanitray, ka angony avy amin'ireo firenena, mba hidera ny Anaranao masina sy hifaly amin'ny fiderana Anao!
Ry Tompo Andriamanitray ô, ampio izahay ho feno fanajana Anao sy ho feno fitiavana ny olona rehetra.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasy ho an'ny kristianina Hebrio
Ry Kristianina havana, noho isika voahodidin'ny vavolombelona zavon-tany toy izany, dia aoka isika hanesotra ny zavatra rehetra mitambesatra amintsika, sy ny fahotana izay manarona antsika, ary hihazakazaka amim-paharetana amin'izao fifanalana hazakazaka naroso hataontsika izao, mibanjina an'i Jesoa filohany sy mpanefa an-davany sy an-tsakany ny finoana, izay nahazo nifidy ny hafaliana natao teo anoloany, nefa naleony niaritra ny Hazofijaliana, sy ny tsy nitandro henatra koa; ary efa mipetraka eo ankavanan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra. Hevero fa niaritra ny famelezana mafy nafitsoky ny mpanota taminy Izy, mba tsy ho ketraky ny fanarian-toky ianareo. Ianareo tsy mbola niady nanohitra ny ota hatramin'ny fahalatsahan'ny ranareo.
Izaho hametsivetsy Anao ao am-piangonam-be sy hanala voady anoloan'ny matahotra Azy. Ny ory hihinana ka ho voky; ireo mitady ny Tompo hidera Azy: «Veloma ny ainareo mandrakizay!»
Ny faran'ny tany hahatsiaro, ka hiverina amin'ny Tompo; ny fiankohonam-pirenena hiankohoka eo anoloany avokoa. Ireo rehetra matory amin'ny tany hiankohoka aminy; ireo rehetra mitsitra eo am-bovoka hiondrika anoloany.
Ny fanahiko hivelona aminy; ny taranako hanompo Azy. Ny taranaka izay misandratra hilazalazana ny Tompo, ny vahoaka vao ho teraka hanambarana ny fahamarinany: «izao sy izao no nataon'ny Tompo...!»
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka
Mk. 5, 21-43Tamin'izany andro izany, rahefa niondrana tamin'ny sambo kely i Jesoa ka tafita indray, dia nitangoronan'ny vahoaka teo amoron-dranomasina Izy. Dia avy ny anankiray amin'ny lehiben'ny sinagôga atao hoe Jaira, ka nony nahita Azy dia niankohoka tamin'ny tongony izy, sady nihanta mafy taminy nanao hoe: “Marary efa ho faty ny zanako vavy, ka andeha re mba hametra-tanana aminy Ianao, mba ho sitrana sy ho velona izy.” Dia nandeha niaraka taminy Izy, ary be ny vahoaka nanaraka Azy sy nifanety taminy. Ary nisy vehivavy anankiray nitsi-drà roa ambin'ny folo taona, izay efa niaritra zavatra mafy betsaka tamin'ny mpanao fanafody maro sy nandany ny fananany rehetra, nefa tsy nihatsara velively, fa vao mainka niharatsiratsy kokoa aza. Nony nahare ny amin'i Jesoa izy, dia nisisika tamin'ny vahoaka ka nanendry ny akanjony avy ao ivohony, fa hoy izy: “Na dia ny fitafiany ihany aza no voakasiko, dia ho sitrana aho.” Dia ritra niaraka tamin'izay ny loharanon'aretiny, ka tsaroany tao amin'ny tenany fa sitrana izy. Teo no ho eo ihany dia fantatr'i Jesoa fa nisy hery nivoaka tamin'ny tenany, ka nitodika ny vahoaka Izy nanao hoe: “Iza no nanendry ny fitafiako?” Ary hoy ny mpianany taminy: “Hitanao izao vahoaka mifanety aminao izao ka Ianao manontany hoe: Iza no nanendry Ahy?” Dia nijerijery manodidina Azy Izy hizaha ilay vehivavy izay nanao izany. Natahotra ravehivavy sy tera-kovitra satria fantany izay tonga taminy, ka nanatona Azy sy niankohoka teo anatrehany izy, dia nilaza ny marina rehetra. Ary hoy Izy taminy: “Anaka: ny finoanao no nahavonjy anao; mandehana amim-piadanana, ary sitràna amin'ny aretinao.” Raha mbola niteny i Jesoa, dia tonga ny avy any an-tranon'ilay lehiben'ny sinagôga ka nanao taminy hoe: “Maty ny zanakao vavy, ka nahoana ianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany?” Fa nony nandre izany teny izany i Jesoa dia nilaza tamin'ilay lehiben'ny sinagôga hoe: “Aza matahotra, fa minoa fotsiny ihany.” Ary tsy nisy navelany nanaraka Azy afa-tsy i Piera sy i Jakôba ary i Joany rahalahin'i Jakôba. Ary nony tonga tany an-tranon'ilay lehiben'ny sinagôga izy ireo, dia olona nikorontana sy nitomany ary ninaonaona be ihany no hitan'i Jesoa. Ary niditra Izy ka niteny tamin'ny olona hoe: “Nahoana ianareo no mitabataba sy mitomany? Tsy maty razazavavy, fa matory.” Dia nihomehy Azy fatratra ny olona; fa Izy kosa nandroaka azy rehetra, dia nitondra ny ray aman-drenin-drazazavavy mbamin'ireo nanaraka azy niditra tao amin'izay niamparan-drazazavavy, ary nandray ny tanany sy nilaza taminy hoe: “Talita, Komy, izany hoe: Ry zazavavy, hoy Aho aminao, mitsangàna.” Niaraka tamin'izay dia nitsangana razazavavy ka namindra fa efa roa ambin'ny folo taona izy, dia talanjona indrindra ny olona. Fa norarany mafy izy ireo mba tsy hatao fantatr'olona izany, ary nasainy nomen-kanina razazavavy.
Fankalazana ny Eokaristia
Tompo ô, aterinay eto amin'ny ôtelinao ny tolotray; koa mba raiso ary ankasitraho ho tonga Sakramenta manambara sy mampahazo ny fanavotana.
Asehoy ny mpanomponao ny endrikao, ry Tompo, ka vonjeo aho noho ny hatsaram-ponao. Tompo ô, tsy ho azon-kenatra aho satria miantso Anao.
Nahazo hery tamin'ny fanomezana mitondra fanavotana izahay no mihanta aminao, ry Tompo: ka enga anie ny famonjena mandrakizay omenao hampiroborobo mandrakariva ny finoana.